Politique

    • mardi, 18 juin 2019 13:07
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Amerika: Anomboka anio ny fampielezan-kevitry Donald Trump

    Mpomba azy tsy latsaky ny 20 000 no miandry an'i Donald Trump, filoha amerikanina ankehitriny, ao Orlando Floride, amin'ny fihaonana voalohany anombohany ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amerikanina, izay atao amin'ny 3 novambra 2020. 504 andro mialoha ny fifidianana dia efa manenjana ny kabariny ity filoham-pirenena hifaninana amin'ny fotoam-piasana 4 taona faharoa ity.Nambarany tamin'ny tweet nalefany alina, fa manomboka amin'ny herinandro ambony dia roahiny avokoa ireo vahiny aman-tapitrisany tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hipetraka any Amerika. Maro ireo Amerikanina no nandeha alavitra ary natory anaty tanty, amonjy izao fotoana lehibe anio izao.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 juin 2019 16:30
    • Njaka
    • Sary Njaka

    LIVE HOTEL Andavamamba: Valan-dresaka nataon'ireo Kandida mivondrona

    Tonga nametraka fitoriana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy ireo kandidà avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy avy amin'ny tsy miankina maromaro, ka nitohy tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izany, izay natao tetsy amin'ny LIVE HOTEL Andavamamba. Nisy arak'izany ny fanehoan'izy ireo ny porofo tany amin'izy ireo nilazany ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny fitondram-panjakana sy ireo kandida ho solombavambahoaka miara-dia aminy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 juin 2019 13:15
    • Britto
    • Sary: CENI Madagascar

    Fifidianana depiote: Fitanana an-tsoratra miisa 4 hatreto no hita fa tsy mitovy rehefa nampitahana

    Fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV) avy amin'ny birao fandatsaham-bato miisa 837, avy amin'ny Distrika miisa 23, hatreto no neken’ny CENI, ary efa vita fampitahana teny amin'ny foibeny eny Alarobia – Antananarivo, araka ny fampitam-baovao ny fiandohan’ny tolakandro teo. Nahitana tsy fitoviana ny 4 tamin’ireo fitanana an-tsoratra ireo, ka 2 avy ao amin’ny Distrikan’i Soalala, 1 avy ao Arivonimamo, ary 1 avy ao Ambositra. Nanipika mazava ny CENI fa « tsy afaka manova na manitsy ny voka-pifidianana ny CENI na misy na tsia ny tsy fitoviana, aorian’ny fampitahana ». Manao fitanana an-tsoratra iraisana kosa ny kandida sy ny CENI halefa any amin’ny HCC, momba izay hita nandritra ny fampitahana. Nanambara ny CENI fa anio Alakamisy 13 jona no fe-potoana farany ahazoana manatanteraka fampitahana ireo Fitanana an-tsoratra eny amin'ny foiben-toerany Alarobia. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 juin 2019 11:31
    • Britto
    • Sary nindramina

    Fifidianana depiote: Kandida maromaro niara-nanatitra fitoriana teny amin’ny HCC

    Nisy kandidan’antoko, nisy kandida tsy miankina, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao tamin’ny 27 mey 2019 teo, no tonga nametraka fitoriana niaraka tamin’ny porofo ananan’izy ireo, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany maraina. Hosoka, hala-bato, fandikan-dalàna samihafa ny ankamaroan’ny fitoriana napetrak’izy ireo, raha ny fanazavana nataon’i Mananjara Fidison, kandida tao Soanierana Ivongo, narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 juin 2019 21:31
    • Britto
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Vakinankaratra: Amperinasa ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao

    Tontosa ny maraina teo ny famindram-pitantana teo amin'ny sampan-draharaham-paritry ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankaratra. Ankehitriny dia i Andriampeno Harinavalona Georges no voatendry hisolo an'i Raherinandrasana Tarcisus, Talem-paritra teo aloha. Olom-baovao eo amin'ny tontolon'ny serasera ny Tale vaovao raha notarafina tamin'ny fandraisam-pitenenana fohy nataony, saingy filoham-paritry ny Freedom, antokon-dRtoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina kosa no nahafataran'ny maro azy, ary mpandraharaha ihany koa. Nanambara ny fahavononany hampandroso an'i Vakinankaratra i Andriampeno Harinavalona Georges, eo amin'ny tontolon'ny fifandraisana sy ny kolontsaina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 juin 2019 21:41
    • Britto
    • Sary nindramina

