Politique

    • mardi, 11 juin 2019 14:29
    • Britto
    • Sary nindramina

    Aina Kuric: Nametra-pialana tsy ho depioten’ny « La République en Marche »

    Ny zoma 7 jona 2019 no nanambaran’ilay Malagasy mizaka zom-pirenena frantsay, Aina Kuric, ny fametraham-pialany tsy ho mpikamban’ny LREM (La République en Marche) antokon’ny filoha Emmanuel Macron intsony. 32 taona izao i Aina Kuric, tamin’ny aprily 2016 izy no mpikambana LREM. Nanamarika izy fa tsy miala amin’ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera Frantsay, saingy depiote tsy miankina manomboka izao. Tsy manana fitokisana ireo hery velona ao aminy ny LREM, hoy i Aina Kuric, ary tsy manana finiavana hidina ifotony. Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroako aho, hoy hatrany i Aina Kuric, maneho hatrany ny hevitro aho na manaiky na tsia ny politikam-pitantanana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 juin 2019 16:37
    • Britto
    • Sary nomena

    Befandriana Avaratra: Mitaky ny hialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka

    Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy mitaky ny fialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka eto Befandriana Avaratra. Fanararaotam-pahefana, fikasihan-tanana olona, fanagadrana mpiasam-bahoaka noho ny olana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo no anisan’ny nahatezitra ny olona ka tonga amin’izao fidinana an-dalambe izao. Mitarika vonjimaika ny kandida Jonah Parfait Prezaraly (MA.TI.TA) ; 9000 ny elanelam-bato manasaraka azy amin’ny faharoa vonjimaika, Lylyette Rene De Rolland (IRD). Miandry ny vokatra ofisialy ny vahoaka eto Befandriana Avaratra. Re fa efa navotsotra ilay olona notazomina am-ponja. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 08 juin 2019 19:23
    • Britto
    • Sary nomena

    Madagasikara - Aostralia: Manamafy ny fiarahany miasa

    Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo, ny zoma 07 jona 2019, ny Ambasadaoro aostralianina miandraikitra an’i Madagasikara, Ramatoa Jenny Dee. Ny fanohizana ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’i Madagasikara sy Aostralia no nifantohan’ny diniky ny roa tonta. Mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny lafiny sosialy eto Madagasikara i Aostralia, amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, toy ny fanavaozana ny sampana “Traumatologie” ao amin’ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana, izay novatsian’ny fandaharan’asa fanavaozana fotodrafitr’asan’ny masoivoho aostraliana, ary tohanan’ny ONG « Australian Doctors for Africa ».
    Lire la suite ...
    • samedi, 08 juin 2019 11:21
    • Britto
    • Sary nindramina fampiaingoana

    Fetim-pirenena: Vahiny manan-kaja manokana ny filohan'i Rwanda Paul Kagame

    Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa hisy ny vahiny manan-kaja hiaraka hankalaza ny faha-59 taona niverenan'ny fahaleovantena malagasy, dia ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame. Filohan'i Rwanda nanomboka tamin'ny taona 2000 i Paul Kagame. 61 taona izy izao, Katolika ny finoana. Hentitra ara-pitantanana izy ary mahay mitarika, izay fototry ny fandrosoan'i Rwanda ankehitriny, firenena izay rotiky ny ady an-trano sy vonomoka, misy anefa ireo manondro an'i Paul Kagame ho mpanao didy jadona. Voasokajy ho "Olon'i Afrika" tamin'ny taona 2017 i Paul Kagame, niaraka tamin'i Marc Ravalomanana (Leadership politique) sy olona dimy hafa araka ny fanadihadiana nataon'ny gazety boky "African leadership magazine". Ny gazety boky ara-toekarena amerikanina Forbes ihany koa dia nanasokajy an'i Paul Kagame ho "Olon'ny taona 2018".    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 06 juin 2019 16:33
    • Britto
    • Sary nindramina sy nomena

    Ankorondrano – Antananarivo: Lanonana fankalazana ny faha-93 taonan’ny Mpanjakavavin’i Angletera

    Nankalazaina ny talata 04 jona 2019 ny fitsingerenan’ny faha-93 taona nahaterahan’ny Mpanjakavavin'i Angletera, Elisabeth II. Tetsy amin'ny Masoivohon’i Royaume Uni Ankorondrano – Antananarivo no nanatanterahana izany, izay natrehan'ireo manamboninahitra maro sivily sy miaramila ary ireo Masoivoho mipetraka sy monina eto Madagasikara. Anisan’ny nasaina manonkana tamin’izany ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Rakotovao Rivo, teo koa ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, Rakotoarisoa Eric. Teraka tamin’ny 21 aprily 1926 ny Mpanjakavavy Elisabeth II tany Mayfair (Londres), ary nosalorana ny maha Mpanjaka azy ny 06 febroary 1952 teo amin'ny faha 25 taonany. Efa nanjaka 67 taonaary nahita praiminisitra 14 nifandimby, fitondrana lava indrindra teo amin’ny tantaran’ny Anglisy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 06 juin 2019 14:37
    • Britto

    Haute Cour Constitutionnelle: Appel aux candidats et leurs partisans à faire preuve d’humilité, de retenue, d’honnêteté et de responsabilité

