Marolambo: Vaky eny an-dalana sy niova eny anelanelan-trano ireo PV fifidianana

  • lundi, 03 juin 2019 15:14
  • Britto
  • Sary nomena

Kandida maromaro no milaza fa hivondrona hitaky ny hanafoanana ny latsabato taty amin’ny Distrikan’i Marolambo, Faritra Atsinanana manoloana ireo hosoka, hala-bato ary fanovana ny fitanana an-tsoratry ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019 araka ny ambaran’izy ireo.

Maro ireo porofo eo ampelantanana, hoy izy ireo, miaraka amin’ny fanamarinan'ny CENI sy ireo Sefo Fokontany.
Tany amin’ny lisi-pifidianana dia efa nosivanina ireo mpifidy nampidirina tao amin’ny lisitry ny CENI, ary ireo lisitra naterin'ireo Sefo Fokontany tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE) dia tsy nisy nampidirina ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana.

Tonga hatrany amin’ny famadihana ireo isam-bato amin’ny voka-pifidianana ny hosoka satria vaky eny an-dalana sy novaina eny anelanelan-trano ireo fitananana an-tsoratry ny fifidianana.

Toerana iray no ifaninanana ho an’ny Distrikan’i Marolambo ; miisa enina ireo kandida nisafidianana.

(Sary nomena: Niniana notakonana ny tarehy ialana amin'ny fitsaram-bahoaka fa efa misy fitoriana azy ireo eo anivon'ny Zandary sy ny Fitsarana)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.