Filtrer les éléments par date : dimanche, 09 février 2020
dimanche, 09 février 2020 21:56

Etona fandrehitra: Miaka-bidy avokoa

Raha efa nanomboka ny 7 febroary 2020 no nampihatra vidy vaovao amin’ny etona vokariny ny orinasa Vitogaz, raha tamin'ny 15 oktobra 2018 no nampakatra farany. Hihatra manomboka rahampitso alatsinainy 10 febroary kosa ny sarany vaovao ho an’ireo orinasa hafa.

Nahitana fiakarana 6800ar raha ny Vitogaz 9kg no resahina, satria 58 200ar izy teo aloha, dia niakatra 65 000 ankehitriny, fiakarana 11.68%.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Nandresy tamin’ny moka fohy 28 noho 27 ny Cosfa Rugby nanoloana ny TFA Anatihazo nandritra ny lalao famaranana tamin'ny Gold Top 20 teo amin’ny kianja Makis Andohatapenaka androany 09 febroary 2020.

Efa nitarika tamin’ny isa 20 noho 19 ny Cosfa teo amin’ny ampaham-potoana voalohany. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan'ny Tafika Malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Nihaona tao Addis-Abeba, androany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitr'i Canada Justin Trudeau, ity farany izay manatanteraka fitsidihana ao Afrika. Samy maniry ny hanamafy sy hanatsara ny fifandraisana efa misy eo amin'ny firenena roa tonta izy ireo, ary naniry ihany koa ny hivelaran’ izany amin'ny sehatra hafa toy ny fanabeazana sy ny tontolo iainana.

81% ny fotodrafitrasa ao Canada moa dia miodina amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina avokoa, ka nanambara Atoa Justin Trudeau fa vonona hifampizara traikefa sy hanohana an'i Madagasikara amin'ny fametrahana vahaolana haingana sy maharitra amin'ny fampidirana herinaratra ho an'ny rehetra.

Publié dans Vaovao

Tsy mino aho hoe tsy ampy antsika Malagasy ny vary vokatra eto.

Tsy mbola nahita aho hoe lany ny vokatra eny an-tsena, na nisy nilaha-bary, ny vary stock afarana atao vary mora no misy mpilahatra.

- Ka maninona tsy vary gasy no vidiana dia amidy mora?

- Maninona tsy ny lalana amoaham-bokatra no amboarina, any amin'ny faritra maro mamokatra in-telo isan-taona, nefa dorana ny vary satria tsy tafavoaka.

- Maninona tsy ny kubota sy ny tracteur no zaraina, na amidy mora, na amidy averina tsikelikely ny vola, ho an'ny tantsaha?

- Maninona tsy ampiana amin'ireny zezika Bio vita malagasy ireny ny tantsaha, fa simbaina amin'ny zezika simika, sady manimba tany no hanimba ny vokatra.

Publié dans Editorial

Mandray anjara amin'ny fanatrarana ny vina napetraky ny Kaominina amin’ny fitandrovana ny fahasalaman'ny mponina, fahadiovan'ny tanàna sy ny fanafoanana ny fanaovana maloto ankalamanjana ny Centre Ketsa sy ny Association Zazakely Sambatra.

Nisy ny fananganana fotodrafitrasa “trano fivoahana manarapenitra” izay atolotra manokana ho fananana tantanan'ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, Distrika Antananarivo Atsimondrano, ho mariky ny fiaraha-miasa.

20 ka hatramin’ny 30% ny fianakaviana eto amin’ny faritra Analamanga dia mbola tsy manana toeram-pivoahana any an-tokatranony. Ary 51% ny zaza latsaky ny 5 taona tratran’ny aretim-pivalanana maro samihafa.

Publié dans Sociale

Ao Addis Abeba, renivohitr’i Etiopia hatry ny omaly tolakandro ny Filoha Andry Rajoelina handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony faha-33 ireo Mpitondra Fanjakana sy governemanta eo anivon’ny Vondrona Afrikanina.

Nandray anjara tamin’ny fihaonana manokana, nokarakarain’ny Filohan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), Atoa. Akinwumi Adesina, ny filoha Rajoelina vao nigadona tany an-toerana, fihaonana niarahana tamin’ireo mpitondra fanjakana sy governemanta izay niompana indrindra tamin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Nanambara ny filohan’ny BAD fa isan’ny tompondaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara noho ireo hetsika ataon’ny fitondram-panjakana indrindra any amin’ny faritra atsimo.

Publié dans Politique

Hifarana ny 15 Febroary ho avy izao ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana, izany hoe enina andro sisa hanaovana izany eny anivon’ny Fokontany, indrindra ho an’ireo vao feno 18 taona, sy ireo vao nifindra amin'ny Fokontany.

 

Publié dans Tselatra

« Shop Airtel » iray, 150m miala ny kaomisarian’ny Polisy, eto Ambositra no notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny alin’ny sabotsy hifoha ity alahady 9 febroary ity.

Tafakatra hatrany amin’ny rihana faharoa misy ny tompontrano ireo jiolahy rehefa avy nanapaka ny jiro tamin’ny kaontera amin’ilay trano.

Naratra voatifitra basy ilay renim-pianakaviana. Nandalo fandidiana avy hatrany tao amin’ny hopitaliben’Ambositra izy vantany vao tonga tao. Naratra mafy voavely « barre à pince » sy tsatok'antsy rangahy vadiny, ary niditra efitrano fandidy io maraina io ihany koa.

Tsy voakitika ny zanak’izy ireo.

Publié dans Tselatra
dimanche, 09 février 2020 14:30

Coronavirus: Tafakatra 803 ny maty any Chine

803 ny namoy ny ainy any Chine vokatry ny valanaretina coronavirus, ka teratany amerikanina ny iray amin’ireo. Maty tao amin’ny hopitalin’i Wuhan, faritra nipoirain’ity valanaretina ity, io teratany amerikanina, 60 taona io. Nanamafy ny fahafatesany ny masoivoho amerikana any Chine, na tsy nitondra fanazavana fanampiny aza.

 

Publié dans Tselatra

Miangavy ireo mpitia baolina rugby, mikasa ny hijery ny lalao famaranana anio eny amin’ny Kianja Makis-Andohatapenaka, ny Malagasy Rugby « mba hijanona any an-trano » avokoa mba « hisorohana ny fifanosehana », araka ny fanambarana nataony io maraina io.

Efa feno ny toerana noho ny fahamaroan'ny olona tonga mijery baolina, hoy ny fanambarana, koa entanina hijanona any an-trano ireo rehetra mbola mikasa ny handeha eny amin'ny Kianja Makis.

 

Publié dans Sport