Monja Roindefo : "Tsy mandray anjara ary tsy manohana kandida ny MONIMA"

  • dimanche, 21 octobre 2018 08:47
  • Britto

Izay no votoatin'ny hafatra miendrika fanambararana avy amin’ny birao foibe sy ny filoha nasionaly Monja Roindefo ho an’ny tompon’andraikitra sy ny mpikambana Monima nivoaka tamin'ity 20 oktobra 2018 ity.

Efa hita soritra ankehitriny ny loza mety hihatra noho ny fanjakan’ny vola sy ny kolikoly eo amin’ny sehatra rehetra, ka mandoto io fifidianana io, hoy ny fanambarana.

Nisy koa ny toromarika fa tsy mandeha mifidy ny mpikambana Monima sy ny mpankasitraka resy lahatra, amin’ny 07 novambra, datin’ny fifidianana.

Miomana ny antoko hiatrika ny tranga hiseho, ary handray ny andraikitra takian’ny vahoaka sy ny tombotsoam-pirenena amin'ny mpandova ny Raiamandreny Monja Jaona sy ny soatoavina nimatimatesany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.