Rafidimanantsoa Narson: Kandida depiote aty Antanifotsy (Vakinankaratra)

  • mercredi, 20 mars 2019 10:15
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Miisa sivy ireo kandida nahafeno fepetra ao amin’ny firaketan’ny CENI hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka aty amin’ny Distrikan’Antanifotsy, Faritra Vaninankatra ka anisan’izany i Rafidimanantsoa Narson na Coco araka ny ahafantaran’ny maro azy. Natolotry ny fikambanana « Ray Dia » izy.

Minisitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika nisahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana i Rafidimanantsoa Narson. Efa nifandimby notantaniny talohan’io ihany koa ny ministeran’ny varotra, sy ny ministeran’ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.

Talohan’izay dia efa filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria tao Toamasina i Rafidimanantsoa Narson ary koa efa filohan’ny GEL (Groupement des exportateurs de litchis) ivondronan’ireo mpandraharaha lodsia.

Zanak’Antanifotsy, ary efa nandray andraikitra sy nitondra ny anjara birikiny hatrany nanasoavana ity Distrika fiaviany ity ny tenany amin’ny maha vato nasondrotry ny tany azy. Na teo amin’ny fandriampahalemana izany, nanampiany ireo mpitandro ny filaminana, na teo amin’ny sosialy, toy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa anovozan’ny zanak’Antanifotsy fianarana.

Fanohizana sy fanamafisana izany fandraisana andraikitra nataony izany ampian'ny traikefa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ananany no irotsahany hofidiana solombavambahoaka ato Antanifotsy.

(Doka fifidianana Solombavambahoaka)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.