Tamin'ny fanontaniana hoe manaiky ny vokatra avoakan'ny HCC ve ianao

  • lundi, 10 décembre 2018 10:55
  • Super User

Raha mandresy ve moa ianao Zandry, dia hitabataba izay vokatra mivoaka eo, fa ny tiana anontaniana eo dia hoe, raha resy ianao, ekenao ve izay faharesenao izay ary iarahaba ny mpandresy ve ianao.

Tsy ilaina eo izany ny manamafy fa tsy maintsy ianao no mandresy satria efa antson'Andriamanitra ny anao, satria dans l'hypothèse hoe, ianao resy no angatahina aminao eo.

Ilaina eo izany ny fampisehoana fanetretena fa tsy miziriziry hoe za no mandresy. Tadidio fa ny Malagasy olon'ny fo, ary mirona hatrany amin'ny olona resy sy osa mampalahelo.
Nentinao tany amin'ny horakoraka tao an-trano ilay izy, dia nentinao tany Seychelles ny resaka, dia niala bala ianao ny fahitana azy tety ivelany.

Tsy mbola tara, valio mahitsy amin'ny alahady ho avy izao.

Nasisikao moa ny hoe Katolika ianao, tekinika pimaso moa ireny, tsisy maharatsy azy, fa ny Katolika mandinika ny teny rehetra avoakanao, tsy anjarako ny mitsara anao amin'ny resaka fivavahana, fa tandremo ny teny avoaka, fa ny Katolika tsy miteny hoe "Pilipitra" izany raha ianao nanolotra fanampiana tany Vohipeno, ary hatramin'ny fomba fandraisanao Kominio dia jeren'ny olona avokoa, ny Tenin'ny Soratra Masina ampiasainao sy ny Hiram-pivavahana ampiasainao dia arahan'ny Katolika maso avokoa. Matoa ny Eveka mamerimberina fa tsy misy olona tohanan'ny Katolika, dia lakolosy maneno be ireny. Mila mitandrina eo.

Ialao ireo fanatika mandroboka anao hiady lava io, raha misy ny olona tsy tokony niverina teto intsony, dia Ravalomanana, fa voafafany tamin'ny teny tokana hoe, "mifona aminareo Malagasy aho amin'izay tsy nety rehetra nataoko". Anga izy nilaza hoe inona no tsy nety nataony, ianao indray no mampipongatra ny tsy nety nataony, dia hoy ny olona hoe, izy aza efa nifona ka ho tsindrio fa lavo indray ve, dia izy indray no mampalahelo ny olona dia fidian'ny olona.

Ampitiavana no ilazako izany hanatsaranao ny fihetsika sy teny avoakanao rehetra Zandry.

Tsy misorona.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.