Filtrer les éléments par date : jeudi, 13 février 2020

Tontosa tao Mahavelona Foulpointe, androany, ny lanonana fanokafana amin'ny fomba ofisialy "ny fizarana ny lay misy odimoka maharitra mitohy eny anivon'ny fiarahamonina". Nanolotra lay misy odimoka maharitra miisa iray tapitrisa avy amin’ny fanjakana amerikana, amin'ny alàlan'ny Presidential Malaria Initiative (PMI) izay an’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana manerantany (USAID), izay mamatsy vola ny lay sy ny hetsika fizarana, mitentina 3,88 tapitrisa dolara.

Tamin'ny taona 2018 dia lay miisa 13 tapitrisa no nozarain’ny USAID sy Global Fund manerana an'i Madagasikara. Ireto lay 1 tapitrisa ireto izany dia hasolo ireo efa simba ary hiantoka ihany koa ny fiarovana an’ireo tokantrano vaovao.

Publié dans Sociale

Les travaux de réhabilitation et de rénovation du Palais de la Reine d’Antananarivo avancent et seront achevés d’ici la célébration des 60 ans de l’indépendance. Le Président de la République Andry Rajoelina a effectué une descente sur les lieux pour constater de visu l’avancement des travaux ce 13 février 2020.

A ce jour, les travaux de bétonnage et de maçonneries sont achevés et nous entamons actuellement la phase de finition. Toutes les édifices et monuments composants le Palais autrefois, seront reconstitués à l’identique. Une attention particulière sera accordée à la salle du trône, qui se situera au premier étage du Palais. Elle sera restaurée exactement comme sa forme d'autrefois, allant des détails qui composeront le parquet aux ornements muraux.

Publié dans Art et Culture

Nomen’ny fanjakana Malagasy alalana ny kaompania CGHV (Compagnie Générale Hydroélectrique de Volobe) hitrandraka herinaratra avy amin’ny tohodrano ao Volobe, Toamasina, mandritra ny 35 taona. Notanterahana androany 13 febroary 2020 ny rangom-pohy mikasika izany sy ny fifanaovan-tsonia hividianan’ny JIRAMA herinaratra vokarin’ity kaompania ity.

Hiatomboka amin’ity taona ity ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Volobe izay hamokatra 120 MW ho an’ny faritra Atsinanana sy ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mialoha ny faran’ny taona 2023 no heverina hamokatra voalohany ity tobim-pampokarana herinaratra ity.

Tokantrano manodidina ny 360 000 no hisitraka izany ary hiteraka asa maherin’ny 400 ny fanatanterahana ny tetikasa.

Publié dans Economie

Miverina ny hetsika fitandroana fahalemana antsoina hoe : « Papango ». Efa nisy teo aloha ilay antsoina hoe «Dispositif papango» ary hamafisina izany amin’izao, hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG). « Aseho ny Vahoaka fa tokony hatoky ny mpitandro filaminana izy ary atao tsapan'ireo jiolahy ihany koa fa manao ny asany ny mpitandro filaminana ».

Nanome toromarika koa ny SEG fa « hohamafisina ny fisavàna ny moto sy ny fiara amin’ny alina, ary tokony hanaiky ny fandaminana ny olona satria matetika dia moto no entin’ireo mpanao fanafihana manao ny asa ratsiny. Tokony hatoky ny olona fa manao ny asany ara-dalana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ».

Publié dans Vaovao

Kaominina miisa 24 no haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna miaraka amin’ny fifidianana mpanolontsaina. 120 andro aorian’ny naharaisan’ny ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana ny didim-pitsarana nanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana kaominaly navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no voalazan’ny lalàna fa anatanterahana ny famerenana ny fifidianana.

Mbola ny lalàna no manondro fa manao fangatahana volavolana tetiandro avy amin’ny CENI ny governemanta, izay ny CENI vao manolotra ny tetiandro hanatanterahana io fifidianana io.

Lalàna ihany koa no mamaritra fa 90 andro mialoha ny latsabato no iantsoana ny mpifidy.

 

Publié dans Politique
jeudi, 13 février 2020 11:00

No Comment

No Comment

Publié dans Fil info

Vita, omaly, ny fandraisana ara-teknika ny Kianja mitafo vaovao eo Vatofotsy ary dia ho tokanana tsy ho ela ity foto-drafitrasa ity.

Dingana iray hampakarana avo ny lentan’ny fanatanjahatena eto Antsirabe ny fahazoana ity Kianja mitafo ity.

 

 

Publié dans Sport

Fiara « carandal » mitondra mpandeha niainga avy ao Antananarivo hiazo an’i Tolagnaro, no notafihin’ny andian-dahalo telopolo lahy mitam-basy tamin’ny lalam-pirenena faha-13 teo amin’ny tanànan’i Manakilova Tsimitsoy, Kaominina Isoanala, Distrikan’i Betroka ny alin’ny alarobia hifoha ity alakamisy 13 febroary ity.

Nitifitra ireo dahalo nampijanonana ny fiara. Voa teo amin’ny kibony ny mpamily naratra mafy, nitarika amin’ny fahafatesany. Voaroba avokoa ny vola sy firavaka ary entana lafo vidy an’ny mpandeha, anisany very tamin’izany ny fananan’ireo atleta solontenan’ny faritra Anôsy avy niatrika fifaninanam-pirenena tao Antsirabe Vakinankaratra.

Tsy nijanona teo fa nanafika tanàna teo amin'ny manodidina ireo andian-dahalo ireo, ka olona roa tompon’omby voatifitry ny dahalo, nisy tamin’ireto farany koa voatifitry ny Zandary.

 

Publié dans Tselatra

Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny klioba Jet Mada i Rakotondrabe Romuald, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Maitre Rôrô. Nanaja ny fanapahan-keviny ny klioba.

Fantatra taorian’izay fa lasa mpanazatran’ny As ADEMA Analamanga i Maitre Rôrô.

Laharana faha-5 mitovy ny As ADEMA sy ny Jet Mada eo amin’ny fifaninanana Pro League.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
jeudi, 13 février 2020 10:16

13 février: Journée mondiale de la radio

13 février: Journée mondiale de la radio.

 

Publié dans Fil info