Filtrer les éléments par date : mercredi, 07 août 2019

Nampahafantatra ny zava-nitranga tamin'ilay tovovavy Britanika nitsambikina avy eny ambony fiaramanidina ny avy ao amin'ny Zandarimariam-pirenena.

Tamin'ny 25 jolay lasa teo dia nisy teratany Britanika vavy 21 taona nitsambikina teny ambon'ny elidranon'ny Mahajamba.
Io tovovavy io dia mpianatra mpikaroka itony karazana drakaka (crabe) itony. Tsy nahomby anefa ny fikarohana nataony ka niteraka fahakiviana sy fahadisoam-panantenana taminy, ka nanomboka tsy tomombana ny sain'ity ramatoa kely ity.

Nisy ny fifaneraserana nataony tamin'ny ray amandreniny ka nanapa-kevitra ireto farany ny hampody azy, ary hanajanona ilay fikarohana nataony.

Publié dans Vaovao

Notanterahina teny amin'ny kianjan'ny Makis Andohatapenaka ny andiany faha 21 amin'ny FIER MADA, izay foara iraisan'ireo tantsaha, mpamboly sy mpiompy ary ny mpanao asa tanana vita malagasy.

Tonga nanotrona sy nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany ny filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, ka anisan'ny navoitrany tamin'izany ny fampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara.

Nilaza izy fa efa misy ny vola natokana hoan'izany, ary amin'ity taona ity ihany dia efa misokatra ny fandraisana ireo atontan-taratasy ho an'ireo izay vonona hanome ny tetik'asany.

Publié dans Economie

Hotanterahina atsy Afrika Atsimo ny 9 hatramin'ny 17 Aogositra 2019 ho avy izao ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika (CAN) eo amin'ny taranja rugby lalaovin'ny olona 15. Hiatrika izany ny "Makis de Madagascar" vehivavy.

Ahitana mpilalao ao amin'ny klioban'ny 3FB miisa 5 mirahavavy ao amin'ny ekipa nasionaly. Nanome vatsin-dalana ho azy ireo ny Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Talen'ny Kabinetra, ny alatsinainy 05 aogositra 2019, teo amin'ny toeram-piasany Ambohidahy.

 

Publié dans Sport

Après 6 mois de présence à la tête du Ministère de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique, la professeure Rejo-Fienena Félicité Madeleine céda sa place à une autre professeure, Richard Blanche Nirina, le vendredi 26 juillet dernier.

La nouvelle nommée a présenté la moitié des nouveaux membres de son staff dès le samedi 27 juillet, soit une journée après la passation entre l’ancienne et la nouvelle.

Mais le hic, ces membres doivent être encore nommés en Conseil des Ministres, donc il s’en suit une situation illégale jamais observé auparavant, en d’autres termes il risque d’y avoir une usurpation de titres, car les textes de lois et de règlements sont loin d’être observés.

Pourtant, la nouvelle ministre a donné l’ordre aux membres dûment nommés et non encore abrogés, de travailler avec les membres non encore nommés ! La nouvelle ministre a encore présenté un autre nouveau membre du staff le lundi 29 juillet, un membre non encore nommé comme ses collègues.

Publié dans Editorial

Nandray fepetra manokana ny fanjakana sy ny komity mpandrindra ny fitsidihana ataon’i Papa Ray Masina Katolika eto Madagasikara, ny 6 ka hatran’ny 10 septambra 2019. Mpitandro ny filaminana manodidina ny 10 000 isa eo no hisahana ny fandriampahalemana mandritry ny diany eto Madagasikara sy manerana an'ireo lalam-pirenena hizoran'ireo mpino rehetra hihazo an'Antananarivo.

Hiasa ihany koa ireo fitaovana toy ny Helikoptera sy ireo fiara hanampy tosika ireo Mpitandro ny filaminana an-tanety.

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina ao amin’ny Kianja Rabemananjara – Mahajanga ny tolakandron’ny sabotsy 10 aogositra 2019 izao ny lalao mandroso amin’ny dingana savaranonando amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny ekipa tompondaka, na Total CAF Champions League 2019. Hifandona amin’izany ny klioban’ny Fosa Juniors (Mahajanga) sy ny Pampelmousse SC avy atsy amin’ny nosy Maorisy.

 

Publié dans Sport

Jeneraly Ramarozatovo René, Jeneraly Rabetrano Faly ary Andriamifidy Jean Louis, ireo no Tale jeneraly nifandimby nitantana ny Birao mahaleotena misahana ny kolikoly na BIANCO.

Andrianirina Laza Eric Donat no Tale jeneraly fahaefatra hiasa ao amin’ny Villa « La Piscine » eny Ambohibao-Antananarivo, misy ny foiben-toeran’ny BIANCO.

Publié dans Politique

Nikasa haka an-keriny an'ny filohan'ny Fokontanin'i Maroraza, Kaominina Tsaraitso, Distrikan’i Betroka izy ireo ny 2 aogositra 2019 teo. Tsikaritry ny Fokonolona tao an-toerana ny fihetsik’izy ireo toa hafahafa ka niroso tamin'ny fisamboran'azy telo avy hatrany ny mpiray dinan'ny Mangoky sy Zandary Betroka.

Mbola tanora erotrerony avokoa izy telo lahy, ary anisan'ireo jiolahy ikoizana aty amin'ny Distrikan’i Betroka. Notazomina atao famotorana ao amin'ny Tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Betroka izy ireo, ary hatolotra ny Fampanoavana avy hatrany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Ho avy eto Madagasikara ny Papa Fransoa ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra 2019. Papa Ray Masina Katolika faharoa hitsidika an’i Madagasikara izy tato anatin’ny telopolo taona. Mpanao gazety 450 no hampiaina ny fitsidihan’i Papa Fransoa eto.

70 amin'izy ireo dia manaraka azy any anaty fiaramanidina, avy amin’ireo fampahalalam-baovao avy any Vatican, izay manaraka an'i Papa, tafiditra amin'ilay antsoina hoe "Presse Papale" toy ny RAI, Vatican News, KTO, sns...

125 hafa dia avy amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Ny ambiny dia mpanao gazety Malagasy avokoa.

 

 

Publié dans Sociale

Nilaza Rtoa Volahaingo Marie Thérèse, Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak'asa, fa hivoaka amin'ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana ho an'ny taom-pianarana 2019-2020.

Hanomboka ny volana oktobra 2019 ny taom-pianarana raha ny fanazavany.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2