Antalaha: Hanohana an’i Marc Ravalomanana ny depiote Laisoa Jean Pierre dit Jaovato

  • mardi, 11 décembre 2018 14:29
  • Britto
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny depioten’Antalaha Laisoa Jean Pierre dit Jaovato, fa nisafidy ny hanohana ny kandida Marc Ravalomanana izy amin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity.

Ny antony naharesy laharatra azy, raha ny nambarany tamin’ny mpanao gazety dia voalohany, amin’ny maha raiamandreny azy. Faharoa, ny olona atao hoe « expérimenté » amin’ny fiainana, hoy i Jaovato dia olona avy nanao « erreur », ka mino aho fa i Marc Ravalomanana tsy hamerina ny « erreur » nataony taloha ary manantena fampandrosoana aminy aho.

« Niaraha-nahita ihany koa fa nisy azo tsapain-tanana tamin’ny fitondrany, raha tsy hiteny afa-tsy ny lalana Sambava-Antalaha. Tamin’ny andro niainako, nanonofy izany hoe ho vita « goudron » io lalana io », hoy i Laisoa Jean Pierre.

Tamin’ny fitondran-dRavalomanana (2002-2003) ihany koa no nampiakatra avo voalohany ny vidin’ny lavanila 4 hetsy Ariary ka hatramin’ny 6 hetsy Ariary ny kilao, fa nony tonga teo ny fitondrana tetezamita, naongana i Marc Ravalomanana, dia nitotongana nanaraka an’izay ny vidin’ny lavanila, ary izay no nahatonga anay hanohana an-dRavalomanana, hoy hatrany i depiote Laisoa Jean Pierre.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.