Politique

    • samedi, 25 mai 2019 13:28
    • Britto
    • Tahirin-tsary nindramina

    Rakotonarivo Thierry: Manazava ireo tsara ho fantatra ny androm-pifidianana depiote

    Araka ny lalàna velona dia hisokatra amin’ny 06 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva ny latsa-bato. Nanazava ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry, “fa raha misy ireo mpifidy tonga amin’ny 5 ora hariva dia tsy azo hakatona ny biraom-pifidianana raha tsy efa nahavita nandatsa-bato avokoa ireo olona rehetra tonga”. Afaka maneho ny safidiny avokoa ireo rehetra izay voasotra anarana anaty lisi-pifidianana ka mitondra kara-panondrom-pirenena na ny fahazoan-dalana mamily fiara na pasipaoro. Amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity dia tsy afaka ny hifidy any amin’ny toerana hamitany iraka ireo mpiasam-panjakana na ireo mpiasan’ny CENI na ireo rehetra izay mamita iraka tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo. “Raha toa ka tsy ao anaty fari-pifidianana nisoratana anarana no hamitana iraka, dia tsy azo atao ny mifidy. Tsy misy mahazo mifidy ivelan’ny fari-pifidianana nisoratany anarana na mpiasam-panjakana mamita iraka, na mpanara-mason’ny fifidianana na iza na iza”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny Filoha lefitry ny CENI.
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 mai 2019 10:50
    • Tigre
    • Sary nomena

    BEBOARIMISA Ralava: Vonona i Manakara handray ny faradoboka

    Vao mangiran-dratsy dia efa nanomboka ny fikarakarana ny faradoboka ataon'i Zanaky Manakara, BEBOARIMISA Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana. Manomboka amin'ny 1ora tolak'andro ny fotoana carnaval, miainga eo amin'ny foiben'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mamakivaky ny tanàna ary mihazo eny amin'ny terrain Tanakidy. Amin'ny 3ora tolak'andro kosa no manomboka ny podium iarahana amin'i Lico Kininike, Mario ary Big MJ. Ifandimby handray fitenenana ireo vondrona sy fikambanana manohana ny kandida laharana faha 2, BEBOARIMISA Ralava. Hisy bal populaire ny hariva. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 mai 2019 08:51
    • Tigre
    • Sary nomena

    Faradoboka Rastany: Norahonana ny fanaovana faradoboka ety Ambohipo ka afindra Ampamatanana

    Miamafana ny raharaha ety Ambohipo, raha nilamina ny fampielezan-kevitra hatramin'izay teto Antananarivo, Boriborintany faha II, izay samy nifandimby nanao fampielezan-kevitra teto amin'ny terrain basket, tokotany malalaky ny Fokontany, dia nangataka fahafahana hanao faradoboka eo ihany koa i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana. Nahazo taratasy ara-dalana tamin'ny fokontany ny ampiasana ny toerana, nahazo ihany koa avy amin'ny Distrika, ary ny alina manontolo dia efa nametraka ny estrade, anio maraina no ametaka ny sono, no nilatsaka ny fandrahonana samihafa.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 mai 2019 21:37
    • Britto
    • Sary nomena

    Feno sy Bodo: Nitety an'Ambohitrakely sy Mandialaza Boriborintany faha III

    Amin'izao faramparan'ny fampielezan-kevitra izao, dia Ambohitrakely sy Mandialaza no notetezin'i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Maro ireo olona mankahery ireto kandida, izay tena mahatsiaro akaiky azy ireo tokoa, ka atokisana hitondra ny tenin'izy ireo sy hampandroso ny Boriborintany faha III. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 mai 2019 17:40
    • Tigre
    • Sary nomena

    Lanto sy Jaojoby: Nanentana ny tao Morarano Boriborintany faha II

    Morarano indray no notsidihan'i kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II, sy ireo mpiaradia aminy. Vory maro ny olona nanotrona ny kandida laharana 01, akaikin'ny vahoaka hatrany. Maro ny fotodrafitrasa kasaina hatao ety Morarano hoy i Lanto Rakotomanga, tsy maintsy mifanampy isika, ary ny filoha tsy manadino antsika, efa nofidinareo izy, ary manentana anareo aho tsy hiala amin'ny olona nosafidiany hisolo tena azy ao amin'ny Antenimierampirenena.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 mai 2019 14:52
    • Tigre
    • Sary nomena

