Randriarimalala Harijaona: Mitohy ny asa ho an’Atsimondrano

  • mercredi, 20 mars 2019 18:57
  • Zakaria
  • Sary nomena

Ara-dalàna ! Kandida tsy miankina nahafeno ny fepetra firotsahan-kofidiana ety Atsimondrano i Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite anarana ahafantaran’ny maro azy.

Iraika ambin’ny folo (11) ny lisitra mifaninana ety Atsimondrano raha toa ka roa (02) ny toeran’ny solombavambahoaka ifaninanana.

Jaona Elite no mitarika ny lisitra « INDEPENDANT RANDRIARIMALALA Harijaona » irotsahany, miaraka amin-dRanaivojaona Maminiaina Martin Marie Francia. Mpisolotoerana kosa Randrianasolo Jean Rémi sy Ranaivoarisoa Henri Daniel.

Ho an’i Jaona Elite dia mitohy ny asa ho an’Atsimondrano. Nahafoy ny karama maha solombavambahoaka azy izy hanohanana ny « cantine scolaire » tamin’ireo EPP tety Atsimondrano. Nitazona ny dinam-pihavanana, nanao valimbabena tamin’ireo zokiolona tamin’ireo Kaominina ato anatin’ny distrika ary nanohana ny tantsaha.

Nandresy lahatra ny fitondram-panjakana i Jaona Elite, tamin’iny fotoam-piasana voalohany naha tao Tsimbazaza azy, ka nahazoana rano fisotro madio isitrahan’ny vahoaka maherin’ny 50 000 amin’ny Kaominina miisa enina ety Atsimondrano. Tetikasa izay nandaniana vola mitetina 5 miliara Ariary ny fanatanterahana izany.

Nijoro hatrany ary tsy nitsitsy fitenenena i Jaona Elite tamin’ny fandaniana lalàna tao amin’ny Antenimieram-pirenena, ho fiarovana ny tombontsoan’ny firenena sy ny hijerena ireo orinasa malagasy indrindra ireo orinasa madinika (PME), ary niady ny hanatsarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy.

Narahina tamberin’andraikitra izany, tamin’ny fakan-kevitra mialoha amin’ny lalàna izay hodinihina eny Tsimbazaza sy ny nampafantarany tamin’ny vahoaka nifidy azy ireo lalàna nolanian’ny solombavambahoaka tamin’ny fanaovana tatitra isaky ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.