Filtrer les éléments par date : mercredi, 25 septembre 2019

Isan’ireo vahiny manan-kaja tonga ao New-York, Etazonia, miatrika ny fivoriambe faha-74 ny Firenena Mikambana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta malagasy sady minisitry ny raharaham-bahiny Ntsay Christian.

Niaraka naka sary ny Filoham-pirenena Amerikanina Donald J. Trump sy Melanie Trump, vadiny, sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny fotoana natokana ho an'izany, talohan' ny fihaonana diplomatika ny talata 24 septambra 2019 tao amin'ny Lotte New-York Palace ao New-York.

 

Publié dans Tselatra

Tamin'ny 17 jolay 2017 no navoakan'ny Banky Foiben'i Madagasikara hanankery eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny ravim-bola vaovao 20 000Ar, 10 000Ar, 5 000Ar ary 2 000Ar. 

Ny volana septambra 2017 kosa ny vola 1 000Ar, 500 Ar, 200Ar ary ny 100Ar.

Roa taona katroka izao no navoaka ireo vola vaovao ireo.
Mbola manan-kery avokoa hatreto ireo vola nivoaka tamin'ny 2003. Karazam-bola roa no mihodina eny an-tsena. Ny fanjakana tsy nametra ary tsy hita taratra ny ezaka te hanolo ilay vola teo aloha, na ny fitondrana teo aloha namoaka ny vola, na ny fitondrana ankehitriny nandimby.

Publié dans Economie
mercredi, 25 septembre 2019 14:56

FJKM: Manohana ny tetik'asa MAHAY

Ny sekoly FJKM dia nanatanteraka tetik'asa antsoina hoe MAHAY, ho fanabeazana ny ankizy manana fahasembanana, ilay atao hoe fanabeazana mampiaty.

Ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, amin'ny alalan'ny departemantan'ny sekoly FJKM,dia mandray anjara amin'ny fanatsaràna ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy manana fahasembanana, amin'ny alalan'ny tetik'asa MAHAY, izay tohanan'ny CBM na ny Christoffel-Blinden Mission.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture
mercredi, 25 septembre 2019 14:02

Fahasalamana: Handray dokotera 140 ny fanjakana

Ao anatin’ny iray volana, nanomboka ny 23 septambra 2019 hatramin’ny 22 oktobra 2019 ny fandraisana antotan-taratasy fangatahana.

Fari-piadidiana ara-pahasalamana miisa 14, dia Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Boeny, Betsiboka, DIANA, Ihorombe, Melaky, Menabe, SAVA ary Sofia no handraisana an’ireo mpitsabo ankapobeny miisa 140, horaisin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ireo.

 

Publié dans Tselatra

Mitohy hatrany ny fanadiahadiana momba ity orinasa mpandredrika vy JR Métaux etsy Ampangambe Analamanga RN7 ity.

Mpiasa raikitra 200 no voalaza ao anatin'ny bokin'andraikitra nomena ny ONE, na ny sampandraharaha miaro ny tontolo iainana.

Ny zava-misy ankehitriny, dia Malagasy ny antsasaky ny mpiasa, ary ny ankamaroany dia niasa efa aman-taonany maro, fa dia miasa karamaina isan'andro, tsy misy fiarovana ara-tsosialy, tsy misoratra CNAPS, na dia manery izany aza ny lalànan'ny asa, eny na olona manao asa an-tselika aza, dia mila anaovana fanambaràna avokoa.

Ny tena manaitra dia ny mahita ny lisitr'ireo mpiasa vahiny zato latsaka, izay nafarana avy any Inde avokoa, raha ny andraikitra tanan'izy ireo dia asa tsy manana fahaiza-manao firy, ary mety vitan'ny Malagasy eto an-toerana ny ankamaroany. Ny mahavariana anefa dia ny an-tsasak'ireo mpiasa ireo dia teraka ny 1 janoary avokoa, ary dia manodidina ny 35 taona avokoa vao naka kara-panondro.

Publié dans Sociale

Nahemotra ho amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana manaraka (faha-75) ny lahadinika mikasika ireo Nosy Malagasy (iles éparses) giazan’ny Frantsay.

Publié dans A la Une

Mitohy anio ny fivoriambe faha-74 ny Firenena Mikambana, rehefa nisokatra ofisialy omaly. Hanana anjara fitenenana i Madagasikara. Teo amboalohany dia tokony amin’ity anio ity ny anjara fotoana, raha ny tapaka farany tamin’ny zoma anefa dia mihemotra ho amin’ny sabotsy 28 septambra 2019 ny fandraisam-pitenenan’i Madagasikara.

Ntsay Christian, praiminisitra lehiben’ny governemanta, sady minisitry ny raharaham-bahiny, no mitarika ny delegasiona malagasy miatrika ity fivoriamben’ny Firenena Mikambana any New York, Etazonia ity.

Resahina betsaka mandritra izany ny ady amin’ny fahantrana, ny kalitaon’ny fanabeazana, ny amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny tsy fandraisan’andraikitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
mercredi, 25 septembre 2019 11:15

Éducation nationale: Echec et mat

Le Grand Timonier chinois Mao Tsé-toung déclara 5 décennies plutôt « il n'y a pas d'élèves cancres mais que des enseignants nuls », ces paroles à l’allure prophétique illustrent bien les résultats scolaires de ces 10 dernières années à …Madagascar. Ils ne cessèrent de dégringoler à l’image de ceux du Brevet d’Etudes du Premier Cycle (BEPC) dont la cuvée 2019 n’a atteint que 20-30 % en moyenne nationale, parfois même de 10% dans certains centres d’examens. Des collèges affichent des résultats avoisinant les…0%.

La chute a été rude par rapport aux 48,81% de l’année dernière. Que va-t-on faire de tous ces redoublants, en plus des nouveaux arrivants en classes de 3ème ? Que sera le taux de réussite pour le baccalauréat cette année ? La même chose qu’au BEPC ? Il ne faut pas oublier que l’évolution de l’enseignement du primaire au supérieur ressemble à un goulot d’étranglement, seul 1% atteint la sortie de l’université !

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2