Alain Ramaroson: Efa nihoatra iray volana sy tapany amin’ny saziny no itazomana azy ao Antanimora

  • dimanche, 17 mars 2019 11:58
  • Britto
  • Tahirin-tsary

Nahoraka tamin’ny tambazotra serasera sosialy facebook nanomboka ny sabotsy 16 martsa 2019 fa nivoaka ny fonja i Alain Ramaroson. Tsy izay aloha no nitranga, mbola natory tao Antanimora izy ny alin’io.

Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fiainakaviany dia efa niomana ny hamita manontolo ny saziny ao am-ponja i Alain Ramaroson. Tsy nitaky ny hamoahana azy.

Tamin’ny 3 aogositra 2016 no nampidirana am-ponja vonjimaika an’ity filoha mpanorina ny antoko Masters ity. Raharaha roa makasika tany no nanenjehana azy.

Nivoaka ny talata 08 aogositra 2017 ny didy tamin'ny adi-tany iray nitorian'ny fianakaviany an'i Alain Ramaroson. Gadra an-tranomaizina 30 volana, sazy mihatra, miampy fandoavana onitra 200 tapitrisa Ariary no sazy nomen'ny Fitsarana azy. 30 volana, sazy miantona, kosa ny an'ilay Sekreteran'ny Kaominina Ambohimangakely, niara-voasaringotra taminy, ary miaraka mandoa vola 60 tapitrisa Ariary ho onitra izy sy i Alain Ramaroson. Afaka madiodio kosa ireo mpanera roa izay voatanisa tato anatin'ity raharaha ity.

Tamina rahahara hafa momba ny tany tao Andoharanofotsy indray dia sazy mihatra herintaona sy fandoavana onitra 950 tapitrisa Ariary no sazin’i Alain Ramaroson.

Ilay sazy 30 volana no nihatra taminy, tsy maintsy nefainy tany am-ponja, tamin’ireo raharaha roa ireo, izany hoe : efa tapitra tamin’ny 3 febroary 2019, ary tokony efa nivoaka ny fonja i Alain Ramaroson satria efa nihoatra iray volana sy tapany izao ny itazomana azy ao Antanimora, ka mampametra-panontaniana ireo namany ny antony mbola itazomana azy.

(Tahirin-tsary Alain Ramaroson ao Antanimora)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.