    Dans un communiqué publié sur son site web, ce mercredi 5 juin 2019, la Haute Cour Constitutionnelle, compte tenu du taux élevé d’abstention, a fait appel à tout un chacun, en particulier les candidats et leurs partisans « à faire preuve d’humilité, de retenue, d’honnêteté et de responsabilité ». Et de préciser que « toute pression ou manipulation de l’opinion publique ne sont d’aucun effet sur le respect de la volonté des électeurs ». Dans le même communiqué, la HCC a pris des dispositions, dans le cadre du traitement des élections législatives : La HCC ramasse directement des plis électoraux destinés à la Cour au niveau des six arrondissements de la Commune urbaine d’Antananarivo, de tous les districts de la Province d’Antananarivo à l’exception de celui de Fenoarivobe, des districts longeant la RN7 jusqu’à Fianarantsoa, du district de Moramanga depuis le 28 mai 2019. Les plis des autres districts ont été acheminés par la CENI.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 05 juin 2019 12:34
    • Britto
    • Sary nindramina

    Justin Vali: Miantso ireo kandida tsy miankina hanambatra hery hampandrosoana ny tanàna

    Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook i Rakotondrasoa Justin, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe : Justin Vali, miantso ireo kandida tsy miankina rehetra manerana an’i Madagasikara, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019. “Andao atambatra ny hery hanangana fikambanana handray andraikitra hampandroso ny tanintsika”, hoy izy, satria “maro ireo olona tia antsika ary miandry antsika ka tokony hotohizana ny fifandraisana sy ny fanaovantsoa ny mpiarabelona”. Kandida solombavambahoaka, faha-4 tamin’ny biletà tokana, nirotsaka tamin’ny lisitra tsy miankina tao amin’ny Distrika Andramasina, Faritra Analamanga i Justin Vali. Toerana solombavambahoaka tokana no ifaninanana ao Andramasina. Faha-4 vonjimaika i Justin Vali amin’ny isam-bato azony, araka ny fironana ao amin’ny tranokalan’ny CENI. Fanindroany nirotsahany hofidiana ny tamin’ity. Efa kandida izy tamin’ny 2007.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 05 juin 2019 11:43
    • Britto

    Fifidianana depiote: Distrika efatra nahita mihoatra ny 60% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy

    Raha nisy fidinany ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019, araka ireo tatitra savaranonandro nataon’ireo fiarahamonim-pirenena sy mpanaramaso ny fifidianana, eny hatramin-dry zareo eo anivon’ny CENI dia nisy Distrika efatra nahitana taham-pahavitrihan’ny mpifidy mihoatra ny 60%. Lohalaharana vonjimaika amin’izany ny Distrika Ampanihy Ouest, Faritra Atsimo-Andrefana. 62.84% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Toerana solombavambahoaka roa no ifaninanana ao amin’ity Distrika ity. Lisitra enina no nifaninana tao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 04 juin 2019 16:15
    • Britto
    • Sary nindramina

    Fifidianana depiote: Saro-toerana ireo lehibena Andrim-panjakana taloha

    Lehibena Andrim-panjakana taloha miisa roa no isan’ireo kandida miisa 810 nenken’ny CENI hifaninana ho eny Tsimbazaza, amin’ireo toerana miisa 151 mandrafitra ny Antenimieram-pirenena Malagasy, dia ny Pr Andrianarisoa Ange Christophe Félix, filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, sy Monja Roindefo Zafitsimivalo, praiminisitra notendrena voalohany tamin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Saro-toerana ireto lehibena Andrim-panjakana taloha ireto, amin’ity hazakazaka mankao Tsimbazaza ity, raha tarafina amin’ny fironana ao amin’ny tranokalan’ny CENI amin’izao. Kandidan’ny antoko AREMA tao Antananarivo-III, Faritra Analamanga i Pr Andrianarisoa Ange Christophe Félix. Toerana 2 no nifaninanana ao, 7 kosa ny kandida. Raha ny fironana ao amin’ny tranokalan’ny CENI dia 1.75% ny vokatra vonjimaika azony. Ny kandidan’ny TIM (48.67%) sy ny IRD (32.88%) no roa voalohany mitarika ao amin’ity Distrika Antananarivo-III ity.
    Lire la suite ...
    • mardi, 04 juin 2019 15:22
    • Britto
    • Sary: Rabenirina Jean Jacques

    Fifidianana depiote: Kandidan’ny IRD miisa telo, nahazo vato mihoatra ny 80%

    Eo ampiandrasana ny vokatra feno vonjimaika havoakan’ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) dia efa hita taratra amin’ireo fironana ao amin’ny tranokalan’ny CENI amin’ireo Distrika samihafa. Ao anatin’izany no ahitana fa kandida miisa telo, narotsaky ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRD), mitarika amin’ny isam-bato mihoatra ny 80%. Voalohany amin’ireo i Rabenirina Jean Jacques, kandida ao amin’ny Distrikan’i Betioky Sud Faritra Atsimo-Andrefana. Toerana tokana no ifaninanana ao, ary telo ny kandida. Mitarika vonjimaika amin’ny isam-bato 88.64% ity minisitra teo aloha ity. Efa voafidy depiote tamin’ny anaran’ny antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) i Rabenirina Jean Jacques tamin’ny 2013.
    Lire la suite ...
Page 11 sur 97