Politique

    • samedi, 18 janvier 2020 19:30
    • Zakaria
    • Sary: Naina Andriantsitohaina

    Naina Andriantsitohaina: « Tsy ho mora ny asa, ary efa sasa-miandry ny mponina hahita vokatra »

    Amperin’asa ny Ben’ny tanàna vaovao an’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Miaiky ny tenany fa tsy ho mora ny asa, ary efa sasa-miandry ny mponina hahita vokatra. Nanome toky ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Kaominina ny tenany dia « ny asa sy ny hatsembohana ». Nohamafisiny ny « fanarahan-dalàna ». Tsy misy afa-tsy ny famerenana ny fanarahan-dalàna ihany, hoy izy, no ahafahana mampandroso ny tanànantsika ka « mila miasa mafy, hentitra ary mahitsy tanteraka. Fa mila tsy mitanila, ary indrindra, mila mitsinjo ireo tena sahirana sy marefo ». (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 janvier 2020 16:55
    • Zakaria
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Tontosa ny fametrahana samboady ny Ben'ny tanàna vaovao

    Natao omaly maraina ny lanonana fametrahana amin’ny toerany ny Ben'ny tanàna vaovao ny Kaominina ambonivohitra Sambava, Ramangalaza Judicael. ''Ilay tetikasa folo izay nambaranay tamin'ny fampielezan-kevitra no ho entinay hampandroso an’i Sambava. Hanomboka amin'ny ady amin'ny kolikoly izany, ka hanadio ny ato anatiny hampangaraharaha ny fitantanana rehetra ato amin'ny Kaominina'', hoy ny Ben'ny tanàna Ramangalaza Judicael. Mangataka tolotanana amin’ny rehetra ny tenany hiara-hisalahy samy manao izay tandrify ny azy hampandrosoana ny tanàna.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 janvier 2020 16:29
    • Zakaria

    Betampona-Fenoarivo Atsinanana: Namoaka Ben’ny tanàna roa ny Tribonaly Administratifa

    Kaominina iray manana Ben’ny tanàna roa. Izay ny fiantraikan’ny voka-pifidianana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Toamasina ny alarobia 8 janoary 2020 lasa teo, tao amin’ny Kaominina Betampona, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo Tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, tao ami’ny Tribonaly Administratifa Toamasina, namoahana ny voka-pifidianana ofisialy dia Rakoto Justin, kandida « Indépendant Association Ravinala » no nambara fa voafidy ho Ben’ny tanànan’ity Kaominina Betampona, ary voarakitra amin'ity didy eto ity. Ny petadrindrina eo amin’ny Tribonaly Administratifa Toamasina indray anefa milaza fa ny kandida « indépendant » Bezaka Serge Joseph no Ben’ny tanàna. Vaka ny sain’ny vahoaka ao Betampona manoloana ny zava-mitranga, ary mametra-panontaniana hoe iza marina no tena Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ity Kaominina ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 janvier 2020 21:10
    • Zakaria
    • Photos fournies

    Palais d’Iavoloha: Présentation de vœux des Gouverneurs, des représentants de la CENI et des membres de l’Académie malagasy

    La présentation de vœux des différentes institutions de l'État au président de la République et à sa famille se poursuit. Ce mercredi 15 janvier 2020, ce fut au tour successivement, des 11 gouverneurs nommés, des représentants de la CENI et des membres de l’Académie Malagasy de se présenter au Palais d'État d'Iavoloha. Les Gouverneurs ont profité de l’occasion pour réaffirmer leurs engagements et leur volonté d’honorer les responsabilités qui leur ont été attribuées par le Président Andry Rajoelina. Le Chef de l’État a, quant à lui, rappelé qu’il appartient aux Gouverneurs de réaliser les objectifs de développement de leur région respective et d’en définir les priorités. « Toutes les actions doivent avoir des impacts positifs dans chaque district de la Grande île sans exception et sans déséquilibre», a ajouté le Président. Il a aussi rappelé aux gouverneurs qu'ils ont un rôle déterminant dans la réalisation de toutes les promesses présidentielles. Plusieurs réalisations ont marqué l’année précédente mais de nombreux grands projets sont encore à poursuivre et à entreprendre cette année, à l’instar des écoles, des hôpitaux, des stades, des routes et autres infrastructures importantes.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 janvier 2020 20:48
    • Tigre

