Filtrer les éléments par date : dimanche, 08 septembre 2019

Andro manan-tantara ho an’ny fiangonana FJKM ny 8 septambra. Feno 90 taona androany ny fahagagana lehibe samihafa, dia ny nandresena ny sampin-dRamiaramanana tao Andriambodilova - Ambohimanarina Antananarivo.

 

Publié dans Art et Culture
dimanche, 08 septembre 2019 22:52

8 septembre

Journée Internationale de l'alphabétisation.

 

Publié dans Fil info

Teo ampamaranana ny teniny, nandritra ny fihaonan'ny Papa Fransoa tamin'ireo Pretra sy Relijiozy tao Amparibe, dia nisaotra manokana an'i mopera Marcel, nanao ny fandikan-teny nanomboka teny Ivato, sy tamin'ny fihaonana rehetra nataon'i Papa teto Madagasikara.

Feno fanetre-tena i mopera Marcel, ka tsy nadikany ny tenin'i Papa nisaotra azy, fa ny Papa no niangavy azy handika ny fisaorana nataony azy.

Mompera Ranivomanalina Marcel, « curé » ao amin’ny EKAR Fiakarana Ambohitrimanjaka – Antananarivo no nanao ny fandikan-teny ho an'i Papa Fransoa nandritry ny fitsidihana Apostolika notanterahiny teto Madagasikara.

Nitsofiny rano manokana moa ity Pretra ity avy eo.

 

Publié dans Tselatra

Nanakatona ny fitsidihan'ny Papa Fransoa androany alahady 08 septambra ny fihaonany tamin'ireo Pretra, Diakra, seminarista, frère, katekista, masera sy Relijiozy lahy sy vavy, tao amin'ny kianjan'ny Masina Misely Amparibe.

Notsindriany tamin'izany ny toetra fanetren-tena tokony ananan'ireo mpitarika ny Fiangonana, ny fankaherezana azy ireo amin'ny asa mafy izay sahanina, indrindra ny fanantonana akaiky ny vahoaka taritina, ny fahaizana mihaino azy ireo, ny fitondran-tena mendrika.

Tsy adinony teo ampanombohana ny nahatsiaro ireo olom-boatokana tsy salama, na tsy afaka nanantona izao fihaonana Apostolika izao.
Nangataka tamin'ireto Pretra sy Relijiozy ireto izy hitondra ambavaka azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 08 septembre 2019 22:14

Akamasoa: Fihaonana tamin'ireo Silamo

Nanamarika ny andro anio ny fifampiarabana nataon'ny solotenan'ny Silamo eto Madagasikara, notarihan'ny filohany, sy ny Papa Fransoa teny amin'ny toby Akamasoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 08 septembre 2019 20:25

Akamasoa

Akamasoa 

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture
Page 2 sur 2