Politique

    • samedi, 16 mars 2019 23:59
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Boriboritany faharoa: Fanolorana ireo kandida TIM

    Notanterahina tetsy Ambohitsoa ny fifampiarahabana tratry ny taona teo amin'ny antoko TIM, Boriboritany faharoa, sy fanolorana ireo kandida ho solombavambahoaka, lisitra tarihan'i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, depiote Tiako I Madagasikara (TIM) teo aloha, voafidy tao Antananarivo faha- 2. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 mars 2019 23:22
    • Tigre
    • Sary Njaka

    Mahamasina: Tompokolahy Manandafy RAKOTONIRINA

    Mahamasina: Andrasana etsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena ny nofo mangatsiakan'i Tompokolahy Manandafy RAKOTONIRINA Noentina nandrasana ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina ny nofo mangatsiakan'i Tompokolahy Manandafy RAKOTONIRINA. (Jereo Sary Tohiny - Album)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 mars 2019 11:01
    • Britto
    • Sary FB

    Marolambo: Mandahatra kandida tanora ny « Isika rehetra miaraka an’i Andry Rajoelina »

    Ramasovelomanjakanirina Lindberg Chris Yves, tanora mpianatra tao Barikadimy Toamasina, no kandidan’ny vovonana « Isika rehetra miaraka an’i Andry Rajoelina » ato Marolambo. Tafapetraka ny Alatsinainy 11 martsa 2019 teo anivon’ny OVEC ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany ho solombavambahoaka ato amin'ny Distrikan'i Marolambo. Fanindroany hisedrany ny safidim-bahoaka izao satria efa nirotsaka hofidiana depiote i Chris Yves tamin’ny 2013 saingy tsy lany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 mars 2019 10:43
    • Britto
    • Sary nindramina

    Razafindrafito Lova Paupil: Nisafidy ny tsy hirotsaka depiote

    Solombavambahoaka farany teo tato Ifanadiana i Razafindrafito Lova Paupil. Nanao fanambarana tao amin’ny pejy facebook ny tenany ny alatsinainy 11 martsa milaza fa « nisafidy ny TSY HIROTSAKA ny tenako na dia efa nivonona noho ny antony maro samihafa ». « Hanasoa hatrany ny Distrika Ifanadiana foana aho ary tsy ho avelako ho kamboty velon-dray ny tananako, ary ialako tsiny raha nandiso fanantenana antsika Vahoaka fa izay mahasoa antsika Vahoaka no katsahiko », hoy izy manohy ny fanambarany. « Mitsodrano ireo namana sy ny olom-pantatra nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana. aho mba ho tonga amin’ny tanjona irina ». Voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo na (Haute Cour de Justice) Razafindrafito Lova Paupil. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 mars 2019 09:55
    • Britto
    • Sary nindramina

    Fifidianana depiote: Minisitra amperinasa roa nirotsaka ho kandida

    Nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’i Bealanana i Volahaingo Marie Thérèse, minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa, ao Toamasina I kosa i Lucien Irma Naharimamy, minisitry ny Mponina sy fiahiana sosialy ary ny Vehivavy. Efa samy solombavambahoaka izy roa vavy ireo tamin'ny fifidianana natao ny 20 desambra 2013 ka i Lucien Irma Naharimamy voafidy tamin'ny lisitra MAPAR tao Mahanoro ; tamin'ny anaran'ny antoko Malagasy Miara-Miainga kosa no nahavoafidy an'i Volahaingo Marie Thèrese tao Bealanana. Samy mirotsaka amin’ny anaran’ny vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izy ireo amin'ity indray mitoraka ity.(Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 mars 2019 19:31
    • Britto
    • Sary: MAE

    Naina Andriantsitohaina: « Mizaka zom-pirenena tokana Malagasy »

    Nanao fampitaom-baovao manokana ny ministeran’ny raharaham-bahiny malagasy mandiso ny vaovao navoakan’ny gazety nivoaka androany 11 martsa milaza fa mizaka zom-pirenena roa ny lehiben’ny diplaomasia malagasy, Naina Andriantsitohaina. Manamafy sy mampahafantatra io fampitaom-baovaon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny io fa « zom-pirenena tokana dia Malagasy » i Naina Andriantsitohaina.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 mars 2019 10:45
    • Britto
    • Sary nomena

    Maurice: Manatanteraka fitsidiham-panjakana any an-toerana ny filoha

    Maurice: Manatanteraka fitsidiham-panjakana any an-toerana ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina Omaly alahady 10 mars tolakandro no tonga tao Maurice tamin'ny fiaramanidina manokana i Andry Rajoelina mivady. Vahiny manokana amin'ny fankalazana ny faha-51 taonan'ny fahaleovantenan'ny nosy Maurice i Andry Rajoelina. Orinasa enimpolo eo, avy aty Madagasikara, no tonga any Maurice hihaona amin'ireo mpandraharaha maorisiana hijery fiaraha-miasa azo atao.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 mars 2019 22:51
    • Britto

    Vondrombahoakam-paritra: Voatendry ireo mpisolotoerana ireo lehiben'ny Faritra nesorina tamin'ny toerana

    Naoty navoakan'ny ministeran'ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana tamin'ny fiandohan'ity volana martsa ity no manendry ireo mpisolotoerana ireo lehiben'ny Faritra nesorina tamin'ny 16 febroary 2019, mandra-panendry ireo Governoran'ny Faritra.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 mars 2019 12:09
    • Britto
    • Sary nomena

    Diplaomasia: Michael Pelletier no masoivoho vaovaon’i Etazonia eto Madagasikara

    Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly maraina ny Ambasadaoro vaovaon'i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara Michael Pelletier. Nantitranterin'ny Ambasadaoro Pelletier nandritra ny fihaonana ireo fiaraha-miasa izay efa misy eo amin'ny firenena roa tonta. Nilaza ihany koa ny Ambasadaoro fa miandry fatratra ny fiaraha-miasa amin'ny governemanta sy amin'ny sehatra tsy miankina izy hitadiavana izay fomba tsara indrindra hanohanana an'i Madagasikara hanatratra ny tanjony. Michael Pelletier izany no mandimby toerana an’i Robert T. Yamate.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 mars 2019 14:47
    • Britto
    • Sary nomena

    Kaominina Antananarivo Renivohitra: Notendrena ho Sekretera Jeneraly i Guy Rivo Randrianarisoa

    Guy Rivo Randrianarisoa indray no Sekretera Jeneraly vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Andraikitra efa nosahaniny teo aloha. Izy no misolo toerana an’i Heriniaina Razafimahefa. Fanarenana sy fanavaozana ny fitantanana ny tanàna atao izao no mahatonga izao fanendrena vaovao izao, ary hisy ihany koa ny famindran-toerana, hoy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana nandritra izany raha nampahafantatra izany ny mpiara-miasa aminy akaiky, androany maraina, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely taorian’ny famindra-pahefana teo amin’ny sekretera jeneralin’ny Kaominina teo aloha, Heriniaina Razafimahefa, sy ny sekretera jeneraly vaovao Guy Rivo Randrianarisoa.
    Lire la suite ...
Page 10 sur 83