    Madagasikara – Alemana: Hanamafy ny fiaraha-miasa

    Tafaresaka manokana tao Genève Soisa, androany, ny filoha Andry Rajoelina sy ny Rtoa Angela Merkel, Chancelière an'i Alemana izay samy miatrika ny fankalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Asa (OIT) ny faha-100 taona nijoroany. Sehatr'asa maro no niarahan'ny roa tonta nidinika toy ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fampianarana. Taorian’ny fihaonana dia nilaza ny Filoham-pirenena fa handefa delegasiona avy amina ministera vitsivitsy ho any Alemana, araka ny fanasana nataon-dRtoa Angela Merkel ho fanamafisana ny fiarahamiasan’ny firenena roa tonta. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 juin 2019 14:29
    • Britto
    • Sary nindramina

    Aina Kuric: Nametra-pialana tsy ho depioten’ny « La République en Marche »

    Ny zoma 7 jona 2019 no nanambaran’ilay Malagasy mizaka zom-pirenena frantsay, Aina Kuric, ny fametraham-pialany tsy ho mpikamban’ny LREM (La République en Marche) antokon’ny filoha Emmanuel Macron intsony. 32 taona izao i Aina Kuric, tamin’ny aprily 2016 izy no mpikambana LREM. Nanamarika izy fa tsy miala amin’ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera Frantsay, saingy depiote tsy miankina manomboka izao. Tsy manana fitokisana ireo hery velona ao aminy ny LREM, hoy i Aina Kuric, ary tsy manana finiavana hidina ifotony. Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroako aho, hoy hatrany i Aina Kuric, maneho hatrany ny hevitro aho na manaiky na tsia ny politikam-pitantanana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 juin 2019 16:37
    • Britto
    • Sary nomena

    Befandriana Avaratra: Mitaky ny hialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka

    Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy mitaky ny fialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka eto Befandriana Avaratra. Fanararaotam-pahefana, fikasihan-tanana olona, fanagadrana mpiasam-bahoaka noho ny olana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo no anisan’ny nahatezitra ny olona ka tonga amin’izao fidinana an-dalambe izao. Mitarika vonjimaika ny kandida Jonah Parfait Prezaraly (MA.TI.TA) ; 9000 ny elanelam-bato manasaraka azy amin’ny faharoa vonjimaika, Lylyette Rene De Rolland (IRD). Miandry ny vokatra ofisialy ny vahoaka eto Befandriana Avaratra. Re fa efa navotsotra ilay olona notazomina am-ponja. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 08 juin 2019 19:23
    • Britto
    • Sary nomena

    Madagasikara - Aostralia: Manamafy ny fiarahany miasa

    Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo, ny zoma 07 jona 2019, ny Ambasadaoro aostralianina miandraikitra an’i Madagasikara, Ramatoa Jenny Dee. Ny fanohizana ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’i Madagasikara sy Aostralia no nifantohan’ny diniky ny roa tonta. Mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny lafiny sosialy eto Madagasikara i Aostralia, amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, toy ny fanavaozana ny sampana “Traumatologie” ao amin’ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana, izay novatsian’ny fandaharan’asa fanavaozana fotodrafitr’asan’ny masoivoho aostraliana, ary tohanan’ny ONG « Australian Doctors for Africa ».
    Lire la suite ...
    • samedi, 08 juin 2019 11:21
    • Britto
    • Sary nindramina fampiaingoana

    Fetim-pirenena: Vahiny manan-kaja manokana ny filohan'i Rwanda Paul Kagame

    Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa hisy ny vahiny manan-kaja hiaraka hankalaza ny faha-59 taona niverenan'ny fahaleovantena malagasy, dia ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame. Filohan'i Rwanda nanomboka tamin'ny taona 2000 i Paul Kagame. 61 taona izy izao, Katolika ny finoana. Hentitra ara-pitantanana izy ary mahay mitarika, izay fototry ny fandrosoan'i Rwanda ankehitriny, firenena izay rotiky ny ady an-trano sy vonomoka, misy anefa ireo manondro an'i Paul Kagame ho mpanao didy jadona. Voasokajy ho "Olon'i Afrika" tamin'ny taona 2017 i Paul Kagame, niaraka tamin'i Marc Ravalomanana (Leadership politique) sy olona dimy hafa araka ny fanadihadiana nataon'ny gazety boky "African leadership magazine". Ny gazety boky ara-toekarena amerikanina Forbes ihany koa dia nanasokajy an'i Paul Kagame ho "Olon'ny taona 2018".    
    Lire la suite ...
Page 1 sur 87