CPI: Mandidy ny amotsorana an'i Gbagbo sy Blé Goudé

  • mardi, 15 janvier 2019 15:28
  • Tigre
  • Sary nindramina BBC

Nanapa-kevitra ny Fitsarana ady heloka iraisam-pirenena (Cour pénale internationale), fa tsy ampy ny porofo anenjehana ny Filoha teo alohan'ny Côte d'Ivoire Laurent Gbagbo, sy ny minisitry ny tanora teo aloha, Blé Goudé. Mandidy avy hatrany ny amotsorana azy ireo ny fonja hitazomana azy any La Haye.

Raha tsiahivina, dia taorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Côte d'Ivoire, dia nifaninana tamin'ny fihodinana faharoa i Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara, praiminisitra ny desambra 2010. Nambaran'ny Komity mpikarakara ny fifidianana (mitovy amin'ny CENI) fa lany 54.10% i Alassane Ouattara, nefa rehefa namoaka didy ny Conseil Constitutionnel (Ohatran'ny HCC) dia i Laurent Gbagbo indray no lany tamin'ny isam-bato 51.45% rehefa nisy birao nofoanana.

Samy nanao fianianana izy roa lahy ny 4 desambra 2010, samy nilaza fa nandresy.

Alassane Ouattara notohanan'ny Firaisam-be iraisam-pirenena, Laurent Gbagbo notohanan'ny Conseil Constitutionnel, ary tsy nety hiala teo amin'ny fitondrana.

Raikitra ny sakoroka, 3000 no maty, ary notafihana tao anaty lapa i Laurent Gbago ny avril 2011, tafika nalefan'i Alassane Outtara, izay notohanan'ny Frantsay sy ny Firenena mikambana.
Voasambotra i Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ireo niara-dia taminy.

Ny 6 mey 2011 dia nambaran'ny Conseil Constitutionnel indray fa lany i Alassane Outtara, ary dia namerina fianianana indray izy ny 21 mey 2011.
Maro ireo Filoham-pirenena nanatrika ny fianianana nataon'i Alassane Ouattara, anisan'izany ny Filoha frantsay tamin'izany Nicolas Sarkozy.

Laurent Gbagbo nalefa tany La Haie, ny vadiny kosa notanana tao Côte d'Ivoire ary vao aingana no navotsotra, dia izao, 7 taona aty aoriana no navotsotry ny Fitsarana iraisam-pirenena izao. Mbola andrasana raha hanao fampakarana ny Fampanoavana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.