Politique

    • jeudi, 26 avril 2018 20:31
    • Britto
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Miantso ny vahoaka ho sahy hanilika ny jadona ny Herivelona ho an'ny fanovana

    Vory maro tao amin'ny Kianja Maitre Zaka ny olona teto Ambatondrazaka androany alakamisy 26 aprily araka ny fampiantsoana nataon’ny Herivelona ho an'ny fanovana na teo aza ny ramatahora nataon'ny mpitondra ny Faritra Alaotra Mangoro. Nilaza ny Ben'ny Tanàna Kaominina Ambohitsilaozana fa ankoatra ny fanohanana ny hetsika tarihin’ireo solombavambahoaka 73 dia maro ireo tsindry hazo lena mahazo ny mponina aty Alaotra Mangoro ka hitakiana ny fialàn'ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 avril 2018 20:06
    • Britto
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Marc Ravalomanana: “Tsy izaho velively no hanongam-panjakana”

    Tonga eto Mahajanga androany ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana. Nisy ny fifampiresahany mivantana tamin'ireo mpiara-dia aminy teny amin'ny Magro Mahajanga Be, nandritra izany no nampahafantarany ny fandehan’ny hetsik’ireo Solombavam-bahoaka ho an’ny fiovana miisa 73. Nanambarany mazava fa mijanona eo amin'ny samy depiote ihany ny fiarahana misy eo amin'ny TIM sy ny MAPAR ho fanoherana ny fandaniana ny lalam-pifidianana. “Tsy misy idiran'ny antoko TIM io fiarahana eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey io”, hoy i Marc Ravalomanana. Famangina manjo sy fiaraha-miory no antom-pijoroany teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 avril 2018 19:49
    • Tigre
    • Photo SADC

    Communiqué du Sommet de la Double Troïka des Chefs d'État et de gouvernement de la SADC

    Luanda (République d’Angola)24 avril 2018 1. Le Sommet de la Double Troïka des Chefs d'État et de gouvernement de la Communauté de développement de l'Afrique australe (SADC) s’est réuni à Luanda (République d'Angola) le 24 avril 2018. 2. A ouvert officiellement les travaux du Sommet, Son Excellence Cyril Ramaphosa, Président de la SADC. 3. Ont participé au Sommet de la Double Troïka, les Chefs d'État et de gouvernement ou leurs représentants suivants :Afrique du Sud : S. E Cyril Ramaphosa, Président de la SADC et Président de la République d’Afrique du Sud
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 avril 2018 14:28
    • Britto
    • Sary nomena

    Hery Rajaonarimampianina: Nandray helikôptera avy hatrany niazo an’Antananarivo

    Toarian’ny lanonana fohy nametrahana ny vatofehizoron’ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina dia nandray helikôptera, izay efa niandry azy tato amin’ny seranana, ny filohan’ny Repoblika niazo avy hatrany an’Antananarivo, fa "mbola hitarika fivoriana maika", raha ny loharanom-baovao. Fiaramanidina no nitondra azy teto Ambalamanasy tamin’ny 10ora maraina nahatongavany. Nisy ny kabary fohy nataony nanoloana ireo mpikambana HVM vitsivitsy, sy avy amin’ny fikambanana Antandroy sy FIMAMI ary mpiasan’ny Faritra Atsinanana nitsena azy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 avril 2018 00:12
    • Super User
    • Sary Gasypatriote

    Fanambaran'ny Filoham-pirenena androany 22 avrily 2018

    Mbola amafisiko, mametraha fialana ianao andriamatoa Filoha Hery Rajaonarimampianina, ary atolory ny Tafika ny fahefana. Tsy misy vahaolana tsy misy tsininy, na mendrika tanteraka, fa ny Tafika amiko no manana pouvoir exécutoire, izany hoe afaka mampihatra ny zavatra tapaka. Ny entité hafa, na miandany, na tsy manana fahefana, dia lasa resaka ambony latabatra, hiafara amin'ny tetezana, nefa ny fifidianana andraisan'ny rehetra anjara no tanjona. Izaho dia manohitra tanteraka ny hidiran'ny vahiny amin'ny raharaha anatintsika ary raisiko ho mpivarotra Tanindrazana izay miantso sy mampiditra an'ireny amin'izao raharaha izao. Fantatro tsara ny Lalampanorenana Malagasy, fa moa ve najaina izany? Amiko tsy misy Lalampanorenana najaina teto, raha tsy hilaza ny art 72 aho, izay milaza mazava fa tsy misy député afaka mifindra antoko ankoatr'izay nahavoafidy azy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 avril 2018 22:27
    • Britto

