Pr Ange Andrianarisoa: Hiverina hiazakazaka ho eny Tsimbazaza

  • mercredi, 20 mars 2019 10:41
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Kandida solombavambahoaka ao Antananarivo faha-III i Pr Ange Andrianarisoa. Mitarika ny lisitry ny antoko Andry sy Rihana Enti-manavotra an'i Madagasikara (AREMA) izy. Izy rahateo dia Sekretera nasionaly lefitry ny AREMA miandraikitra ny faritanin’Antananarivo.

Efa solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo i Pr Ange Andrianarisoa. Efa filohan’ny Antenimieram-pirenena izy, nandimby toerana an’i Richard Andriamanjato tamin’ny jolay 1998.

Niverina teo amin’ny sehatra politika izy rehefa nikopak’elatra nandao ny Akany ry Pierrot Rajaonarivelo, mbamin-dry Vaovao Benjamin sy ny hafa koa. Nijoro hatrany teo anilan’i Amiraly Didier Ratsiraka namelomaso ny AREMA i Pr Ange Andrianarisoa mbamin-dry Simon Pierre. Nitarika ny ankolafy Ratsiraka tamin’ireo fifampidinihana samihafa na teto Madagasikara na tany Afrika nenti-nandaminana ny krizy taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.

Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny fakioltean’ny fitsaboaka i Pr Ange Andrianarisoa ; manampahaizana manokana momba ny havokavoka izy ary efa filohan’ny « Société de pneumologie de Madagascar ».

(Doka Fifidianana Solombavambahoaka)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.