Filtrer les éléments par date : samedi, 28 septembre 2019

Nisy ny fihaonan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay mitarika ny delegasiona malagasy any New York miatrika ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, sy ny Lefitry ny Sekereteram-panjakana Amerikana, Malika James, ny 26 septambra 2019. Nanao jery todika ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Amerika ny roa tonta. Noresahina manokana ny mikasika ny fanjakana tsara tantana sy lafiny demokrasia. Nahafaly ny firenena Amerikana ireo ezaka nataon’i Madagasikara tamin’ny fitazonana ny filaminana taorian’ireo fifidianana nisesy teto an-toerana.

Nankasitrahany ny ezaka vita teo amin’ny fitandroana ny fanajana ny zon’olombelona, indrindra eo amin’ny ady amin’ny fanondranana olombelona sy ny fampiasana zaza tsy ampy taona, indrindra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny famerenana ireo olona lasibatr’izany, hany ka lasa modely mihitsy i Madagasikara amin’io sehatra io.

Publié dans Economie
Page 2 sur 2