    Déclaration de l'Union européenne à Madagascar concernant les évènements du 21 avril 2018 à Antananarivo

    1. L’Ambassadeur de l’Union Européenne et les Ambassadeurs des États Membres, l’Allemagne, la France et le Royaume Uni, expriment leur compassion et leur solidarité avec les familles des victimes des événements du 21 avril à Antananarivo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 avril 2018 17:55
    • Britto

    CRAM: Mangataka ny fametraham-pialan’ny tompon’andraikitra voalohany tamin’ny «rà mandriaka» omaly

    Manameloka ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana manao fitaovana ny mpitandro filaminana namoretana sy nentina nanampenam-bava ny vahoaka nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka am-pilaminana, teo Analakely ny sabotsy 21 avril 2018 ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar » (CRAM) tamin’ny fanambarana nataon’ity farany androany. Manameloka ihany koa ny fampiasan-kery tamin’ny solombavam-bahoaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy tamin’ny mponina sivily ary nitifirana ny mpiray tanindrazana aminy ka nahatonga izao habibiana izao, izay tsy mendrika intsony amin’ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny. Mangataka ny fametram-pialan’ny tompon’andraikitra voalohany tamin’izao «rà mandriaka» izao ny CRAM mba tsy hitohizan’izany fandrimpahana ny ain’ny mpiray tanindrazana izany intsony manomboka ny alatsinainy 23 aprily 2018 mba hifikirana eo amin’ny fitondrana.  
    Lire la suite ...
  • Photo: Reste grenade lacrymogène
    Photo: Reste grenade lacrymogène
    • dimanche, 22 avril 2018 17:33
    • Britto
    • Photo Fournie

    Conjoncture: Le CNIDH appelle le Gouvernement et les manifestants conduits par les députés de l’opposition, à la mesure

    Face aux événements du samedi 21 avril 2018, la Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme (CNIDH) appelle les parties, tant le Gouvernement que les manifestants conduits par les députés de l’opposition, à la mesure. Au CNIDH de continuer que les débordements, le recours aux « gros bras » et l’usage d’armes de guerre ne peuvent qu’aggraver les tensions déjà fortes du fait que la manifestation et sa répression ont fait des victimes.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 avril 2018 19:25
    • Britto
    • Sary nomena

    Fikambanana M.E.D: Mitaiza ny olom-pirenena ho amin’ny fanarahan-dalàna

    Fikambanana mijoro ara-panjakana tamin’ny 10 novambra 2017 ny MED na “Madagascar Etat de Droit” ary ivondronan’ireo sehatra samihafa mitovy firehan-kevitra ho amin’ny fampiharana ny “Tany tan-dalàna” izay zo fototra sy soatoavina iorenan’ny firenena repoblikana. Sehatra iray ifanankalozan-kevitra sy ifampitaizana ary ifampitana traikefa eo amin’ny olom-pirenena tsirairay avy no tanjon’ny MED ary misokatra ho an’ny rehetra, araka ny fanambaran’ny Filohan’ny fikambanana Andrianjanahary Philippe nohamafisin’ireo filoha lefitra isany Ranaivoson François sy Razafindrabe Josoa. Milaza ny MED fa vonona ny hanome tanana ny mpitondra, sy hampahalala ihany koa ary hitaiza ny olom-pirenena tsiriray avy ho any amin’izany fanarahan-dalàna izany.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 avril 2018 22:20
    • Britto
    • Sary Antenimierandoholona

    Raharaham-pirenena: Fanambaran’ireo Loholon’i Madagasikara

    Manoloana ny toe-draharaha misy amin’ny Firenena  ankehitriny dia  manana adidy sy andraikitra ireo Loholon’i Madagasikara  mampahafantatra ny zava-misy sy manao tatitra momba ireo  volavolan-dalàna  lany, amin’ny vahoaka Malagasy. Nisy androany ny fanambarana sy antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy nataon'ireo Loholona avy eto Antananarivo notronin’ireo namany avy any faritra hafa tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo androany alakamisy 19 aprily tolakandro tetsy amin’ny Lapa Maitso Anosikely Antananarivo.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 61