Sendika: Voafidy ho filohan’ny SMM i Clément Jaona

  • dimanche, 17 février 2019 14:05
  • Britto
  • Sary nindramina

Clément Jaona no handimby toerana an’i Fanirisoa Ernaivo, hitantana ny SMM (Syndicat des Magistrats de Madagascar).

Notontosaina ny zoma 15 febroary 2019 teo ny latsa-bato nifidianana izay ho filohan’ny SMM. Roa no mpifaninana dia i Clément Jaona (Mpitsara mpamoaka didy), kaomisera momba ny lalàna eo anivon’ny Filankevi-panjakana sy Andrianiaina Franklin James Rakotomahanina (Mpitsara momba ny ady ara-bola), miasa eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana, ary efa nirotsaka in-droa miantoana (2013, 2018) ho kandida filoham-pirenena fa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.