Antsirabe: Mbola tsy sahy nanonona kandida ho tohanana ny Antoko MFM

  • vendredi, 21 septembre 2018 20:31
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Notontosaina teto Antsirabe, tao amin’ny Hotel Diamant ny kaongresim-paritry ny Antoko MFM Vakinankaratra. Solontenan’ny mpikatroka niisa 8 isan-distrika no tonga niatrika izany, ka tonga nanotrona ny hetsika ny filoha nasionaly, Atoa Manandafy Rakotonirina sy ny Sekretera Jeneraly Olivier Rakotovazaha.

Raha ny nambaran’Atoa Manandafy Rakotonirina dia tsy mbola izao no hanambaran’izy ireo ny kandida ho tohanany amin’ny fifidianana fa mbola hiandry ny datin’ny faha 5 sy faha 6 oktobra no hilazany izany mandritra ny kongresy nasionaly, na dia efa nambarany soritsoritra ihany aza fa ny filoha teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina no ho tohanany.

Fantatra tamin’ny resany mantsy fa izy ireo no nanofana sy nampisy ny “Expert Comptable”, teto Madagasikara satria taorian’ny nandraisan’ny fitondram-panjakana ireo orinasa vahiny ny taona 1972 dia tsy mba nanana manampahaizana ny Malagasy hafa tsy olona 2 ihany, ka izy ireo no nitady fiaraha-miasa tamin’ny Kanadianina nanokatra ny sekoly INSCAE, ary isan’ny vokatry ny asan’izy ireo ny Kandida laharana faha 12, Atoa Hery Rajaonarimampianina.

Fantampatatra tamin’ny firesany na dia tsy mbola ofisialy ary fa dia ity Kandida ity no ho tohanan’izy ireo. Tazana rahateo moa ny tenany nandritra ny fitokanana ny foibe-toeran’ny HVM, niaraka tamin’ny Kandida laharana faha 12.

Tsara nefa ny manamarika fa tsy nanisy olana amin’Atoa Raveloson Constant, izay miaraka amin’ny Kandida Ravalomanana Marc ny tenany, ary ankoatra izay dia maro tamin’ireo mpikambana tato Vakinankaratra rahateo koa no nangata-tsodrano hanohana Kandida laharana faha 25 eto vakinankaratra ary dia nomeny alalana ihany koa izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.