Politique

    • lundi, 06 mai 2019 09:27
    • Anonymous
    • Photo Archives CENI

    La démocratie a un prix

    Re Bonjour, voilà que les propagandes vont recommencer avec les législatives sans le fameux référendum évidemment. Les Pom Pom girls danseront de nouveau sous des musiques tropicales sur des plateformes mobiles ou fixes afin d’attirer des spectateurs. Les prétendus œuvres de bienfaisance se multiplieront et chaque candidat tentera de se surpasser avec comme mot d’ordre sans le dire « fividianana fa tsy fifidianana » (corruption mais non élection) ! Pour être élu on achète des électeurs. Dans ce but, des millions, voire des milliards sont dépensés en l’espace de quelques semaines !! Madagascar dépasse même des pays riches comme les Etats-Unis et ceux de l’Union Européenne. Telle est la situation pour ceux qui se risquent dans cette aventure.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 mai 2019 22:08
    • Britto
    • Tahirin-tsary CENI

    Fifidianana depiote: Ireo tarehimarika tsara ho fantatra

    Miisa 803 ireo kandida nahafeno fepetra araka ny lisitra navoakan’ny CENI tamin’ny 19 martsa 2019. Toerana miisa 151 no ifaninanana. Miisa 25 388 ny birao fandatsaham-bato. Hatreto dia 10 302 194 ireo mpifidy voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Amin’ny 15 mey no voalazan’ny lalàna fa ikatonan’ny lisi-pifidianana. 10 674 075 ny isan’ny biletà tokana natonta tatsy Afrika Atsimo.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 04 mai 2019 12:56
    • Britto
    • Sary nindramina

    Fifidianana depiote: Hatolotra etsy Ambohijatovo anio ireo kandidan’ny TIM-K25

    Ho ambohimpihaonan’ny Tiako I Madagasikara-K25 eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo – Antananarivo anio. Hampahafantarina sy entina am-bavaka mandritra ny hetsika hotanterahina eny an-toerana ireo kandida solombavambahoaka narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM)- K25. Nahazo alalana tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny hampiasana ny toerana, nahazo alalana avy amin'ny Prefektioran’Antananarivo ihany koa ny fanatanterahana ny hetsika. Miisa 109 ny kandidan’ity antoko tarihin’i Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teo aloha ity, manerana ny Nosy. Hisokatra amin’ny alatsinainy 6 mey 2019 izao ny fampielezan-kevitra izay haharitra 21 andro, hifarana ny 25 mey 2019 misasak’alina. Ny alatsinainy 27 mey 2019 no tanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny latsabato. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 mai 2019 11:28
    • Britto
    • Tahirin-tsary

    Fifidianana depiote: Hiendrika A4 ny lisi-pifidianana hampiasaina

    Hiova endrika ny lisi-pifidianana hampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny alatsinainy 27 mey 2019. Hihena ny velarany, tsy hitovy amin’ny valonana A3 toy ny nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny 2018 fa ho amin’ny endrika A4, toy ny taratasy mahazatra, no hampiasaina. Nanamafy izany ny avy eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Aty amin’ny CENI foibe ihany koa no hatonta ny lisi-pifidianana amin’ity, fa tsy ho eny anivon’ireo rantsamangaikany isaky ny Faritra toy ny teo aloha. Tsy nahazoana fanazavana kosa na antony ara-bola na fitsitsiana no nitarika amin’io fanakelezana ny haben’ny lisi-pifidianana io. Tsy mbola misy ihany koa ny fanazavana ara-teknika, fa raha tsy taratasy manokana (papier spécial) no hanaovana ny lisi-pifidianana A4, hoy ireo kandida depiote vitsivitsy nanontaniana, dia mety ho samy afaka hanota lisitra daholo ny besinimaro ka hiteraka ahiahy amin'ny fifidianana.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 mai 2019 09:02
    • Britto
    • Sary nindramina

    Marc Ravalomanana: Laharam-pahamehana ny fanabeazana ireo ankizy

    Nitsidika ny EPP Amboandelaka, Kaominina Andranovory, Faritra Atsimo Andrefana, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nahita maso ny zava-misy mikasika ny fanabeazana eto an-toerana. « Santionan'ny fahantrana mihatra amin'ny vahoaka izao, ary itony no heveriko fa tena ilana famatsiam-bola haingana », hoy izy. Nilaza teto i Marc Ravalomanana fa « ny mpitondra vonona dia mila mamolavola olom-pirenena vanona amin'ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ireo ankizy ». (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 29 avril 2019 11:07
    • Tigre
    • Sary nomena

    Anosiavaratra Boriborintany faha III: Nafana ny fandraisana an'i Feno Ralambomanana

    Totorebika sy hafaliana no nandraisan'ny mponina sy ireo mpanohana azy an'ity mpandraharaha nirotsaka ho kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III ity. Mbola tanora tokoa i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, nefa niasa mangina hatrany izy na teo anivon'ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), na teo anivon'ny Boriborintany faha III. Niomana aho hoy hatrany izy, ary anisan'ny ezaka atao ny hanolotra volavolan-dalàna mikasika ny sosialim-bahoaka, satria dia tram-pahasahiranana ny Malagasy maro. Iray lisitra moa i Feno Ralambomanana sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira eto amin'ny Boriborintany faha III. (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 avril 2019 18:50
    • Britto

    Antenimierandoholona: Raha foanana, mbola mitombina ny Repoblika faha-IV ?

