Filtrer les éléments par date : mercredi, 25 mars 2020

Zokiolona manodidina ny 10 400 isa no hisitraka ity « Vatsy TSINJO » ho an'Antananarivo sy Toamasina. Nanomboka androany alarobia 25 marsa 2020 ny fizarana ireo fanampiana, izay fanampi-tsakafo toy ny vary, menaka, macaroni, sardine, sira… tamin'ireo Fokontany eto Antananarivo Renivohitra.

Niara-nanatanteraka izany ny fiadidiana ny raharaha Sosialy eo anivon'ny fiadidiana ny prezidansa (DASP), ny avy eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina, ny Association Fitia ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nahomby ny paikady napetraka hatreto nifehezana an’ity valanaretina ity, hoy ny filoha Andry Rajoelina ny hariva teo, niainga avy eny amin’ny foibem-pibaikoana momba ny coronavirus eny Ivato, raha namintina ny fivoaran’ity valanaretina ity, ka tsy nahitana tranga vaovao hatry ny omaly talata mitatao vovonana ka hatramin’ny 8 ora hariva, tamin’ireo fitiliana natao, fa nijanona ho 19 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ary efa raisin’ny fanjakana an-tanana manontolo ny fitsaboana azy ireo etsy amin’ny hopitaly manarapenitra Andohatapenaka sy ny amin’ny CHU Anosiala Ambohidtratrimo.

Ny coronavirus no fahavalontsika, hoy ny filoha Andry Rajoelina, ka mila mifarimbona isika handresena izany. Tonga izao alina izao ireo fitaovana samihafa avy any Chine ahitana : « tests rapides », « combinaison », « masques »... Amin’ny 4 aprily 2020 no ahafahana mandrefy ny fifehezana an’ity valanaretina ity, raha ny nambarany hatrany ary averina hatao fitiliana avokoa ireo rehetra avy any ivelany, tonga tamin'ireo sidina farany tonga teto Madagasikara.

Publié dans Vaovao

Nitondra fanazavana mikasika ny fanemorana ny fanefana ny faktiora volana martsa 2020 ny mpitantana ny orinasa Jirama, androany, ho fampiharana ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny alin’ny 24 martsa 2020, mikasika ny Drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana.

Voalaza tamin’izany fa afaka aloa in-dimy miantoana ao anatin’ny 5 volana ny faktiora izay tsy naloa rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro.

Manana safidy ihany koa anefa ny mpanjifa raha hanefa avy hatrany ny faktiora tsy voaloa na ho zaraina 10 volana ny handoavana izany, izay hifampiresahina amin’ny JIRAMA.

Mampahafantatra ihany koa ny Jirama fa ireo faktiora efaina tsikelikely dia hozaraina miaraka amin’ny faktioran’ny fandaniana isam-bolana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mercredi, 25 mars 2020 19:42

Ambohimahintsy (RN2)

No comment

 

 

Publié dans Tselatra

Selon la recommandation de l’organisation mondiale de la santé (OMS), "tester, tester, tester", la France a pour objectif de multiplier à 20 000 tests par jour la semaine prochaine, si 9000 tests par jour sont réalisés actuellement.

La France compte 1100 morts avec 22 300 cas confirmés actuellement. Hier mardi soir, 240 décès annoncés en 24h.

 

 

Publié dans Fil info

Voahodidina mpitandro ny filaminana ny fidirana ny afovoan’Antananarivo androany alarobia 25 marsa, andro fahatelo fihibohana an-trano ho fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus.

Nangadihady teny Analakely sy ny Araben’ny Fahaleovantena.

(Sary: Andry Rakotondrainibe‎)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Niharan-doza ny fiara nitondra ny filoham-pirenen’i Comores, Azali Assoumani, manatanteraka fitsidihana ao Anjouan. Nilaozan’ny hisatra teny ampandehanana ilay fiara, ka hany nataon’ny mpamily dia ny nampidofotra azy tamin’ny andrinjiro nampijanonana ilay fiara raitra.

Na teo aza ny loza dia nanohy ny fitsidihana tanterahiny ao Anjouan hatrany ny filoha Azali. Misokatra kosa ny fanadihadihana mikasika ity loza nanjo ny fiara nitondra azy ity. Hasomparana ? olana ara-mekanika ? Lesoka amin’ny fikojakojana ? … Santionany amin’ny fanontaniana mipetraka ireo manoloana ity loza ity, fiara raitra rahateo no niharan-doza.

 

Publié dans Tselatra

Nitaraina ireo mpitondra kamiao, mitatitra entana, noho ny sakana teo Ankadinondry Sakay amin’ny lalam-pirenena RN1, tsy namelana azy ireo hitatitra vokatry ny tany hiazo an’Antananarivo.

Nanazava Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien, minisitry ny fambolena sy fiompiana ary jono niainga avy eny amin’ny Foibem-pibaikoana momba ny coronavirus, eny Ivato, ny antoandron’ity alarobia 25 marsa 2020 ity fa afaka mandeha ny fiara mitatitra ireo entana ilain’ny mponina, fa ny olona kosa tsy maintsy manaja ny fepetra noho ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, anisany ny fakana hafanan’ny vatana ary ny fanajana ny bokinandraikitra mifehy ny fiara vaventy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Vita tara 100% ny lalana mampifandray ny tanànan’ Ambatondrazaka, renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro amin’ny seranam-piaramanidina Feramanga. Efa mipetraka avokoa ny andrin-jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro manamorona ny lalana sy ao amin'ny seranam-piaramanidina, efa vita koa ny soritra amin'ny lalana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

174 ny fitiliana vita hatry ny omaly 24 marsa 2020 sy ny mitatao vovonana teo. 19 ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus hatramin'ny zoma 20 marsa 2020, tsy nahitana soritraretina ny 18 tamin’ireo, iray ihany no narary saingy efa mihatsara ny fahasalamany amin’izao.

Tsy nisy fiovana ireo tarehimarika ireo tao anatin’ny 24 ora farany, araka ny fampitam-baovao nataon’ny mpitondratenin’ny Foibe fibaikoana momba ny Coronavirus, Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle androany tamin’ny 1ora teo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3