Filtrer les éléments par date : lundi, 05 août 2019

Nandritra iny enim-bolana nivalona iny dia 230, tamin'ireo fitarainana miisa 295 voarain’ny BIANCO Antsiranana, dia azo avy tao amin'ny Faritra DIANA avokoa, raha 65 kosa ny avy ao amin'ny Faritra SAVA. Efa natolotra ny Fitsarana ny 26 tamin'ireo fitarainana 74 azo raisina tamin'ny 295 voaray.

Nivoitra io ny alakamisy 1 aogositra 2019 teo raha nanao tatitry ny zava-bitany ny Bianco Antsiranana araka ny nambaran’ny Talem-paritra, Razakamantsoa Gaby Nestor, notanterahina teto Sambava.

Mikasika ny fanambaram-pananana indray, dia miisa 880 no tokony hanao izany ato amin'ny Faritany Antsiranana ka efa nahavita ny azy ny 560 tamin’ireo.

 

Publié dans Sociale

Nivoaka ny zoma 2 aogositra 2019 teo ny didim-pitsarana tamin’ny raharaha nahavoarohirohy an-dRtoa Zafintsoavina Séverine, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Angoaka Sud, Distrikan’Analalava, Faritra Sofia. Roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra no didy navoakan’ny Fitsarana.

Publié dans A la Une

Fokontany maromaro any amin’ny Kaominina Betsiaka, 32 km miala an'Ambilobe, izay misy fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ataon'ny Sinoa no nakatona ao anatin'ny fokontany Ankatôko, Marogadra ary Andrafialava. Nidina ifotony, nahita maso ireo fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ireo ny minisitry ny Harena ankibon'ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Fidiniavo Ravokatra sy ny mpiara-dia aminy ny zoma 02 aogositra 2019.

Antony nandraisana ny fanapahan-kevitra ny fahafoananan'ny fiaraha-miasa teo amin'ireo vahiny sy ny orinasa KRAOMA tompon'ny faritra itrandrahana, ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka sy ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana tsy ara-dalàna, ny tsy fisian'ny bokin'andraikitra.

Publié dans Tselatra

Miisa 16 ireo ekipam-pirenena miady ny tapakila ho amin’ny dingana famaranana amin’ny CHAN 2020 hatao any Cameroun. Tafita avy hatrany ho amin’izany dingana famaranana izany i Cameroun, noho izy firenena hampiantrano ny CHAN 2020.

Miisa 15 ireo lalao fifanintsanana dingana faharoa, ka izay tafita amin’ireo no hiazo an’i Cameroun:

Publié dans Sport

Hotanterahina ao amin’ny Fitsarana Tampony, rahampitso talata 6 aogositra 2019, ny lanonana ara-pitsarana handraisana ny fianianan’i Andrianirina Laza Eric Donat mialoha ny handraisany feno ny asa aman’andraikitra maha Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) azy.

Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 25 jolay 2019 no nandraisana ny didim-panjakana fanendrena an’i Andrianirina Laza Eric Donat ho Tale jeneralin’ny Bianco.

Publié dans Fil info

Programme Visite du Pape François à Madagascar du 06-08 septembre 2019

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Notoloran’ny USAID oridinatera entin-tanana avy ireo « médecin inspecteur » amin’ny distrika dimy ato Menabe, hikirakirana antotanisa avy amin’ireo « Agent Communautaire » sy ireo dokotera lehiben’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB). Nananosarotra ny fahazoana antotanisa raha manao fanadihadiana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana, ka izay no anton’izao fanampiana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Vaovao

Nitarika fikomiana tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy ireo voafonja ireo, miisa valo, ny marainan'ny 21 jolay 2019. Naka takalon’aina sady nandratra mpandraharahan’ny fonja iray, ary nikasa ny hitsoaka. Nalefa ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy izy ireo hiarovana ny fandriampahalemana ao Ambalatavoahangy.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2