Filtrer les éléments par date : samedi, 04 janvier 2020
samedi, 04 janvier 2020 22:13

Communication DG Jirama Vonjy Andriamanga

Suite aux vents violents qui se sont abattus sur la ville d’Antananarivo, le réseau électrique a subi de nombreux dégâts.

De nombreux poteaux sont tombés dont un pylône haute tension 138.000V à Behitsy.
Ces dégâts ont généré des coupures de l’alimentation électrique dans plusieurs quartiers de la ville.
Les équipes de la #JIRAMA sont et seront sur le terrain dès cet après-midi et toute la nuit pour remettre au plus vite l’électricité.

(Voir Suite Photo)

 

Publié dans Fil info
samedi, 04 janvier 2020 22:12

Fanambaràna Jirama

Tapaka ny herinaratra amin'ireto toerana manaraka ireto noho ny fianjeran'ny "pylône" lehibe iray eny Behintsy ka niantraika amin'ny fitaovam-pitaterana herinaratra amin'ny faritra maro:

Ilafy - Ambatobe - Nanisana - Ankadinframamy- Mahazo - Ambatomaro - Antsobolo - Ambohitrarahaba - Andranobevava - Amboditsiry - Ambodivona - Ambatomainty - Manjakaray - Anjanahary.

Publié dans Tselatra

Hanomboka ny asa fanavaozana ny kianjan’i Mahamasina mba hanara-penitra. Mitentina 77 tapitrisa dôlara, vola madiodion’ny fanjakana malagasy, ny asa fanamboarana izay haharitra 18 volana, izay hitsinjara in-droa miantoana. Hisantarana azy ny « tribunes » izay harodana ary havaozina tanteraka ka hovitaina mialoha ny 26 jona 2020.

Hitohy hatramin’ny volana jona 2021 ny asa. Hitondra ny anarana « Kianja BAREA » rehefa vita.  Hahazaka mpijery 40 880 ny kianja rehefa vita, ka 15 536 ny toerana eny amin’ny « tribunes » hiampy toerana vaovao miisa 9 704 ny eny amin’ny « gradins » ankoatra ireo 15 640 amin’izao fotoana izao.

Publié dans Sport

Tanàna maromaro amin’ny toerana iva eto an-drenivohitry ny faritra Boeny no misedra fahasahiranana vokatry ny fiakaran’ny rano nateraky ny orana nijojo efa andro vitsivitsy izao. Miditra an-trano ny rano, tonga hatreny ambany helika amin’ny toerana sasany.

Miara-misalahy ireo herivelona eto an-toerana manavotra ireo traboina hiala amin’ny toerany, ka mametraka azy ireo amin’ny toerana voatokana toy ny ao amin’ny EPP Fiofio. Nandray anjara tamin’izany ny Zandary sy ny Miaramila.

Nanampy izay vitany ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoaka Rahantanirina Lalao fantatry ny maro hoe Nina.

Publié dans Vaovao

Nanao hetsika teo amin’ny biraon’i Mamy Claver, omaly hariva, ireo mpanohana mitaky ny hamoahana azy.

Kandida Ben’ny tanàna tsy miankina teto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava tamin’ny fifidianana natao ny 27 novambra 2019 i Mamy Claver. Mitarika vonjimaika amin’ny isam-bato raha ny vokatra navoakan’ny CENI.

Eo ampiandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, Toliara, no nitontona ny fiantsoana azy hiseho eo anatrehan’ny fitsarana ny 2 janoary 2020 noho ny fitorian’ny kandida mpifaninana aminy.

Efa nanodidina ny misasakalin’io 2 janoary io no nivoaka ny didy, mitazona azy am-ponja. Mitaky ny hamoahana azy ireo mpomba azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nifarimbona nametraka saina mena, izay mamaritra ny faritra mety hianjeran'ny vato eny Ambanin'Ampamarinana mba ahafantaran'ireo mponina eny an-toerana ny loza izay mitatao azy.

Niara-nanatanteraka izany, omaly, ny teo anivon' ny BNGRC, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Corps de Protection Civile, ny Sapeur Pompier ary ny Polisy Monisipaly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
samedi, 04 janvier 2020 09:25

4 janvier: Journée mondiale du braille

Le braille est un système d’écriture tactile à points saillants, à l’usage des personnes aveugles ou fortement malvoyantes.

 

Publié dans Fil info