Beboarimisa Ralava: Nomen’ny « Filankevitry ny Olonkendry » tso-drano tao Tanakidy

  • jeudi, 11 avril 2019 14:43
  • Britto
  • Sary: BR

Tontosa tao Tanakidy ny alarobia 10 aprily 2019 ny Fitsofan-drano an'i Beboarimisa Ralava tao amin'ny Filankevitry ny Olonkendry (Comité des Sages).

Araka ny nambaran'ny Ampanjaka dia isany kandida solombavambahoaka nahazo an'io tso-drano io izy.

Raha ny fanazavana hatrany dia anton’ny nanomezana tsodrano azy ny fahendreny mahalala mody hanasoa ny tanàna niaviany. Fanaon'ny olona tokoa hoy izy ny mitondra mody rehefa avy nikarama tany ampilan-dravinahitra.

Nilaza i Beboarimisa Ralava fa vonona ny hanome ny fahaizany, ny traikefany, ary ny heriny rehetra hanasoavana an’i Manakara.

Zava-dehibe eo amin’ny Malagasy ny tso-drano, indrindra rehefa misy sedra na zavatra hatao. Soatoavina tena Malagasy io. Ny raiamandreny, Tangalamena, Ampanjaka manatontosa izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.