    Beboarimisa Ralava: Voatety i Sahasinaka

    Tsy namelan'i Zanaky Manakara BEBOARIMISA Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana, raha tsy nihaona tamin'ireo mponina taty amin'ny Departemantan'i Sahasinaka. Nanomboka tao Fenomby, Mahabako, avy eo Onilahy, Ampasimboraka, Saharefo ary nifarana tao Vohimanitra. Ireo Kaominina ireo dia tsy misy tongan'ny fiara na môtô avokoa. Nifanosina tamin'ireo vahoaka taty ny tenany. Na ny hain'andro na ny orana na ny dia an-tongotra ora maro isan'andro dia tsy nisy nahasakana ny Minisitra Beboarimisa Ralava sy ny mpiara-dia aminy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mai 2019 12:10
    • Tigre
    • Sary Gasypatriote

    Boriborintany faha II: Hiady ny hisian'ny Lycée mpanjakana i Rastany

    Aty amin'ny Boriborintany faha II, dia misy EPP, misy CEG, misy Oniversité, hoy i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana, nefa dia tsy misy Lycée-mpanjakana. Ka anisan'ny vina entintsika, hoy Rastany ny fanofanana ny tanora, ny fampianarana, ka dia hiadivantsika ny hisian'ny Lycée ety amin'ny Boriborintany faha II. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mai 2019 10:54
    • Tigre
    • Sary nomena

    Masy Goulamaly: Tsy miala aminao izahay hoy ny ato amin'ny Fokontany Andranomasy, Kaominy Ankilevalo

    Nanaitra ny nahita ny haravoana teto Ankilevalo, Distrika Tsihombe, niharaba fa tsy maty fo aman'aina, ary nivoaka ny fonja ny Kandida Masy Goulamaly. Rehefa natao ny dinika, dia misy manely tsaho fa tsy hilatsaka kandida ho solombavambahoakan'i Tsihombe ity Kandida laharana faha 6 ity, fa voasambotra ary migadra. Misy amin'ireo kandida hafa no nampiely ilay tsaho manodidina ny Kaominy. Niteny ireo Ray amandreny nananatra, fa aza mamaly ny fihantsian'ireo kandida ireo ianao fa avelao izahay vahoaka no hamaly azy amin'ny Alatsinainy 27 mey.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 mai 2019 12:38
    • Tigre
    • Sary nomena

    Lanto sy Jaojoby: Miaraka amin'ny vava ny asa avy dia atao, Ambanidia-Mandroseza-Ambohipo

    Nanatanteraka ny teny nomeny i Lanto RAKOTOMANGA, hafaliana ny an’ireo mpivarotra tao amin’ny tsenan’i Ambanidia raha toa ka tafaverina ny herinaratra, izay efa maty nandritry ny volana maro, nahazo compteur vaovao ity tsena ity, ary nasiana jiro ihany koa. Nitohy hatrany ny fitsidihana ny Boriborintany faha II, ka nihazo an'i Mandroseza sy ny tao Ambohipo ny fanentanana nataon'i kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II. Raha ny fandalovany teny Ambohipo Tanàna manoloana ny làlana izay ratsy dia ratsy tokoa, dia nampanantena i Lanto Rakotomanga, fa hiady mafy aho hoy izy, tsy maintsy hamboarina ity làlana ity.  (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 mai 2019 12:09
    • Tigre
    • Sary nomena

    Soafilira Princia: Nahazo ny Tso-dranon'i Ampanjakan'i Maromandia

    Tso-drano no zavadehibe amin'i fiainana hoy ny Malagasy, nahazo tso-drano tamin'i Ampanjaka tato amin'i Kaominina Maromandia, Distrika Analalava ny kandida laharana faha 6, SOAFILIRA Princia. "Tsara jôro anao madamo SOAFILIRA Princia, manantena anao ny vahoakan'i Agnalalava zokivavy";Izany no tso-drano tamin'i Ampanjaka izay nahavory olo maro teto amin'i Kaominina Maromandia, Distrikan'Analalava. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 4 sur 87