Filtrer les éléments par date : samedi, 28 septembre 2019

Nodimandry tany Singapour, tamin’ny 6 septambra teo amin’ny faha-95 taonany i Robert Mugabe, filohan’i Zimbabwe teo aloha.

Tao Kutama tanindrazany, Distrikan’i Zvimba no nandevenana ny nofomangatsiakany androany sabotsy 28 septambra tolakandro fa tsy tao amin’ny « Champ des héros de la nation » araka ny nomanin’ny fitondrana.

(Jereo Sary Tohiny)
Publié dans Tselatra

Ala honko mirefy 50ha no voavoly « propagule » 500 000 isa tao amin'ny Fokontany Betania. Nitarika ny hetsika ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra niaraka tamin’ireo fikambana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.

« Mahavelombolo ny firaisankina » hoy ny minisitra izay « midika ho fahavononana hanarina an’i Menabe ho maitso ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nisy andian’olona avy amin’ireo Kaominina voakasiky ny tetikasa « Tanamasoandro », izay fanorenana tanàna vaovao araka ny vinan’ny filoha Rajoelina, nilanja sorabaventy androany manohitra ny hanotofana ny tanimbariny. Nisy ihany koa ireo tantsaha naneho ny alahelony manoloana ny fanohanana ny rano manondraka tanimbary izay misy efa vita ketsa.

Teo amin’ny sampanana « Artisanat » miazo an’Ambohitrimanjaka, izay tsenan’ny asa tanana manamorana ny lalana Digue Ambodihady Ambohimanarina-Antananarivo izy ireo no nifamotoana androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Orinasa mampiasa Malagasy maro ao Ankofafa Fianarantsoa an’ny vondrona « Le Relais Madagascar ». Ity orinasa ity no namokatra fiara Karenjy natao « Papamobile » tamin’ny fitsidihana masina nataon’i Papa Jean Paul II tamin’ny 1989, mbola « Mazana II », vokatry ny orinasa Karenjy, ihany koa no natao « Papamobile » tamin’ny fitsidihana masina nataon’i Papa Fransoa tamin’ity taona 2019 ity.

Tonga nitsidika ity orinasa ity ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina androany manome lanja ny famokarana miainga avy eto an-toerana. Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatra ara-indostria eto Madagasikara, hoy izy ary mila tohana sy fampivoarana ny mpandraharaha.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

28 septembre: Journée mondiale du droit à l'avortement.

 

Publié dans Fil info
samedi, 28 septembre 2019 17:39

28 septembre: Journée mondiale contre la rage

28 septembre: Journée mondiale contre la rage.

 

Publié dans Fil info
samedi, 28 septembre 2019 17:37

28 septembre: Journée Mondiale des sourds

28 septembre: Journée Mondiale des sourds.

 

Publié dans Fil info

28 septembre: Journée Internationale du droit d'accès à l'information.

 

Publié dans Fil info

Niondrika an’isa 1 noho 3 teo an-jaridainany ny Cnaps Sport nanoloana ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaofederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra (CAF) natao io tolakandro io teny Vontovorona.

Efa nitarika 1 noho 0 ny TS Galaxy tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny segaondra farany tamin’ny fotoana fanampiny 3 minitra hifaran’ny lalao no nahatafiditra ny baolina tokana ny Cnaps Sport.

Efa resy tamin’ny isa 0 noho 1 ny Cnaps tamin’ny lalao mandroso.

(Jereo Sary )

 

Publié dans Sport

Niondrika an’isa 1 noho 3 teo an-jaridainany ny Cnaps Sport nanoloana ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaofederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra (CAF) natao io tolakandro io teny Vontovorona.

Efa nitarika 1 noho 0 ny TS Galaxy tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny segaondra farany tamin’ny fotoana fanampiny 3 minitra hifaran’ny lalao no nahatafiditra ny baolina tokana ny Cnaps Sport.

Efa resy tamin’ny isa 0 noho 1 ny Cnaps tamin’ny lalao mandroso.

(Jereo Sary Tohiny)

 
Publié dans Sport
Page 1 sur 2