Diplaomasia: Michael Peter Pelletier no Ambasadaoron’i Etazonia ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Vondron’ny Nosy Comores

  • mardi, 29 janvier 2019 09:09
  • Britto
  • Sary : US Ambassy Madagsacar

Tamin’ny 16 aogositra 2018 ny Ambasadaoro Pelletier no notendren’ny Filoha Donald Trump, raha ny 02 janoary 2019 izy no voatondro andeha aty Madagasikara sy ny Nosy Comores. Andrasana afaka herinandro vitsy ny fahatongavany.

Ny taona 1987 izy no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny diplomasia ary matihanina amin’izany sehatra izany. Manana ny laharana mitovy lenta amin’ny “Ministre-Conseiller” izy. Talohan’izao fanendrena azy izao dia nisahana ny andraikitry ny Sojaben’ny “School of Professional and Area Studies” tao amin’ny Ivotoeram-panofanana ireo diplomaty amerikana izy.

Niasa tamina masoivoho amerikana miisa valo izy ankoatra izay ary efa nitana andraikitra ambony tao amin’ny Departemantam-panjakana ihany koa. Tao anatin’izany ny toeran’ny Mpanolontsaina voalohany tany amin’ny Masoivoho Amerikana tany New-Delhi tany Inde sy ny toeran’ny Lefitry ny Sekreteram-panjakana Amerikana misahana ny raharaha afrikana.

Ny Ambasadaoro Pelletier dia manana ny mari-pahaizana B.S.F.S. avy amin’ny Oniversiten’i Georgetown, ny mari-pahaizana momba ny fandalinana politika avy amin’ny Institut d’Etudes Politiques tao Paris any Frantsa, ary ny ny M.I.A. avy amin’ny Oniversiten’i Columbia.

Miisa 13 ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny Depatermantam-panjakana Amerikana efa azony ary tao anatin’izany ny “Presidential Meritorious Service Award” sy ny “Linguist of the Year”.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.