Fianarantsoa: Manohana an'i Andry Rajoelina ny depiote Razaranaina

  • vendredi, 05 octobre 2018 15:45
  • Britto

Nanao fanambarana ny fanohanany ny kandida laharana faha- 13 ny filoha mpitarika ny Ainga Vao eto Fianarantsoa. Omaly 4 oktobra no nanatontosany izany tao amin'ny Espace Royal Bateravola. Izany dia tohin'ny fanambarana efa nataony amin'ny maha resy lahatra azy amin'ny vina IEM, herinandro vitsivitsy lasa izay. Ahenoana akony mankasitraka sy mitsipaka io fanohanan'ny solombavambahoaka an'i Andry Rajoelina io ny tontolo politika eto an-toerana.

Nandray izany fanambarana izany tamin'ny fanatrehana ny fotoana nanatanterahana azy ny mpikambana ao amin'ny vondrona Mapar eto an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.