Filtrer les éléments par date : lundi, 23 septembre 2019

Toy izao ny firafitry ny vola miditra sy mivoaka ao anatin'ny orinasa salama iray.

- CA (Chiffre d'affaire, na ny vola maty, recette): 100

- Charge fixe (hofan-trano, JIRAMA, téléphone, déplacement, assurance, fourniture de bureau...): 30

- Matière première ou marchandise (Vidin'entana na akora vokarina): 30

- Salaire et charge sociale - Taxe IRSA - CNAPS - Santé (karaman'ny mpiasa): 30

- Bénéfice brut avant impôt (tombom-barotra alohan'ny hetra): 10

- Bénéfice Net (tombom-barotra afaka hetra): 5%

- Taxe Etat (Hetram-panjakana aloa): TVA 20% + 20% impôt sur le revenu.

Publié dans Economie

Nanomboka androany 23 septambra, ka hatramin'ny 27 septambra izao ny hetsika fandidiana faobe ny aretina « hernie », tanterahina aty amin'ny hopitalibe Androva Mahajanga, ho fitsinjovana sy fitsaboana ireo mararin’io aretina io, nefa tena sahirana eo amin'ny fiaraha-monina.

Anisan'ireo aretina mpitranga matetika, ary mety mahavoa ny sokajin-taona rehetra ny « hernie ». Miisa 50 ireo marary handalo fandidiana mandritra ity andiany ity, ka olon-dehibe ny 10 amin’ireo, ary zaza ny 40.

Tanjon’ity hetsika ity ny hanasitrana ireo olona tratry ny aretina « hernie », ny hamerenana ny hasin'ny hopitalim-panjakana, ary ny famerenana indray ny fahatokisan'ny Vahoaka izany hopitalim-panjakana izany.

Mifarimbona amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, ny DGFS, ny Fiadidiana ny Repoblika, ny VPN, Ministeran'ny Mponina, ny DRSP Boeny, ary ny CHU PZAGA Androva.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanolotra vola mitentina 3 000 000 Ar sy fanamiana « survêtement » ho an’ny Barea CHAN ireo mpitia kitra Malagasy tany ivelany sy teto an-toerana. Natolotra ny sabotsy hariva teo, teny amin’ny hotely nipetrahan’ny ekipa nasionaly nialoha ny fihaonana tamin’i Namibia ireto tolotra ireto, ho fanohanana azy ireo amin’izao dingana fahatelo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handehanana any Cameroun amin’ny CHAN 2020.

Andiany faharoa ity fanampiana ity, ka ireo mpilalao izay tsy mbola nahazo tamin'ilay fizarana teo aloha, satria izao izy ireo vao mandrafitra ny Barea no niantefany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

3 200 Ariary ny litatra amoahan’ny orinasa HITA (Huilerie Industrielle de Tamatave) ny menaka fandrahoan-tsakafo vokariny. « Efa ho herintaona izao io vidin’ny menaka miainga any am-potony io», ary « tsy mbola mieritreritra ny hampakatra vidin’ny menaka ny orinasa amin’izao fotoana izao», hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa iray mpanamboatra menaka fihinana ity.

« Miezaka ny mamaly ny tinady amin’ny vokatra menaka ny orinasa HITA, ary tsy mbola ao anatin’ny vinavinan’ny orinasa ny fampiakaram-bidy », hoy hatrany ny tompon’andraikitra manoloana ny fitarain’ny mpanjifa amin’ny fiakaran’ny vidin’ny menaka fihinana eny an-tsena.

Nisokatra tamin’ny taona 2001 ny orinasa HITA ary mamokatra menaka« palme », « soja » sy « tournesol ». Mampiasa olona 400 mahery ny orinasa ankehitriny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Taranja vaovao hampidirina ao amin’ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny lisea amin’ny taom-pianarana ho avy io ity « Sciences économique et sociale » ity.

Misy nanomboka androany 23 septambra 2019, eto Antananarivo, ary haharitra dimy andro ny fanofanana ireo mpampiofana mikasika io taranjam-pampianarana vaovao io. Misy solontena mandray anjara amin’ity fiofanana ity avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy.

Ny masoivohon’i Frantsa no mamatsy vola izao fanofanana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

89 096 ny antontan-taratasy voarain’ny tompon’andraikitry ny tetikasa « Fihariana » hatramin’izao volana septambra 2019 izao. Avy ato amin’ny Faritany Antananarivo ny 30 688 tamin’ireo fangatahana famatsiam-bola amin’ity tetikasa ity ; avy ao amin’ny Faritany Toliara ny 21 656 ; avy ao Toamasina ny 15 827 ; avy any Fianarantsoa ny 10 598 ; avy ao Mahajanga ny 8 319 ary avy ao amin’ny Faritany Antsiranana ny 2 008.

Efa nandalo ny sivana rehetra mialohan’ny farany ny sasany amin’ireo, ary eo andalam-pikirakirana kosa ny hafa.

Hatreto dia miisa 3 210 ireo fangatahana voalaza fa nahafeno ny fepetra rehetra ho an’ireo izay efa nandalo ny sivana, ary efa eo am-pelatanan’ireo banky miara-miasa amin’ny tetikasa ny fangatahana amin’izao fotoana izao.

Publié dans Economie

Ny entana tao an-trano nasaina nandrasany no nahorony, nafatratrany tao anaty valizy, ary efa teny amin’ny « stationnement » handray taksiborosy hiazo an’Antsirabe izy no tra-tehaka.

Tovolahy vao 15 taona ity nahavanon-doza ity. Ny Polisy eto Morondava renivohitry ny faritra Menabe no nisambotra azy, ary atao fanadihadiana izy amin’izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka - Antananarivo ny faran’ny herinandro teo ny "Tournoi Rugby Santé féminine", nokarakarain'ny Tanora Garan'Teen sy ny Malagasy Rugby.

Mpiahy ity hetsika ity i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, minisitry ny serasera sy kolontsaina. Nilaza ity farany fa « Zava-dehibe loatra ny fanatanjahan-tena ho an'ny vehivavy, satria sady mitaiza ny vatana no mitaiza ny saina no mitaiza ara-piaraha-monina ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Notanterahina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka - Antananarivo ny faran’ny herinandro teo ny "Tournoi Rugby Santé féminine", nokarakarain'ny Tanora Garan'Teen sy ny Malagasy Rugby.

Mpiahy ity hetsika ity i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, minisitry ny serasera sy kolontsaina. Nilaza ity farany fa « Zava-dehibe loatra ny fanatanjahan-tena ho an'ny vehivavy, satria sady mitaiza ny vatana no mitaiza ny saina no mitaiza ara-piaraha-monina ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Efa hatramin’ny alakamisy 19 septambra lasa teo no lany ny solika tamin’ny toby mpaninjara eto Ampanefena. Filaharana izay tsy izy io maraina io, miandry solika, satria izay tonga lany eto amin’izao. Any amin’ny varomaizina vao mahita.

Nanararaotra ireo mpivarotra lasantsy any anelakelan-trano noho io tsy fisian’ny solika io ; tafakatra 10 000 Ar ny farany ambany ny iray litatra vao lany kely ny eny amin’ny toby mpaninjara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie
Page 1 sur 2