    Vondrombahoakam-paritra: Kaominina miisa 24 no hamerenana fifidianana

    Kaominina miisa 24 manerana ny Nosy no hamerenana fifidianana taorian’ny didy navoakan’ireo Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana miisa enina eto Madagasikara. Ny 15 amin’ireo Kaominina ireo dia sady averina ny fifidianana Ben'ny tanàna no averina ny fifidianana Mpanolotsaina ; ny 9 kosa dia fifidianana Ben'ny tanàna ihany no averina. Eo ihany koa ireo Kaominina miisa 8 izay tsy naharaisana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana mpanolontsaina ka tsy maintsy anaovana fifidianana. Raha ny voalazan’ny lalàm-pifidianana dia ao anatin'ny 120 andro aorian'ny haharaisan'ny Ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana no anaovana ny fifidianana.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 janvier 2020 16:00
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antoko AKFM: Nodimandry i Eric Rakotomanga, filoha nasionaly

    Nindaosin’ny fahafatesana, androany, teo amin’ny faha-65 taonany i Eric Rakotomanga. Filoha nasionalin’ny antoko AKFM, mpikambana teo anivon’ny CST (Conseil Supérieur de la Transition) ary tonin-dahatsoratry ny gazety Imongo Vaovao. Hatao ny zoma 17 janoary 2020 ny fandevenana ny nofomangatsiakany eny amin’ny fasan-drazany Manjaka Ilafy, Antananarivo Avaradrano. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 janvier 2020 21:10
    • Zakaria

    Antenimierandoholona: Nanatitra fitoriana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)

    Nametraka fitoriana teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, androany talata 14 janoary 2020 ; fitoriana izay milaza fa misy ny tsy fahatomombanana hita taratra tamin’ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra laharana 005-HCC/D3 tamin’ny 13 febroary 2019, izay noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, mikasika ireo didy hitsivolana izay nosoniavin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin’ny taona 2019, tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimierampirenena.
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 janvier 2020 08:23
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary

    Antananarivo Renivohitra: Hatao ny 16 janoary ny fametrahana samboady an’i Naina Andriantsitohaina

    Hotanterahina eo amin’ny « Parvis » ny lapan’ny tanàna amin’ny alakamisy 16 janoary 2020 amin’ny 10 ora maraina, ny famindram-pahefana eo amin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny vao voafidy Naina Andriantsitohaina. Hatao avy hatrany amin’io andro io ihany koa ny fametrahana samboady maha olom-boafidy ny Ben’ny tanàna vaovao, handraisany ny toerany sy hiantsorohany amin’ny asa aman’andraikitra voatondron’ny lalàna mifehy ny vondrombahoakam-paritra.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 janvier 2020 15:00
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Jean Luc Djavojozara: Voafidy fanindroany ho Ben’ny tanànan’Antsiranana

    Nametrahan’ny vahoaka fitokisana hitantana indray ny Kaominina ambonivohitra Antsiranana mandritra ny efa-taona i Jean Luc Djavojozara. Nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI, ary dia ofisialy izao ny maha Ben’ny tanànan’Antsiranana an’i Jean Luc Djavojozara. Kandida tsy miankina no nirotsahany tamin’ny fifidianana natao ny 27 novambra 2019.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 11 janvier 2020 11:14
    • Zakaria
    • Sary nindramina kandida Betafo

    Fifidianana Kaominaly: Sambany nandray anjara, nahazo Ben’ny tanàna dimy ny Tia Tanindrazana

    Sambany ny antoko Tia Tanindrazana no nisedra safidim-bahoaka amin’ny fifidianana, ka iny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 27 novambra 2019 iny no nisantarany izany. Kaominina miisa 34 no nandrotsahan’ity antoko tarihin’i Tahina Razafinjoelina ity kandida Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna. Miisa dimy ireo kandida Ben’ny tanàna voafidy ofisialy araka ny vokatra navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Antananarivo omaly. Tato amin’ny Faritra Analamanga, dia voafidy ho Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, Distrika Antananarivo Atsimondrano i Rakotobe Christian, izay kandida notohanan’ny antoko Tia Tanindrazana. Fanintelony misesy izao i Rakotobe Christian no voafidy ho Ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 110