Filtrer les éléments par date : vendredi, 20 septembre 2019

Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny mponina, tamin’ny alalan’ny minisitra NAHARIMAMY Lucien Irmah sy ny filohan’ny Fondation Akbaraly, no sady filoha mpanatanteraka ny ONG La vita per te Dr Francesco Cimino. Haharitra 5 taona ny fifanarahana.

Ho an’ny ankizy kamboty sy marefo, ireo manana ray aman-dreny voatana any amin’ny fonja, ireo iharan’ny herisetra ara-pananahana, tanora mania, fianakaviana tsy manan-kialofana, vehivavy iharan’ny herisetra, vehivavy mitondra vohoka sy mampinono, be antitra, olona voahilika amin’ny fiaraha-monina, manana fahasembanana, ankizivavy lohan’ny fianakaviana, ny tetikasa. Ary miompana indrindra amin’ny fanampiana ny zaza kamboty, mirenireny, tsy misy mpiahy, fanatsarana ny fari-piainan’ny ankizy, ary indrindra fampahafantarana ny zon’ny ankizy ny fanampiana izay hataon’ny Fondation Akbaraly.

Publié dans Vaovao

Fito mianadahahy ireo mpikambana mandrafitra ity rafitra ity, izay hidina an-tsehatra eny ifotony, manomboka any amin'ny famokarana ka hatrany amin'ny fanjifana sira misy IODA sy "FLUOR" isan-tokantrano.

Nizara traikefa ary nanome fihofanana ho azy ireo ny ekipa avy amin'ny Ministeran’ny fahasam-bahoaka, izay notarihan'ny Talem-pitantana ny Fampiroborobona ny Fahasalamana, niaraka tamin'ireo teknisianina avy eo anivon'ny Sampandraharaha misahana ny fanjariantsakafo sy ny Sampandraharaha misahana ny fahasalaman'ny nify sy ati-vava.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tanterahina any Japon manomboka androany 20 septambra 2019 ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15. Ny fihaonan’i Japon mpampiantrano sy Rosia, ao amin’ny sokajy A, no nanokatra ny lalao androany.

Eo amin’ny andiany faha-9 izao ny fifaninanana, izay tanterahina isaky ny efa-taona, ary sambany izany no tanterahina any amin’ny kaontinanta aziatika. Tsy hifarana ity fifaninanana ity raha tsy amin’ny 2 novambra 2019, amin’izay no hahafantarana izay handimby an’ny All Blacks avy any Nouvelle-Zélande, tompondaka farany tamin’ny 2015 tamin’ny andiany faha-8 natao tany Angletera.

I Frantsa no hampiantrano ny andiany faha-10 amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny rugby ity amin’ny 2023.

 

Publié dans Sport

Nanomboka androany ny fialan’ireo Kaoperativa mitrandraka ny zotra amin’ny lalam-pirenena faha-5 sy faha-2 nitoby teny Ambodivona Antananarivo, ka nifindra eny amin’ny « Gare routière Makis » Andohatapenaka. 25 no hifindra, ary efa nanomboka nameno fiara teny Andohatapenaka ny telo tamin’ireo androany maraina.

Nisy mpitandro ny filaminana nanara-maso ny fialana teny Ambodivona ho an’ireo kaoperativa mbola nihazohazo teny an-toerana, ankoatra ireo manana fiantsonana manokana nankatoavin’ny ATT.

 

Publié dans Tselatra

Notolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National » i Maria Luisa Monti noho ny asa soa lehibe vitany teto Madagasikara.

Tonga teto Nosy-Be Hell Ville ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana Sosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, Naharimamy Lucien Irmah, nisolotena ny fitondram-panjakana malagasy naneho fankasitrahana sy nanolotra azy ny mari-boninahitra.

Teratany Italiana i Maria Luisa Monti ; tamin’ny taona 1978 izy no tonga teto Madagasikara. Asa sosialy maro no nataony ary ny tena nampiavaka azy dia ny nananganany ny Association Giovanna per il Madagascar ny taona 2009. Nandray an-tanana ireo zaza voan’ny diabeta ny fikambanana tamin’izany. Nanomboka teo dia tsy nitsahatra ny fanampiany ka niroso tamin’ny fananganana sampana fitsirihana ny diabeta teto Nosy-Be Hell Ville. Nifandray tamin’ny AMADIA (Andia Malagasy Miady amin'ny Diabeta) rahateo izy. Nitohy tamin’ny fanatsarana ny ivotoerana teto Stella Maris.

