Filtrer les éléments par date : lundi, 16 mars 2020

Nanao fanambarana ny filoha frantsay Emmanuel Macron fa anaty tany miady izao Lafrantsa, dia mikatona manomboka ny talata amin'ny 12ora atoandro ny espace Schengen, na ny faritra eoropeanina, mandritra ny 30 andro. Ny fifandraisan'ny samy Eoropeanina dia mitsahatra ihany koa.

Raha momba an'ny Frantsa manokana, dia mijanona any an-trano avokoa ireo rehetra tsy voatery andeha amonjy ny toeram-piasana. Ezahina ny asa any an-trano. Tsy azo atao ny fivoriana rehetra. Izany mandritra ny 15 andro.

Nanokana vola 300 miliara euro ny fanjakana frantsay atao antoka amin'ny trosan'ny orinasa. Arovana ny orinasa frantsay, mba tsy hisy orinasa ho fatin'ny krizy, hofatrano, vidin-drano sy jiro, karaman'ny mpiasa, ahantona aloha ny fandoavana ireo trosa.

Publié dans Vaovao

Fiara miisa 35, koperativa KOFIFIMA, amin’ny zotra H Sabotsy Namehana – Andravohangy Antananarivo no nametrahana GPS (Global Positioning System) ho fanatsarana ny fitateram-bahoaka.

Hanampy ny fanatsarana ny tolotra homena ny mpanjifa ny GPS, eo ihany koa ny fandrindrana ny fivezivezen’ny fiarakodia sy ny fanamaivanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana.

 

Publié dans Economie

Nandray fepetra nanakatona ny fifandraisana amin’ny fiaramanidina amin’i Eorôpa sy La Réunion ry zareo Maorisiana, hisorohana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus ao amin’ity firenena ity, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny praiminisitra Pravind Jugnauth tamin’ity alatsinainy 16 marsa 2020 ity. Haharitra 15 andro io fepetra io.

 

Publié dans Tselatra

Tontosa teny amin’ny kianja « Assurance Mama » Imerintsiatosika, nandritra ny sabotsy sy omaly alahady, ny fifaninanana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Madagasikara amin’ny tsipy kanetibe. Nahatratra 163 ireo klioba nandray anjara avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.

Sokajy telo no nifaninanana, ka nandrombaka ny Amboara teo amin’ny sokajy « Vétéran » olon-droa miaraka, lehilahy, i Randriamparany Yves sy Ramanantsoa, ekipa faha-5 avy amin’ny C2BA.

Teo amin’ny sokajy vehivavy, lalaon’olon-telo, lasan’ny ekipa rafetin’i Nirinaniaina Sylvia Monique sy Randriambahiny Francine ary Andriamihaja Volatiana avy amin’ny C2BA.

Ho an’ny sokajy lehilahy, lalaon’olon-telo miaraka indray kosa, dia lasan’ny ekipa rafetin’i Razafimahery Mbolatiana sy Andrianantenaina Roger ary Andrianainarivelo Etienne, avy amin’ny BIC.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Toeram-pivarotana iray sady misy fanamboarana moto no nirehitra teto Agnaboandrefa Fokontany Ampanefena Avaratra, Distrikan’i Vohémar omaly, tokony ho tamin’ny 4ora tolakandro.

Fifampikasohan’ny tariby nitondra herinaratra no tombanana ho niandohan’ny afo. May tao ny lelavola 10 tapitrisa Ariary, miaraka amin’ny entam-barotra sy moto iray. Mahatratra 100 tapitrisa ariary ny tomban'ireo vola sy entana may.

Tsy misy ny aina nafoy, fa lehilahy iray no naratra ary efa tsaboina ao amin’ny CSB II Ampanefena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Depuis plusieurs jours, Madagascar est en pleine ébullition, on ne sait plus à quel saint ou sainte se vouer. Une déclaration officielle sur l’existence d’un million et quelques de Carte d’Identité Nationale (CIN) aux numéros identiques a déclenché des vagues de protestations sur la régularité des votes durant les présidentielles, législatives et communales, beaucoup remettent en question la légitimité de ces scrutins, donc de l’assise de l’actuelle administration.

Alors que l’apaisement sur ce terrain est loin d’être acquis, voilà que le danger de la pandémie de Coronavirus ou Covid 19 se rapproche de nos côtes. Elle n’est plus qu’à 1000km, plus exactement de 942 km du littoral est. Des déclarations maladroites (pour le dire poliment) de la part d’un haut responsable sur les ondes « le gouvernement a pris ses responsabilités expliquant que le Coronavirus n’a pas encore atteint notre pays » !!!

Publié dans Editorial
lundi, 16 mars 2020 10:39

Coronavirus: Bilan 14 mars 2020

* Passagers suspectés et testés: 12 (Négatif)

* CHU Anosiala:
- Suspicion passagers: 00
- Passagers en observation: 12

* Mahamasina:
- Passagers en observation: 17

* Antananarivo:
- Passagers confinés chez eux: 04

En cas de doute ou suspicion, appeler le numéro vert gratuit 910

 

Publié dans Fil info

16 mars: Semaine internationale de la courtoisie au volant.

 

Publié dans Fil info

Ranovaky ny fahafatesana ao Italia, nahatratra 368 ireo nodimandry tao anatin'ny 24ora monja.

La Lombardie avaratra, any Milan, no tena tratra, 1 218 ireo maty amin'ny olona 13 272 voan'ny Coronavirus.

Niakatra 3 509 hatreto ireo marary tao anatin'ny 24ora ka tombanana ho 25 000 ireo mararin'ny coronavirus any Italia.

Italia no firenena voa mafy indrindra any Eoropa ankehitriny.

 

 

Publié dans Tselatra