    Nanambara ny Loholona Betiana Bruno, androany, fa mpiasam-panjakana daholo ireo mpiasa miisa 560 ireo ka na foanana aza ny Antenimierandoholona dia tsy maintsy aloan’ny Fanjakana ihany ny karaman’ireo mpiasa ireo. Mametra-panontaniana ihany koa ity Loholona ity fa raha foanana ve ny Antenimierandoholona dia mbola mitombina ny Repoblika faha-IV ? Nampahatsiahy ny Loholona Rakotovazaha Olivier fa ny taona 2003 raha ho foanana ny Antenimierandoholona dia nitsipaka ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ary mijanona ho didy fakantahaka (jurisprudence) izany. Manome endrika ratsy ny Fitsarana izany raha mifanipaka amin’io ny lazain’ny HCC ato ho ato.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 avril 2019 10:38
    • Super User

    Te hampandroso ny Faritra aingana dia aingana?

    Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy, tsy ilana vola be, tsy mila fotoana ela, tsy ilana fanovana Lalampanorenana, na vola azo avy amin'ny fandravana ny sénat: Aoka aloha hazava fa ny teti-bolan'ny Sénat 1 taona dia 34 miliara ariary, manoloana ny tetibolam-pirenena 6000 miliara ariary, izany hoe 0.57% n'ny tetibola. Ilaina daholo ny fitsitsiana, fa tsy ny teti-bolan'ny senat irery akory no ampandroso ny faritra sy Madagasikara. Ny teti-bolan'ny - FIADIDIANA NY REPOBLIKA : 178 450 343 000 ariary (3% budget national)- ANTENIMIERAN-DOHOLONA: 33 823 000 000 ariary (0.57%)- ANTENIMIERAM-PIRENENA: 59 931 550 000 ariary (1%)- HCC: 9 954 000 000 ariary (0.16%)- FIADIDIANA PRAIMINISTRA: 198 859 297 000 ariary (3.32%)- FITANTANAM-BOLA-TETIBOLA: 1 577 539 740 000 ariary (26.3%)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 avril 2019 15:48
    • Britto
    • Sary CENI

    Fitsapankevi-bahoaka: Samy hanana 15 minitra isan’andro ireo komity manohana ny TSIA sy ny ENY

    Tontosa androany maraina tetsy Nanisana ny fisarihana ny filaharan'ny fandraisam-pitenenan'ireo komity mpanohana ao amin'ny haino amanjerim-pirenena (RNM sy TVM). Ny TSIA no handray fitenenana voalohany raha toa ka ny ENY kosa no handray fitenenana faharoa. Samy hahazo anjara fitenenana ireo komity manohana ny TSIA sy ny ENY manomboka ny 27 aprily hatramin'ny 25 mey 2019 izany hoe : mandritra ny telopolo andro haharetan’ny fampielezan-kevitra mikasika ny fitsapankevi-bahoaka hanovàna ny Lalàmpanorenana. Manana 2 minitra sy 30 segondra in-telo avy ny andaniny sy ny ankilany isan’andro, izany hoe hisy 15 minitra atokana hanehoan'izy ireo hevitra isan’andro, ka amin’ny 6h50, 12h50 ary 19h20 ny ao amin’ny TVM ; amin’ny 6h50, 13h35 ary 18h50 kosa ny ao amin’ny RNM.
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 avril 2019 21:41
    • Britto
    • Sary Njaka

    Marc Ravalomanana : “Angaha mikatso ny raharaham-pirenena ?”

    Inona no nanaovana fianianana fa hanaja Lalampanorenana rehefa tsy hanaja. Fanamarihana nentin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io, omaly, raha naneho ny heviny ny antoko Tiako I Madagasikara tarihiny, mikasika ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hikitika sy hanavao ny Lalàmpanorenana, ka hanaovana fitsapankevi-bahoaka mirazotra amin’ny fifidianana solombavambahoaka, hotanterahina amin’ny alatsinainy 27 mey 2019. Nametra-panontaniana i Marc Ravalomanana nanao hoe : “Angaha mikatso ny raharaham-pirenena no misy fanovana atao amin’ny Lalàmpanorenena ? Na izany aza dia nilaza ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara fa tsy olana ilay manitsy na manova Lalàmpanorenana saingy tokony atao ao anatina fifampidinihana izany.
    Lire la suite ...
Page 5 sur 83