Filtrer les éléments par date : mercredi, 11 septembre 2019

Vonona ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana Ben’ny Tanana sy mpanolotsaina, ho tanterahana ny alarobia 27 novambra ho avy izao ny Tiako i Madagasikara, eny amin’ny Kaominina Ambohimangakely, Distrika Antananarivo Avaradrano.

Razanakoto Hajasoa Pascal, fantatry ny maro amin’ny anarana « Haja boum » no kandidan’ny antoko amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ao an-toerana.

Aminy dia efa maty paika ny drafitr’asam-pampandrosoana ho an’ny Kaominina Ambohimangakely.

 

 

Publié dans Tselatra

Androany 11 septambra 2019 ity mpanao gazety ity no tonga tao amin’ny OVEC Ihosy, nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany ho Ben’ny tanàna, ao amin’ny Kaominina Andohan’Ilakaka, Distrika Ihosy.

 

Publié dans Tselatra

Androany alarobia 11 septambra 2019 i Roland Ratsiraka no nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany ho Ben’ny tanàna eto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Izy no kandida faharoa tonga teo anivon’ny OVEC Toamasina nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany, taorian’ny kandida tsy miankina Yvan Fabius.

Namorona ny fikambanana Toamasina Tonga Saina (TTS) i Roland Ratsiraka tamin’ny 1998, avy eo voafidy Solombavambahoakan’i Toamasina.

Efa Ben’ny tanànan’i Toamasina i Roland Ratsiraka tamin’ny 1999. Naato tamin’ny asany ny taona 2002. Voafidy ho Ben’ny tanàna indray ny taona 2003.

Publié dans Vaovao

Tonga teny amin’ny foiben’ny Birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly na BIANCO Ambohibao Antananarivo, androany 11 septambra 2019, ireo tompon’andraikitra ambony Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoharana ny hai-tao ara-kajy mirindra, nanatitra ny taratasy fanambaram-pananany. Nitarika azy ireo ny Sekretera Jeneralin'ny ministera, Ranesa Firiana.

 

Publié dans Tselatra

Matetika no isehoana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena eto Madagasikara, indrindra ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-4 ary faha-6 iny. Ny tsy fahatomombanana ara-teknikan’ny fiara no voalaza hatrany fa fototry ny loza, na dia fiara vita fitsirihana ara-teknika ara-dalàna izao aza no mifamoivoy.

Manamarika ireo mpamily, indrindra ireo kaoperativa mpitatitra olona, fa ny haratsian’ny lalana sy ny hatereny no isan’ny tena mahatonga ny loza amin’ny lalam-pirenena. Noho io haterin’ny lalana io dia matetika latsaka any anaty « accotement » ny fiara rehefa mifanena, indrindra raha fiara lehibe toy ny kamiao no mifanena, dia matetika eo no miseho ny loza fa tsy tafaverina anaty arabe ny fiara lasa anaty « accotement ».

Hetahetan’ny mpamily ny hisian’ny fikojakojana ny lalana ara-potoana fa sady fisorohana ny lozam-pifamoivoizana no tsy manimba fiara ihany koa.

 

Publié dans Sociale

Tonga any Balmaseda, Bilbao, Espagne ireo teknisianina roalahy nalefan'ny Ministeran'ny fitaterana, ny fizahantany ary famatarana ny toetrandro, hijery ifotony ireo lohamasina roa ho an'ny FCE (Fianarantsoa-Côte Est). Raha tsy misy ny fiovana dia ho tonga ao Fianarantsoa alohan'ny faran'ity taona 2019 ity ireo lohamasina ireo.

Fampanantenan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hahazoana ireo lohamasina ireo, ho an’ny FCE.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mercredi, 11 septembre 2019 11:05

Papa Fransoa: Tonga soamantsara ao Vatikana

Ny talata 10 septambra 2019 tamin’ny 6ora hariva, 7ora eto Madagasikara, no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Ciampino - Italia ny fiaramanidin’ny Air Madagascar nitondra ny Papa Ray Masina Fransoa, rehefa nanao fitsidihana Apostolika faha-31, taty Afrika (Mozambika-Madagasika-Maorisy). Naharitra ora sivy teo ny sidina, ary 7658 km ny halaviran-dalana natao tamin’izany.

Nijanona nanoloana ny Bazilikan’i Sainte-Marie-Majeure ny fiara nitondra an’i Papa Fransoa. Toy ny fanaony, rehefa hanao fitsidihana Apostolika sy tafaverina amin’ny dia ataony ny Papa, dia mivavaka, mitsaoka eo anoloan’i Marie Salus Populi Romani.

 

 

Publié dans Tselatra

Divorce consommé lors des dernières élections présidentielles de 2018 du 7 novembre et celle du 19 décembre. Il apparaît clairement que l'électorat boude les urnes.

En effet selon les résultats officiels sur les 9 913 599 d‘inscrits, seuls 54,23 % se sont déplacés aux urnes au 1er tour, au 2nd le taux de participation est encore tombé à 48,9% (4 767 887). Ainsi l’actuel locataire d’Iavoha a été élu par 55,66% du suffrage exprimé donc autour de 26,09 % de ceux qui peuvent voter.

La question n’est pas de dire que le président Andry Rajoelina a été mal élu, mais il semble que pour une élection mobilisant la majorité des citoyens, ceux-ci apparaissent de plus en plus désintéressés.

Tous les observateurs, étrangers comme locaux, croyaient que le « combat » entre Rajoelina et Ravalomanana, les 2 poids lourds de la politique malagasy draineraient des foules avec ces queues interminables devant les bureaux de vote, comme en décembre 2001, et ce, pas uniquement à Antananarivo mais dans toute l’île.

Publié dans Editorial

Vao nahita ilay fiara, dia nahatsiaro ilay fiara laolaovin'ilay zafikely fenoany apetapetany amin'ny scotch.

Omeo ny privé professionnel any io contrôle technique io, fa itony fiara scotch itony ve dia omena visite technique, na ny jiro feu arrière efa tsy misy intsony, hafa manko ny fiara vao hoe voan'ny accident ka nentina, fa itony efa aman-taonany, na ny varavarana tsy mihidy.

Any ivelany dia professionnel no mitsara fiara, izay takiana fitaovana raitra ny centre visite technique, misy ny fanarahamaso azy, izay centre technique be kolikoly dia mora tratra ary dia sazy enjana dia enjana no miandry azy, satria raha fiara ohatr'izao no mivoaka dia hita iza no nitsara ny fiara, misy camera de surveillance mihitsy ahitana ny fiara niditra natao visite, fa tsy hoe mindrana pneu etsy ivelany, dia vita ny fitsarana dia averina amin'ny tompony ny pneu. Na mametraka vola kely sy carte grise dia vita.

Publié dans Politique

Tsy miova, hatreto, fa dia hifarana rahampitso alakamisy 12 septambra 2019 ny fametrahana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna eny anivon’ny OVEC manerana ny Nosy.

Nohamoraina ny famenoana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana hoy ny avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Nanentana ireo antoko sy vondrona antoko politika ny CENI tsy hiandry ny fotoana farany vao hametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana.

Voalaza ihany koa fa hanomanana fifidianana manokana (élection partielle) ireo Kaominina tsy misy kandida Ben’ny tanàna aorian’ny fe-potoana voatondron’ny lalàna hikatonan’ny fandraisana ireo antotan-taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2