Filtrer les éléments par date : jeudi, 08 août 2019

Nisy fikorontanana ny famatsiana solika teto amin’ny tanànan’Ambilobe, miainga avy ao amin’ny tobin-tsolika Antsiranana, tato anatin’ny roa andro izay.

Fanjifana solika mihoapampana miampy ny fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-6 no antony raha ny fanazavan’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures).

Nampahafantatra tao amin’ny pejiny facbook ity ofisin’ny akoranafo ity androany fa hiverina amin’ny laoniny manomboka rahampitso zoma 9 aogositra 2019 ny famatsiana solika eto Ambilobe.

 

Publié dans Tselatra

Tapaka nandritra ny volana maro ny lalana eto amin'ny Fokontany Antsirabe, Kaominina ambonivohitr’i Sambava noho ny fiara kamiao simba izay mibahan-dalana. Tsy afaky ny fiara vaventy intsony raha eto. Ny tena olana dia ahiahiana hitera-doza ity fibahanan-dalana efa fotoana naharitra ity. Efa nitaraina teny amin'ny mpitondra ny tanàna ny mpampiasa lalana fa tsy nisy mpihaino. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Taorian’ny fanokafana ny foara Fier Mada teo Andohatapenaka omaly alarobia 08 aogositra 2019, no nilazan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fa havaozina atao bozaka tsara ny kianja filalaovana rugby ao amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.

 

Publié dans Sport
jeudi, 08 août 2019 11:59

Ikongo

Voatendry ho Lehiben’ny Distrika Rtoa Soavatsara Audrey Julie

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 08 août 2019 11:46

Fifamoivoizana anabakabaka

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) Atoa Rabemanantsoa Tovo

 

Publié dans Tselatra

Ecole Nationale d’Enseignement Maritime de Mahajanga (ENEM): Voatendry ho Tale ny Capitaine de Frégate Rekoria Manantsampa Mitondrarivo

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2