Politique

    • jeudi, 04 juillet 2019 11:28
    • Britto
    • Sary nindramina

    Vaimalama Chaves: Maniry ho tonga filohan’i Polynésie française ity « Miss France 2019 » ity

    Naneho ny faniriany ho tonga filohan’i Polynésie française i Vaimalama Chaves, izay vao voahosotra ho « Miss France 2019 ». Teraka tany Papeete (Tahiti) ary 24 taona ny tovovavy ankehitriny. Nilaza izy fa hanohy fianarana momba ny politika, manomboka amin’io 2020 io, mba hahatongavany amin’izany tanjona izany. Efa “Miss Tahiti” tamin’ny 2018 i Vaimalama Chaves, talohan’ny nahavoafidy azy ho « Miss France 2019 ».  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juillet 2019 11:54
    • Britto
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Mampiantrano atrikasa fakan-kevitra hanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera

    Tanterahina ao amin’ny lapan’ny Faritra Vakinankatra amin’ity alarobia 3 jolay ity, ny fihaonana fakan-kevitra isam-paritra hanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera, izay tarihin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hanolorana tolo-dalàna vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mandray anjara amin’izany ny solontena mpisehatra amin’ny asa fanaovan-gazety sy serasera avy amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava ary Menabe. Tsy nahatonga solontena ny avy any Melaky. Mitarika ny fakan-kevitra aty an-toerana ny Tale jeneralin’ny serasera, Fanahimanana Tiaray, sy ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rakotonirina Gérard. Hisy ny atrikasa hatao amin’ny faran’ity volana Jolay ity mba hanambarana ireo hevitra rehetra nivoitra nandritra ny fakan-kevitra isam-paritra, hahafahana manolotra tolo-dalàna eny amin’ny Antenimieram-pirenena.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 juillet 2019 19:10
    • Tigre

    Arrêt n°45-HCC/AR du 02 juillet 2019 portant proclamation des résultats officiels des élections législatives du 27 mai 2019

    LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE A R R Ê T E Article premier.- Les requêtes en contentieux des élections législatives du 27 mai 2019 font l’objet des arrêts suivants : Arrêt n°40-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à l’irrecevabilité des requêtes concernant les élections législatives du 27 mai 2019 ;Arrêt n°041-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des rejets de requêtes concernant les élections législatives du 27 mai 2019 pour insuffisance ou absence de preuve ;Arrêt n°042-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des infractions pénales lors des élections législatives du 27 mai 2019 ;Arrêt n°043-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des requêtes en disqualification de candidats lors des élections législatives du 27 mai 2019 ;Arrêt n°044-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif aux demandes de vérification de documents électoraux.Article 2.- Les résultats des bureaux de vote figurant au Considérant 11 sont invalidés.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 juillet 2019 12:21
    • Britto
    • Sary Njaka sy sary nomena

    Antoko politika: Hijoro ho antoko mpanohitra ny Tiako i Madagasikara

    Nanambara ny fijoroany ho atoko mpanohitra ny Tiako i Madagasikara androany maraina, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny birao politika nandritra ny fivoriana nataony omaly. Nanatitra atotan-taratasy tetsy amin'ny atitany ramatoa Ramalason Olga avy amin'ny antoko TIM. Nambarany fa mijoro ho antoko mpanohitra manomboka izao ny antoko Tim ary mbola miandry ny alalana ny amin'ny mety izay filoha mpitarika azy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 juin 2019 22:47
    • Britto
    • Sary nindramina

    Tabera Randriamanantsoa: “Tokony hisy fisaonam-pirenena”

    Naneho ny heviny manoloana ny loza nitranga teo Mahamasina ny harivan’ny 26 jona 2019, nankalazana ny fetim-pirenena, ka namoizana ain’olona 16 sy naharatra olona zato teo ho eo, ny filoha nasionalin’ny antoko Kintana, sady mpandritra ny CRN, Tabera Randriamanantsoa. Milaza ity farany fa tokony hisy ny fisaonam-pirenena satria maro loatra ny aina nafoy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 juin 2019 22:40
    • Britto

    Fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina: Fifidianana roa samihafa fa tontosaina miaraka

    “Fifidianana roa samihafa ireo fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsainan’ny Tanàna, hotanterahana amin’ny alatsinainy 28 ôktôbra 2019, ary samy hanana ny vata mangaraharany sy hanana ny fombafombam-pifidianany azy avy, araka ny nambaran-dRakotonarivo Thierry, Filoha lefitry ny CENI omaly alakamisy 27 jona. Ho an’ny fifidianana Ben’ny Tanàna dia ny “suffrage universel direct au scrutin uninominal majoritaire à un tour” na ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana, indray mihodina, fifidianana olon-tokana ary handresen’izay hahazo vato betsaka indrindra. Ho an’ny fifidianana mpanolo-tsaina kosa indray, izay andraisan’ny rehetra anjara mivantana ihany koa dia ny « scrutin de liste à la représentation proportionnelle suivant la règle du quotient électoral et la règle du plus fort reste ».
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 22:36
    • Britto

    Kaominina eto Madagasikara: Tarehimarika tsara ho fantatra

    1695 ny isan’ny Kaominina eto Madagasikara. Kaominina ambonivohitra ny 76 amin’ireo, mitsinjara hoe Kaominina tsy voasokajy (Hors catégorie) 1 dia Antananarivo Renivohitra, Kaominina ambonivohitra sokajy voalohany ny 8, ary Kaominina ambonivohitra sokajy faharoa ny 67. 1619 kosa ny totalin’ny Kaominina ambanivohitra eto Madagasikara izay mitsinjara ho Kaominina ambanivohitra sokajy voalohany ny 99 ary Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa ny 1520.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 21:56
    • Britto
    • Sary: facebook Paul Kagame sy Gasypatriote

    Fiaraha-misakafo teny Iavoloha: Fa taiza ny sasany ?

    Nisy ny fiaraha-misakafo hariva teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny 26 jona 2019, nandraisana ny filoha Paul Kagame mivady, izay vahiny manokana tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy. Miteny ho azy ny sary hita ao amin’ny pejy facebook an’i Paul Kagame, filoham-pirenen’i Rwanda. Filohan’andrimpanjakana miisa telo no iray latabatra taminy nandritra izany dia ny filoha Andry Rajoelina mivady, ny praiminisitra Ntsay Christian ary ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. Betsaka no manao fanamarihana raha nahita ny sary hoe : fa aiza ry Rakotovao Rivo, filohan’ny Antenimierandoholona sy Rakomamonjy Jean Max, filohan’ny Antenimieram-pirenana, ankoatra ny hafa no tsy tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Notsongaina ny olona nasaina tamin’io fiaraha-misakafo io, sa inona no zava-nitranga ?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 20:13
    • Britto
    • Tahirin-tsary

    Rakotomamonjy Jean Max: Tsy nasaina sa hadino ?

    Lehiben’ny andrimpanjakana iray tsy mba tazana teny Mahamasina omaly, nankazalana ny faha-59 taona nitsengeran’ny fahaleovantena sady fetin’ny Foloalindahy, Atoa Rakotomamonjy Jean Max. Voamariky ny maro io tsy fahatongavany io. Filohan’ny Antenimieram-pirenana amperinasa izy, araka ny didy navoakan'ny HCC mandram-pahatongan'ny mpisolo toerana azy vaovao. Eto Madagasikara ihany koa. Tany Andapa, fari-pifidianana nahavoafidy azy ho solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ny 2013, i Rakotomamonjy Jean Max ny andron’ny 26 jona 2019. Araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny Antenimieram-pirenana dia niandry ny fanasana azy ity filohan’ny andrimpanjakana ity hatramin’ny 24 jona, fa tsy nisy na tsy tonga izany, koa dia lasa nandeha any Andapa izy nanome voninahitra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2019.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 15:19
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019

    Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019. Célébration du 59ème de l’indépendance de Madagascar 26 juin 2019, en photo.  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 96