Filtrer les éléments par date : mardi, 24 mars 2020

Ho fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina Coronavirus, dia nanapa-kevitra ny Fanjakana hanatsahatra ny sidina rehetra miditra sy mivoaka an'Antananarivo ary koa an'i Toamasina.

 

Publié dans Tselatra

Ny Centre de commandement operationnel Covid-19, dia mampatsiahy ny rehetra ny tsy fahazoana mivezivezy eto Analamanga sy Toamasina, na an-tongotra na amin'ny fiarakodia raha tsy manana antony manokana.

Tsy azo atao ny mivezivezy manomboka amin'ny 8ora alina ka hatramin'ny 5ora maraina.

Voarara ny fitanterana an-drenivohitra sy ny manodidina an'Antananarivo sy Toamasina, na taxi-brousse na taxi-be na taxi-ville.

Naato ny fampianarana, ny fiaraha-mivavaka am-piangonana, ny lanonana sy ny fivoriana samihafa manerana ny Nosy.

Izay mandika izany dia iharan'ny sazy.

 

Publié dans Tselatra

Ekena fa tsy maintsy miatrika ny valanaretina ny rehetra, ary tokony hiaro ny Malagasy sy ireo rehetra monina eto Madagasikara ny fanjakana.

Fantatra anefa fa ity aretina Covid-19 ity dia ireo osa ara-pahasalamana aloha no tena azerany, ireo be antitra tsy ampy fiarovan-tena, ireo marary indrindra fa ireo voan'ny cancer, diabète, marary fo, marary voa, marary aty sy ireo aretina mavesatra rehetra, ary indrindra ireo tsy ampy sakafo.

Raha ny hita tany ivelany, dia latsaky ny 50%, eny misy aza ny 14% mihitsy ny taham-pahavelomana raha ireo olona osa ara-pahasalamana na tsy ampy sakafo ireo no tratran'ity aretina ity.

Publié dans Editorial

Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia nanapa-kevitra ireo mpanorona ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR fa ampiasa ny fitaovana eo ampelatanany hanamboatra ary anolotra takom-bava na masque ho an'ireo mpiara-miasa aminy, ny fianakavian'izy ireo, ny manodidina ary ho an'ny mpitondra fanjakana.

Izany takom-bava izany dia amboarina miainga avy amin'ireo tapa-damba, atao teviny 3, azo sasana ary azo ampiasaina matetika.

Hatreto dia tsy nahazo ny fankatoavana manara-penitra iraisam-pirenena ity takom-bava ity, fa tsapan'ireo mpanorona ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR anefa fa mety ilaina izany.

 

Publié dans Sociale

Tamin’ny fampitam-baovao nataon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondrateny ofisialy ny Centre de Commandement Opérationnel Covid-19, manana foibe eny Ivato, dia nisy 60 ny fitiliana natao androany, ka ny valin’izany azo tamin’ny 12ora atoandro teo dia misy tranga vaovao roa voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus.

Vehivavy avokoa ireto roa vaovao voa ireto ary isan’ireo mpandeha tamin’ny sidina MD051 tonga teto Madagasikara tamin’ny 18 martsa 2020.

Publié dans Tselatra

Mpitantana hotely ao Belo sur Mer, Distrikan’i Morondava ity vazaha vavy ity. Tamin’ny zoma no tonga tany an-toerana, isan’ireo mpandeha tamin’ny sidina faramparany avy any Frantsa ity vahaza ity no nidina aty amin’ny Faritra Menabe ary tonga ao Belo sur Mer.

Tratry ny tsy fahasalamana io vazaha io ankehitriny, araka ny fanairana nataon’olona avy any Belo sur Mer voarain’ny solontenam-panjakana ao Menabe, ary dia efa nisy iraka nalefa any an-toerana hijery ny fahasalaman'io vehivavy io.

 

Publié dans Tselatra

Ho avy eto Madagasikara amin’ity herinandro diavina ity ny saron-tava fiarovana (masque) miisa 100 000 avy any Chine hiatrehana ny coronavirus. Ho laharampahamehana hahazo izany ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana an’i Madagasikara izay mitolona andro aman’alina hisorohana ny fiparitahan’ity aretina ity. Hahazo anjara amin’izany koa ireo olona marefo dia ireo be antitra sy manana aretina mitaiza.

Hisy fitaovam-pitiliana (tests rapides) miisa 20 000 ihany koa ho tonga avy any Chine. Ankoatra ireo izay nahitana ny soritr’aretina dia hiitatra amin’ireo rehetra ahiahiana ho mitondra ny tsimok’aretina dia hatao fitiliana.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 24 mars 2020 12:44

Coronavirus: Fepetra momba ny Hetra

Ho fampiarana ny tsy hiparitahan'ny valanaretina coronavirus dia tsy miasa ireo mpiasa ao amin'ny Ministeran'ny vola sy ny teti-bola hafa tsy:

- Ireo mpiasa miadidy ny famoaham-bola maika

- Ireo mpiasa amin'ny fandoavana karama sy ny fisotroan-dronono sy ny karaman'ny ECD

- Ireo mpiasa mpanamarina ny vola mikasika ny valanaretina Coronavirus

- Ireo mpiasa mahakasika ny famoahan'entana amin'ny faditseranana

- Ireo mpiasa mandray ny fiantohana ny lany amin'ny fandraisana an-tanana ireo marary amin'ny mpiasam-panjakana.

Publié dans Economie

Ho fampiharana ny fanambaran'ny Filoham-pirenena ny 22 marsa lasa teo, ho fiadiana amin'ny valanaretina Covid-19, dia nanapa-kevitra ny Birao Mahaleotena iadiana amin'ny kolikoly na ny Bianco, fa tsy hisy fandraisana mivantana ny fitarainana sy fitorohana eo anivon'ny biraon'ny Bianco manerana ny Nosy.

Mitohy kosa ny fandraisana izany amin'ny alalan'ny telefonina, mailaka, tambanjozatra internet i-toroka sy ireo tambazotra-tserasera samihafa sy ny mailaka.

 

Publié dans Sociale

Tovolahikely iray, 13 taona, no namoy ny ainy ny tolakandron’ny 23 marsa 2020 vokatry ny fihinanana atsantsa. Mpifanolobodirindrina aminy no nahazo atsantsa ka mba nizara dia nihinana izy.

Ny alahady 22 marsa 2020 no nahazo zanaka atsantsa ireto mpanjono tao Anjiakely Kaominina Farahalana Distrika Sambava ka naroso hatramin'ny atiny nendasina ary nohanina. Tsy naharitra ora vitsy taorian'io dia efa nitaraina ho marary ny zandriny indrindra, tamin’ireo nihinana, ary nihitatra tamin'izy efa-mianaka ka avy hatrany nentina namonjy tobi-pahasalamana akaiky indrindra dia tao amin'ny CSB2 Farahalana, io alahady io tokony tamin'ny 10ora alina.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2