Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 septembre 2019
jeudi, 12 septembre 2019 21:54

Mananara- Nord: Miaina "délestage tournant"

Nisy fahasimbana tampoka ny milina lehibe iray mpihary herinaratra eto Mananara-Nord. Hifandimby ny fahazoan’ny tanàna herinaratra manomboka androany (délestage tournant) noho io antony io, araka ny fampahafantarana nataon’ny JIRAMA.

Efa eo am-panarenana ny fahavoazana ny teknisianin'ny JIRAMA amin'izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra

Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny vovonana MAPAR i Djavojozara Jean Luc Désiré tamin’ny 2015, ary tonga eo amin’ny fe-potoana farany itondrany. Kandida tsy miankina izy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Androany alakamisy 12 septambra 2019 no tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsiranana I ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Androany alakamisy 12 septambra 2019 i Guy Rivo Randrianarisoa no tonga nametraka ny antotan-taratasy firotsakan-kofidiany teo anivon’ny OVEC Antsirabe I. Kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 12 septembre 2019 19:41

Mamy Ravatomanga apporte sa version

Mamy Ravatomanga apporte sa version sur l'affaire programme de surveillance confié à Huawei pour 50 millions de $, paru dans un journal.

 

Publié dans Fil info

Tanora teratany Malagasy, Aly Botralahy no nibata ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin'ny fahaizana ny Korany, izay notanterahina tany Makkah (La Mecque), any Arabia Saodita.

 

 

Publié dans Art et Culture

Sekretera jeneraly amperinasa ao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra i Andriamasinoro Tahiry Ny Riana. Izy no narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara ho kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra.

Tonga tetsy Nanisana nanatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny OVEC Antananarivo ny tenany, notrononin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Olga Ramalason sy ireo mpiara-dia aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Hatomboka amin’ny 16 septambra 2019 ny famakiana tsikelikely ilay vatobe izay mandondona eny Ambohibary, Fokontany Tsarahasina, Kaominina Ambohimangakely, Distrika Antananarivo Avaradrano.

Taorian’ny fivoriana nataon’ny teknisianin’ny BNGRC, niarahana tamin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, sy taorian’ny fidinana ifotony natao ny 30 aogositra 2019, no nanapahana ny hevitra fa hovakiana tsikelikely ilay vatobe.

Vinavinaina ho vita ao anatin’ny efa-bolana ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Voapetraka omaly alarobia 11 septambra 2019 teo anivon’ny OVEC Manandriana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna an’i Jean Pierre Randrianamboarina sy ny lisitra mpanolotsaina miara-dia aminy.

Kandida tsy miankina i Jean Pierre Randrianamboarina, ary ao amin’ny Kaominina Ambatomarina, Distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania no irotsahany.

Filoha nasionaly sady mpanorina T.V.M.A (Tanora Vonona Mandray Andraikitra) i Jean Pierre Randrianamboarina.

Publié dans Politique

Milaza ireo mpampianatra tokony hitsara BEPC, fa hatramin’izao tsy mbola nahazo « vacation » 2018. Mandrahona ny tsy hitsara ireo taratasim-panadinana BEPC tamin’ity taona ity izy ireo.

Misy 700 mahery ny mpianatra niatrika ity fanadinam-panjakana faharoa ity, izay nifarana androany ny adina an-tsoratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nahatsiaro voafitaka ireto Malagasy 27 lahy ireto, raha nentina avy aty Madagasikara mba hiasa any Comores. Nisy fifanarahana tsy tanteraka teo amin’ireo mpiasa sy ny mpampiasa azy ireo.

Nisy ny fifanantonana teo amin’ny mpitondra malagasy, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy ry zareo Kaomoriana, nahafahana nampody ireto Malagasy ireto. Nandeha sambo niverina tao Mahajanga izy ireo, tonga ny talata teo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 3