Filtrer les éléments par date : vendredi, 21 février 2020

Nafana ny adihevitra nihidy aman-trano tao amin'ny efitra malalaky ny foibem-paritry ny rano eto Sambava Centre, omaly Alakamisy, raha namory ireo mpitarika klioba baolina kitra ato amin'ny Faritra SAVA ny ligim-paritry ny baolina kitra.

Raha hitady vahaolana mba hanatsarana ny baolina kitra aty SAVA ny lahadinika dia tsy nisy tapaka afa-tsy ny hoe : « Ravao tanteraka ny ligy fa tsy misy ny ilàna azy intsony », hoy ireo mpivory.

Nanambara ny avy amin'ny klioba « Jaolahin’ny Iharana » Vohémar fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny SAVA raha tsy rava ny ligy ka miova olom-baovao. Nanamafy izany koa ny avy amin'ny Alliance Andapa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nanao hetsika teo anoloan’ny masoivoho frantsay eo Ambatomena-Antananarivo, androany maraina, niaraka tamin'ny sorabaventy ireo mitaky ny hamerenana ny « Nosy Malagasy » amin’i Madagasikara.

Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitsidika ireo fotodrafitrasa mandrafitra ny tetikasa « Lalankely III », izay vatsian'ny fitondrana Frantsay amin'ny alàlan'ny AFD vola, ny Minisitry ny raharaham-bahiny frantsay Jean-Yves Le Drian androany. Teny amin'ny faritra Ankazomanga ny delegasiona notarihiny notronin'ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy Hajo Andrianainarivelo sy ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Fotodrafitrasa toy ny trano fidiovana sy fivoahana, làlankely sy tetezana vita rarivato sy simenitra anatin'ny tanàna, ary paompy fizarana rano fisotro madio, napetraka araka ny tanjona ho fanatsarana ny fiainana an-davanandron'ny mponina sy fanatsarana ny endriky ny tanàna, araka ny bokin'andraikitry ny tetikasa « Lalankely ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

"Il n'est pas question de donner les îles éparses à Madagascar, elles appartiennent à la France, les Malgaches vont juste les détruire", chuchote-on autour d'un verre.

(Photos fb, illustration, réception à l'ambassade de France jeudi 20 février 2020)

 

Publié dans Fil info

Tao anaty gony, nisy nametraka teo amoron-dalana eo ampitan’ny Tranoben’ny Varotra eto Toliara ireto taolampaty ireto, no nisy nahita androany zoma 21 febroary maraina. Saika hatao inona ?

Mandray an-tanana ny raharaha, nanokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notanterahina ny alakamisy 20 febroary 2020, teny amin’ny foibeny teny Andrefan’Ambohijanahary-Antananarivo ny lanonam-panokafana ny fotom-piasan'ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice).

Manjany Bienvenu, Ramparison Luc, Rasamoelina Brigitte ary Ramahavalisoa Hanitra Eliane ireo loholona efatra solotenan’ny Antenimierandoholona ao amin’ny Fitsarana Avo.

Ny Fitsarana Avo no miandraikitra ny fitsarana ireo raharaha mikasika ireo olom-panjakana ambony.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Nandrombaka medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan'i Afrika Faritra faha- IV amin’ny taranja lomano teo amin’ny halavirana 100m mitsilany i Tendrinavalona Idealy, omaly, tamin’ny fifaninanana natrehiny tao Gaborone-Botswana.

Miisa efatra ny mpilomano malagasy miaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninana afrikanina atao any Gaborone (Botswana) dia i Tendrinavalona Idealy, Rabejaona Oly Antsa, Rakotomavo Jhon ary Andrianirina Lalanomena Anthony.

 

 

Publié dans Sport

Kaominina isany nisedra rano be nentin’ilay andro ratsy Francisco ny Kaominina Masomeloka, 60 Km miala an’i Mahanoro. Maro ny traboina ato amin’ity Kaominina ity.

Nampiasaina ny sambo kely haingam-pandehan’ny ''Corps de Protection Civile" nananteran’ireo miaramilan'ny Faritany Miaramila fahatelo ny fanampiana ho an’ireo traboina eto an-toerana ny 19 febroary lasa teo.

 

 

Publié dans Tselatra

Natolotra ny Fitsarana omaly 20 febroary 2020 ny tovolahy iray, izay tonga mba hangata-bady tamina fianakaviana iray tao Amboangibe Bemarivo, kinanjo nanampoizina ny tokantran’ilay vehivavy nokasainy hampakariny tamin'ny alalany zava-pisotro nasiana fanafody mampatory « valium » izany, dia avy eo norobaina ny lavanila milanja any amin'ny 300kg tao an-trano.

Herintaona taorian'ny nanaovany izany zava-doza izany izao vao voasambotra ny 13 febroary 2020. Nanohy ny fikarohana ny Polisim-pirenena ka voasambotra omaly ireo mpividy io lavanila halatra io, miisa roa izy ireo.

Publié dans Vaovao

Deux conventions de partenariat entre la France et Madagascar ont été signées, hier, au Palais d'Etat d'Iavoloha. La France débloque un appui budgétaire de 240 millions d'euros en guise de soutien à la mise en oeuvre du Plan Emergence Madagascar.

La première convention signée porte sur la subvention de 14,3 Millions d'Euros pour un appui au plan sectoriel de l'éducation (PSE). La signature a été effectuée entre le Ministre chargé de l'Aménagement du territoire et des Travaux publics, Hajo Andrianainarivelo qui assure l'intérim du Ministre de l'Economie et des Finances, et l'Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard, en présence du Président malagasy et du Ministre français en charge de l'Europe et des Affaires Etrangères.

La seconde convention portant sur l'accord-cadre de partenariat sur l'éducation d'une durée de trois ans a été signée par la Ministre de l'Education nationale, de l'Enseignement technique et Professionnel, Rijasoa Andriamanana Josoa, et l'Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2