Filtrer les éléments par date : vendredi, 09 août 2019

Lasibatry ny mpaka an-keriny i Iltaf Fibasom, Karana tompon’ny magazay « Fibasom » eo Bazary be. Ny alakamisy 8 aogositra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany alina no nisehoany, tsy lavitry ny tranony amin’ny Bd Joffre iny.

Nosakanan’ireo andian-jiolahy mirongo basy ny lalana nombany raha iny izy hiditra ny tranony. Nitaky ny volamena sy safira tao an-tranony ireo mpaka an-keriny, niaraka tamin'ny basy poleta sy antsy lava.

Nilaza ity karana efa 65 taona ity fa tsy misy izany ao aminy. Dia nofatorandreo tady ny vadiny sy ny zanany tao an-trano, ary dia noteren’izy ireo hiverina niaraka tamin’ny fiara, nentiny tany amin’ny mangazay hakana vola any anaty « coffre ».

Tazan'ny vinantony anefa ny fiaran'ity karana ity, nefa olon-kafa no nitondra ny fiara fa tsy ny rafozany, izay izy hatrany no mpitondra ny fiarany.
Niantso ny fianakaviana avy hatrany izy, nefa tsy nisy nandray ny finday. Nandeha tany an-trano vao hita fa voafatotra izy mianaka, ka dia nampandre aingana ny mpitandro ny filaminana.

Publié dans Tselatra

Nihaona tamin’ireo mpikambana avy ao amin’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara (CSM), tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly 08 aogositra 2019, ny Filohan’ny Repoblika, sady filohan’ny CSM rahateo, Andry Rajoelina. Noresahana nandritra ity fivoriana ity ireo tena andraikitry ny mpitsara, ireo olana sedrain’izy ireo, ary ireo tolo-kevitra naroson’ireto mpitsara ireto, entina hanatsarana ny asan’izy ireo.

Marary ny fitsarana Malagasy raha ny fitarainan'ireo Malagasy maro tonga aty amiko mikasika ny fitsarana sy ny mpitsara, hoy i Andry Rajoelina ao amin’ny pejiny facebook. Handeha ny sivana hijerena sy ankasitrahana ireo mpitsara mendrika.

Publié dans Politique

Ho tonga alohan’ny farany taona 2019 ny lohamasinina anakiroa ho an’ny Lalamby FCE (Fianarantsoa Côte Est). Hiazo an'i Espagne ato ho ato ny teknisianina ao amin'ny FCE hijery ny lafiny ara-teknika mikasika izany.

Misedra olana matetika ny fifamoivoizana an-dalamby amin’ny FCE noho ny fahanteran’ny lohamasinina, ny lalamby tsika rahateo efa nilaozan'ny toetrandro, satria kely loatra ny elanelan'ny vy, nefa ny lohamasinina vokarina ankehitriny efa be velarana.

Mitana anjara toerana lehibe aty amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany anefa ny fisian’io zotran-dalamby io.

 

Publié dans Sociale

Teo amin’ny zotra farany amin’ny hazakazaka lavitrezaka no nitranga ny loza, omaly alakamisy 08 aogositra 2019. Nitambotsotra tampoka i Viollette. Nifamonjen’ireo mpitsabo manara-maso ny adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana bakalôrea izy, natao ny vonjy aina, avy eo nentina avy hatrany namonjy hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy, na nanao ezaka rehetra aza ny mpitsabo.

20 taona i Viollette, zanaka pastera. Kilasy famaranana sokajy A izy, mianatra amin’ny sekoly tsy miankina. Omaly ihany dia efa nentin’ny fianakaviany niazo an’i Morarano Gara, tanindrazany izy.

 

Publié dans Vaovao