Lisi-pifidianana: Mivoha sa mikatona ?

  • vendredi, 12 octobre 2018 09:32
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Morondava

Mampametra-panotaniana ireo sefo Fokontany eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe manoloana ny fomba fiasan'ny CED Morondava.

Nisy ny filazana fa hoe : efa nalefan'ny delege any amin'ny CED ny anaran'ireo olona efa tao anatin'ny lisi-pifidianana teo aloha nefa tsy tafiditra amin'ny vaovao, ka hanaovana lisitra vaovao, nefa tsy nampahafantarina ireo Sefo Fokontany akory izany.

Ny alakamisy 11 oktobra 2018 dia nisy filazana avy amin'ny CED Morondava tonga tamin'ny radio mba hovakiana hampahafantarina ny vahoaka.

Ora iray taorian'ny fanaterana azy indray dia nahazo toromarika ny radio fa hoe : ajanona ny famakiana ilay filazana fa efa voaray daholo ilay lisitra.

Avy aiza ireo lisitra ireo, ary iza no nanome azy ny delege ka nampanatitra azy any amin'ny CED, hoy ireo Sefo Fokontany ?

Aoka samy hanara-maso ny tsirairay fa tsy tompon'antoka izahay, hoy ireo Sefo Fokontany eto Morondava sendra anay.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.