Fianarantsoa: Akon'ny fanamborana an'i Pety Rakotoniaina

  • lundi, 22 octobre 2018 21:42
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nanao fanambarana miaraka ireo Raiamandreny eto Fianarantsoa manoloana ny fampidirana am-ponja an'i mpanao politika Pety Rakotoniaina.

Manamarika ny fahazarana manao asa famoretana ny zanak'i Fianarantsoa izy ireo, amin'ny alalan'ny fampatsiahivana ny fampidirana am-ponja ny olona avy aty amin'ny faritra na dia iraisan'ny rehetra aza ny hetsika. "Koa mitaky ny amoahana azy izahay..." hoy ny ambaran'izy 18 mirahalahy mianaka.

Manao antso avo amin'ny zanaky ny Faritra ihany koa izy ireo mba TSA HIPODY VATO ZINERA, ary nanamafy hatrany ny fijoroany amin'ny fiarovana ny fahamarinana.

Ny sabotsy 20 oktobra teo no natao ny fanambarana teto an-toerana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.