Publié dans Sociale
vendredi, 20 septembre 2019 13:06

Diplomatie: économique ou népotisme ?

Après huit mois d’exercice, l’administration Rajoelina vient de nommer sa première fournée d’ambassadeurs. Il s’agit de Rajohnson Rija Olivier Hugues, nommé Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire auprès de la République française, Mme Yvette Sylla, Ambassadeur auprès de l’UNESCO à Paris, le général (ER) Camille Albert Vital, Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire auprès de la République de Maurice, ainsi que Jean Omer Beriziky nommé Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, représentant Madagascar auprès du Royaume de Belgique et de l’Union Européenne à Bruxelles.

Un brin de népotisme ?

« Le népotisme est la tendance de certains dirigeants, d'autres institutions, à favoriser l'ascension des membres de leurs familles dans la hiérarchie qu'ils dirigent, au détriment des processus de sélection ordinaires, du mérite et, le plus souvent, de l'intérêt général.

Par extension, le terme désigne une tendance à accorder des avantages à des relations, ou amis proches, indépendamment de leur valeur. Il est alors synonyme de favoritisme ou de copinage ».

Publié dans Editorial

Namoaka ny heviny ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) mikasika ny fangatahan’ny filohan’ny Repoblika, raha toa ka mifanohitra amin’ny andininy faha-49 amin’ny Lalampanorenana ny fananganan’ny filoham-pirenena « Fondation ».

Araka ny Avis n°09-HCC/AV nivoaka androany 20 septambra 2019, ao amin’ny andininy voalohany dia milaza fa tsy mifanohitra amin’io andininy faha-49 amin’ny Lalampanorenana io fananganana « Fondation » io, satria samihafa ny "Association", izay voararan'ny Lalampanorenana ny fiandraiketan'ny Filoham-pirenena azy, sy ny "Fondation".

Ao amin’ny andininy faharoa kosa dia manipika mazava anefa io Avis n°09-HCC/AV fa mihatakataka tsy azon’ny filohan’ny Repoblika atao ny manana andraikitra amin’io « Fondation » io, ary tsy azo asiana resaka politika hoy ny andininy fahatelo manamafy.

 

Publié dans Tselatra

Avis n°09-HCC/AV du 20 septembre 2019 relatif à une demande d’avis sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution.

la Haute Cour Constitutionnelle

émet l’Avis que :


Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

Article 3.- La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique.

Article 4.- Le présent Avis sera notifié au Président de la République, et publié au Journal officiel de la République.

Publié dans Politique

Teo amin’ny faha-83 taonany i Zine el-Abidine Ben Ali izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Nitondra an’i Tonizia teo anelanelan’ny taona 1989–2011 izy, ary tamin’ny janoary 2011 izy no nitsoaka ny fireneny nandritra ny hetsi-bahoaka « Printemps Arabe », ary nialokaloka tany Arabia Saodita, ary tany izy no maty.

Fahavelony no efa nanoratra amin’ny didy miafina nataony i Ben Ali, mba halevina any « La Mecque » raha tonga ny fotoana ahafatesany, araka ny nambaran’i Mounir Ben Salha, mpisolovava azy. Mihevitra ny hanatanteraka izay fikasany izay ny fianakaviany, hoy ity farany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hifanome tanana ny minisiteran’ny ny Mponina sy ny ONG ASA (Ankohonana Sahirana Arenina) amin’ny fanatsarana sy fanampiana ireo olona marefo ary famerenana ny olona tsy manan-kialofana eny anivon’ny fiaraha-monina.

Nisy fifanaovan-tsonia ny tetikasa mikasika izany, izay haharitra roa taona ka ireo fianankaviana avy ao amin’ny Madcap sy SEBA Isotry Antananarivo no hampiofanina eny anivon’ny ONG ASA.

Ny ASA dia mampiofana ny olona sahirana amin’ny maha-olona, fahadiovana, fianarana asa, fiaraha-monina ary fahasalamana. Rehefa mijanona roa taona eto Antananarivo izy ireo dia alefa any Ampasipotsy Bongolava mampihatra ny fiofanana. Hisy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2