Colbert Antaninarenina: Fanorenana ifotony no takiana

  • jeudi, 07 juin 2018 22:28
  • Njaka
  • Sary Njaka

Notanterahina tetsy amin'ny hôtel Colbert ny ezaka fifanarahana ho an'ny fanorenana ifotony na ny pacte de la refondation.

Nohamafisina io firaisankina io ka nomena anarana ho hetsiky ny fanorenana ifotony an'i Madagasikara izany na ny HFI.

Manamafy ny mpikambana fa tsy ekena ny vahaolana tandrametaka sy ny fanosehana ho an'ny fifidianana ankamehana alohan'ny fampihavanana sy fanarenana ifotony, izay mahatonga ny fiverimberenan'ny krizy eto amin'ny Firenena.

Manao antso avo izy ireo amin'ny mpanao politika rehetra mba hiray hina sy hiara hientana ho amin'ny fanorenana ifotony.

(Jereo sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.