Fifidianana depiote: Distrika efatra nahita mihoatra ny 60% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy

  • mercredi, 05 juin 2019 11:43
  • Zakaria

Raha nisy fidinany ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019, araka ireo tatitra savaranonandro nataon’ireo fiarahamonim-pirenena sy mpanaramaso ny fifidianana, eny hatramin-dry zareo eo anivon’ny CENI dia nisy Distrika efatra nahitana taham-pahavitrihan’ny mpifidy mihoatra ny 60%.

Lohalaharana vonjimaika amin’izany ny Distrika Ampanihy Ouest, Faritra Atsimo-Andrefana. 62.84% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Toerana solombavambahoaka roa no ifaninanana ao amin’ity Distrika ity. Lisitra enina no nifaninana tao.

Manaraka faharoa vonjimaika amin’io fahavitrihan’ny mpifidy io ny Distrikan’i Midongy Sud, Faritra Atsimo-Atsinanana : 62.72%. Toerana solombavambahoaka tokana no ifaninanana ao. Valo ny kandida nifaninana tao.

Fahatelo vonjimaika ny Distrikan’i Betioky Sud, Faritra Atsimo-Andrefana manana taham-pahavitrihana 62.05%. Toerana solombavambahoaka tokana ihany koa no ifaninanana ao. Telo ny kandida nifaninana tao.

Laharana fahaefatra vonjimaika kosa ny Distrikan’i Befotaka Atsimo, Faritra Atsimo-Atsinanana : 60.12%
Toerana solombavambahoaka tokana no ifaninanana ao. Dimy ny kandida nifaninana tao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.