Marc Ravalomanana: “Tsy resy ny TIM”

  • lundi, 03 juin 2019 15:12
  • Britto
  • Tahirin-tsary nindramina

“Tsy resy akory ny TIM fa nandresy fa saingy betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato misy. Tsy atao mahakivy izany fa tsy maintsy atrehina ary tsy maintsy mijoro hatrany isika manohitra ny tsy mety ary mampahafantatra ny vahoaka izany”, hoy ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) Marc Ravalomanana, manoloana ny fifidianana solombavambahoaka teo.

Betsaka, hoy izy, ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato ka very ny fahatokisan’ny vahoaka ireo andrim-panjakana samihafa eto amin’ny firenena. Leo ny fitiavantena, ny fitiavan-tseza sy ny kolikoly ny vahoaka ka izay no mahavery ny hasin’ireo andrim-panjakana eto amintsika.

Mbola mila fanabeazana ny Vahoaka, hoy hatrany i Marc Ravalomanana ary ireo mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana isan-karazany tokony hanaja ny lalàna misy izay mifehy ny andraikitra iantsorohany mba hanjakan’ny tena demokrasia eto Madagasikara.

Miezaka hatrany mampiofana ireo olomboafidiny ary manabe ny Vahoaka ary hijoro hiaro hatrany ireo andrim-panjakana misy eto Madagasikara, ny TIM-K25.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.