Politique

    • jeudi, 08 août 2019 21:01
    • Britto
    • Photos fournies

    Parlement Panafricain: Madagascar participe à la 10ème Conférence annuelle des Présidents des Parlements

    Madagascar est représenté à cette Conférence de Midrand (Afrique du Sud) du 6 au 7 août 2019 par une délégation conduite par le Président du Sénat, Rivo Rakotovao, accompagné à l’occasion par le Vice-Président du Sénat pour la province de Mahajanga, Bienvenu Manjany, ainsi que du Directeur de Cabinet, Luc Marcel Rakotonirina. "Trouver des solutions durables aux migrations forcées pour accélérer l'intégration et le développement de l'Afrique: le rôle des parlementaires nationaux et régionaux ", tel est le thème choisi cette année. Lors de son discours d'ouverture, Roger Nkodo Dang, Président du Parlement Panafricain (PAP), a mis en exergue l'importance du rôle et de la place des législateurs par rapport aux migrations forcées, un fléau qui sévit le continent Africain. La crise politique, l'insécurité, la violation des Droits de l'homme, l'inexistence de la création d'emplois, le réchauffement climatique etc... sont parmi les causes de la migration forcée. Le Président du PAP estime que la création d'une Institution forte, en renforçant la coopération internationale constitue une des solutions.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 13:45
    • Britto
    • Sary nindramina

    BIANCO: Andrianirina Laza Eric Donat no Tale jeneraly fahaefatra

    Jeneraly Ramarozatovo René, Jeneraly Rabetrano Faly ary Andriamifidy Jean Louis, ireo no Tale jeneraly nifandimby nitantana ny Birao mahaleotena misahana ny kolikoly na BIANCO. Andrianirina Laza Eric Donat no Tale jeneraly fahaefatra hiasa ao amin’ny Villa « La Piscine » eny Ambohibao-Antananarivo, misy ny foiben-toeran’ny BIANCO.
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 août 2019 16:38
    • Britto
    • Sary Gasypatriote sy Présidence

    BIANCO: Nanao ny fianianany ny Tale Jeneraly vaovao

    Notanterahina tao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy-Antananarivo, androany 06 aogositra 2019 ny lanonana ara-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO), Andrianirina Laza Eric Donat. Nianiana ny hanatanteraka ny andraikitra sahaniny araka ny lalàna, ny hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan'olona, ary handala ny fahamendrehana takian’ny fahombiazan'ny ady amin'ny kolikoly ity Tale Jeneraly vaovao ity.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 20:40
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Carlton: Tatitra momba ny dinika momba ny lalàna mifehy ny serasera

    Notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy androany nyTatitra ampahibemaso isam-paritra mahakasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 19:48
    • Britto

    Antenimieram-pirenena: Miandry izay ho solon’i Naharimamy Lucien Irmah sy Volahaingo Marie Thérèse

    Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine ny 26 jolay 2019, mangataka ny hanendrena ireo depiote hisolo an’i Naharimamy Lucien Irmah, voafidy tao Toamasina I, nefa voatendry ho minisitry ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy, sy ny hasolo an’i Volahaingo Marie Thérèse, voafidy tao Belanana, nefa voatendry ho minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 19:43
    • Britto

    Antenimierandoholona: Iza no hasolo ny toeran’i Mbade Jeanine Gabrielle ?

    Senatera notendren’ny filohan’ny Repoblika ho mpikambana tao amin’ny Antenimierandoholona Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle. Voafidy ho Solombavambahoaka tao Maevatanana, tamin’ny lisitra tsy miankina, anefa ity farany. Tsy afaka ny sady ho Senatera no Solombavambahoaka anefa Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle. Tsy mamela an’izany ny lalàna. Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo tamin’ny 29 jolay 2019 hanendrena izay Senatera hisolo toerana an’i Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 31 juillet 2019 21:08
    • Britto

    KMF/CNOE: Mitaky ny hanaovana ny fifidianana kaominaly amin’ity taona 2019

    « Mitaky ny hanaovana ny fifidianana kaominaly » amin’ity taona 2019 ity ny “KMF/CNOE –Fanabeazana Olompirenena”. « Mbola azo atao tsara izany hatramin’ny faha-30 ny volana novambra 2019, araka ny Lalàna fehizoro 2018-008, ao amin’ny andininy faha-52 », hoy ny fanamarihan’ity firaisamonim-pirenena ity tamin’ny fanambarana nataony taorian’ny fivorian’ny mpikamban’ny birao nasionaliny nandinihina momba ny Lalampanorenana sy ny lalàna mifehy ny fifidianana. Nanao fampahatsiahivana ny KMF/CNOE –Fanabeazana Olompirenena” fa tokony natao tamin’ity volana jolay 2019 ity io fifidianana kaominaly io raha toa ka nihevitra ny tsy hisian’ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Kaominina ny Fitondrana. Ny fametrahana Delegasiona Manokana, hoy ny fanambarany, dia « tsy manaraka ny fenitra demokratika » ary « tsy rariny raha toerana natokana ho an’ny olomboafidy no omena tantanana olomboatendry ».  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 19:49
    • Britto
    • Sary nomena

    Mahajanga: Amin’ny firy ny ora fivohan’ny biraon’ny CENI ?

    Mihemotra amin’ny fotoana tsy voafetra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. Betsaka na izany aza ireo antoko, fikambanana eny olom-pirenena te hahalala ny andinindininy mikasika ireo fifidianana ho avy ireo. Betsaka no mitaraina raha ny eto Mahajanga fa matetika no mikatona ny biraon’ny CENI eto an-toerana amin’ny fotoana ahatongavan’ny olona te hahazo fanampim-panazavana manodidina ireo fifidianana ireo, ka mametra-panontaniana hoe amin’ny firy ny ora fivohan’ny biraon’ny CENI Mahajanga ?  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 07:53
    • Britto
    • Sary nomena

    Ady amin’ny kolikoly: Tsy handiso fanantenana ny Tale jeneralin’ny BIANCO, Andrianirina Laza Eric Donat

    Hanatanteraka amin-kitsim-po ny adidy sahaniny ka tsy handiso fanantenana an’ireo izay manantena ny mba hampihena amin’ny ambongadiny ny kolikoly misy eto amin’ny firenena. Nivoitra io , omaly alatsinainy tolakandro, nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ny Tale Jeneraly vaovao hiandraikitra ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly na ny BIANCO, Andrianirina Laza Eric Donat, teny Mahazoarivo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 19:55
    • Britto
    • Sary nomena

    Marc Ravalomanana: Any Alemaina, mikaroka izay hahasoa ny tanindrazana

    Any Alemaina ny filoham-pirenena teo aloha, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana. Midinika amina tomponandraikitra sy teknisianina samihafa any an-toerana izy, « mikaroka izay hahasoa ny tanindrazana ». Isany manampy azy amin’izany Atoa Harald Gehrig, masoivohon’i Alemaina vao nandao tsy ela an’i Madagasikara, rehefa avy niasa nandritra ny dimy taona teto.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 93