Filtrer les éléments par date : vendredi, 13 septembre 2019

Miisa telo ny kandida nirotsaka ho Ben’ny tanàna eto amin’ny Kaominina ambonivohitra Ambatoboeny. Rakotonadrasana Jean Valérien, Ben’ny tanàna amperin’asa, kandida tsy miankina ; Toussaint, kandidan’ny IRD (Isika Rehetra miaraka@ Andry Rajoelina) ary Solo Boucher, Ben’ny tanàna teo aloha, kandida natolotry ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana).

 

Publié dans Tselatra

Le maire de Levallois-Perret, à l'issu de l'audience ce jour a été frappé de mandat de dépôt à l'audience, avec 4 ans d'emprisonnement ferme pour fraude fiscale.

Publié dans A la Une

Nidina teto Mahabo ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy arak’asa, na DRENTP Menabe, androany zoma 13 septambra 2019, nifampidinika tamin’ny mpampianatra, namahana ny olona nampikatso ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC, noho ny tsy mbola naharaisan’ireo mpitsara ny tambinkaramany (vacation) taona 2018.

Nampanantena ny DRENTP fa haloa io « vacation » io. Nanaiky nitsara ny taratasim-panadinana ireo mpampianatra nanomboka ny tolakandro teo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanao valandresaka ho an'ny mpanao gazety mahakasika ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny fitondram-panjakana i Tabera Andriamanantsoa sy ireo mpiara-miasa aminy.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny alakamisy 12 septambra i Tody Arnaud no tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany ho Ben’ny tanànan’i Toamasina I sy ireo mpanara-dia azy.

Tsy maintsy natambatra ny hery, hoy izy, ho fanarenana an’i Toamasina.

Mpisolovava i Tody Arnaud, kandida teto Toamasina I, tamin'ny fifidianana solombavambahoaka natao farany teo.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny Kaominina Vinany, Distrikan’i Mandoto, Faritra Vakinankaratra sy ny Kaominina Andoharanofotsy, Distrika Antananarivo Atsimondrano ary ny Kaominina Ambavahaditokana, Distrika Antananarivo Atsimondrano samy ato amin’ny Faritra Analamanga. Samy misy kandida Ben’ny tanàna sy lisitra kandida mpanolontsain’ny tanàna amin’ny anaran’ny antoko Tia Tanindrazana avokoa ireo Kaominina telo ireo. Kandida Ben’ny tanàna kosa ny ao amin’ny Kaominina Mahazoarivo, Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania.

Am-polony ihany koa ireo kandida tsy miankina tohanan’ity antoko ity manerana ny Nosy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019.

Nijoro ara-panjakana tamin'ny taona 2009, folo taona nijoroana izao ny antoko Tia Tanindrazana.

 

Publié dans Politique

Faha-49 ity fivorian’ny Komitin’ny Governoran’ny Banky Foibe (Committee of Central Bank Governors) amin’ireo firenena mikambana eo anivon’ny SADC ity, izay tanterahina nanomboka ny 11 septambra ka nifarana androany 13 septambra 2019.

Miisa 75 ireo delege mandray anjara amin’ny fivoriana, avy amin’ireo Banky Foibe miisa 15, mpikambana eo nivon’ny vondrona SADC, tarihin’ny Governorany isanisany avy.

Sambany i Madagasikara no nampiantrano ity fivoriana ity.

 

Publié dans Economie

Tsy nandatsaka kandida na Ben’ny tanàna io, na Mpanolontsain’ny tanàna, ny antoko HVM amin’ny fifidianana kaominaly hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019.

Nanana Ben’ny tanàna maherin’ny 900 ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tamin’ny fifidianana ny taona 2015.

 

Publié dans Tselatra

Teratany indianina i Erramatti Mangayamma. 73 taona izy izao, tantsaha. Tamin’ny 1962 izy no nanambady, 80 taona izao rangahy vadiny. Tsy nety nahazo zaza mihitsy izy mivady hatramin’izay nivadian’izy ireo.

Ny taona 2018, tapa-kevitra izy mivady fa hanantona klinika mahay manokana momba ny fampitsehana ny tsirinaina lahy sy vavy ivelan’ny tranon-jaza (fécondation in vitro). Nahomby izany taorian’ny andrana samihafa natao.

Teraka omaly 12 septambra 2019 i Erramatti Mangayamma. Kambana roa vavy ny zaza teraka, taorian’ny fandidiana natao (césarienne) noho ny renin-jaza efa nahazo taona. Mbola arahi-maso mandritra ny 21 andro ny fahasalamany taorian’izao fiterahany izao.

Heverina fa i Erramatti Mangayamma no vehivavy antitra indrindra manerantany vao niteraka.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tafatsangana omaly ny biraon'ny Vaomieran’ny kitra misahana ny tanora « Commission football des jeunes », ka Randrianaina Odon Marius no notendrena ho Sekretera jeneralin’izany Vaomiera izany, eo ambany fiahian'ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF).

Mivoha malalaka ho an'ny fikambanan'ny tanora manana klioba, na koa ho an'ireo toeram-panofanana ka liana ho amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny Vaomiera. Eo ihany koa ny fijerena izay azo atao ho an'ireo klioba manana ny sokajin-taona latsaky ny 20 taona.

Laharam-pahamehan'ny Vaomiera ihany koa ny famerenana ireny fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny ireny. Na dia eo aza izany fanamby rehetra izany dia tsy afa-miala amin’ny fiaraha-miasa amin’ny FMF ny Vaomiera.

Efa-taona ny faharetan’ny fe-potoam-piasan'ity Vaomiera ity.

 

Publié dans Sport
Page 1 sur 2