Filtrer les éléments par date : lundi, 05 août 2019

Voasambotry ny Zandary ireo mpanao barazy tsy ara-dalana mitaky vola an-keriny an'ireo mpitatitra sy mpizahatany ary ny mpitaridia mampiasa ny lalam-pirenena faha-9 mampitohy an’i Morondava-Belo sur Mer-Manja.

Miisa 27 ny sakana amin'ny RN9 izay andoavana 2 000 Ariary ka hatramin'ny 10 000 Ariary isaky ny fiara sy isaky ny sakana, raha tsy izany dia tsy sokafan’ireo andian’olona manao barazy ireo ny lalana.

Dimy lahy no tratra ambodiomby ka nosamborina, tafaporitsaka ny naman’izy ireo.

Nifarimbona tamin’izao hetsika izao ny Ofisin’ny fizahantany sy ny foibem-paritry ny fizahantany Menabe ary ny Zandarimariam-pirenena taoriany fihaonan’ny OMC.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nandresy ny ekipan’i Morondava (akanjo manga sy mena amin’ny sary) ny ekipan’i Mahabo, teo amin’ny lalao baskety sokajy handisport lehilahy nandritra ny famaranana teto Morondava ny 3 aogositra 2019.

Ny ekipan’i Mahabo no hisolotena an’i Menabe amin’ny fifaninanana nasionaly hatao any Toamasina amin’ny volana septambra 2019. Olana ho azy ireo amin’izao ny enti-manana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Hisy ny seho izay atao eny amin'ny studio Arena ivandry ny zoma faha 9 aogositra manomboka amin'ny fito ora hariva.

Marihina moa fa eo ambany fiahian'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina ity fankalazana ity, ireto mpisehatra ireto moa dia andiany faha 3b izay mbola taranaky Jeannette no ankabeazan'ireo mpikambana ao.

Ny fivarotana ny karatra moa dia ao amin'ny Aroptic Antanimena ka 50 000 ariary ny vidim-pidirana ho an'ny olon-tokana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy androany nyTatitra ampahibemaso isam-paritra mahakasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Mampahatsiahy ny Banky Foiben’i Madagasikara fa afaka atakalo eny amin’ny « guichet » natokana ho amin’izany, eny amin’ny Ivotoeran’i BFM eto Antananarivo sy eny anivon’ireo masoivohony miisa 15 manerana ny Nosy, ireo vola taratasy simba. « Maimaimpoana, tsy misy tambiny ny fanakalozana, ary mitovy ny sandan’ny vola atakalo sy averina », hoy ny fampitam-baovao.

Manentana ny tsirairay ny Banky Foibe hanaja sy hikojakoja ny vola taratasy, ho fitsinjovana ny mpampiasa vola izay mikirakira azy ireny isan’andro, na amin’ny fitahirizana, na amin’ny fifanakalozana isan-karazany. « Fadio ny mandena, ny mandoto, ny manoratra, na mamatotra amin’ny fingotra sy manapaingotra ary mamoriporitra ny vola », hoy ny fanentanana ataon’ny BFM.

Lafo ho an’ny firenena ny fanamboarana, ny fanafarana sy ny fanapariahana ireo vola taratasy, izay atao any ivelany hatreto.

 

Publié dans Sociale

Voasambotry ny Zandary ny sabotsy 3 aogositra 2019, ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanakanan-dàlana tao Antaretra, Fokontany Sahamadio, Kaominina Vohiposa ny alin'ny zoma 26 jolay 2019.

Azo sambo-belona ny telo ary atao famotorana ao amin’ny « Poste Avancé » ny Zandary Vohiposa. Maty voatifitra ny iray rehefa nanohitra. Mbola karohina kosa ny naman’izy ireo. Avy ao Vohiposa sy Ambohimahasoa izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanolotra boky fianarana maromaro ho an'ny kilasy famaranana sy T11 ao amin’ny lisea Fleur des Enfants ao Ambohidava ny fikambanana mpanao asa soa Rotary Club Lac Alaotra ny sabotsy 3 aogositra 2019.

Hetsika voalohany notanterahin’ny Rotary Club Lac Alaotra amin’izao taom-pitantanana 2019-2020 io, ary tena manampy betsaka ny mpianatra amin’ny fitadiavana boky hanovozam-pahalalana.

Santatra am-bavarano ihany iny, hoy Rakotomavo Herizo Beberto, filohan’ny Rotary Club Lac Alaotra fa mbola hitohy ny fanaovana asa soa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Jiolahy roa mitam-basy no naka an-keriny an’ity zazalahy 12 taona ity tao Betela, Kaominina Morarano-Kraoma, Distrikan’Amparafaravola, ny harivan’ny 16 jona 2019.

Telo andro taorian’io, ny 19 jolay 2019 no navotsitr'ireo mpaka an-keriny tany anelanelan'Ambavasambo sy Anosivolakely Distrikan’Anjozorobe ilay zazalahy kely, rehefa nandoa vola 46 tapitrisa Ariary ny fianakaviany ho takalon'ny famotsorana azy.

Nifarimbona tamin’ny fikarohana ireo jiolahy ny Zandary mpanao famotorana avy ao Ambatondrazaka sy ny avy amin’ny Sampana manokana mpikaroka fandikan-dalàna heloka bevava avy aty Antananarivo.

Publié dans Vaovao

Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine ny 26 jolay 2019, mangataka ny hanendrena ireo depiote hisolo an’i Naharimamy Lucien Irmah, voafidy tao Toamasina I, nefa voatendry ho minisitry ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy, sy ny hasolo an’i Volahaingo Marie Thérèse, voafidy tao Belanana, nefa voatendry ho minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa.

 

Publié dans Politique

Senatera notendren’ny filohan’ny Repoblika ho mpikambana tao amin’ny Antenimierandoholona Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle. Voafidy ho Solombavambahoaka tao Maevatanana, tamin’ny lisitra tsy miankina, anefa ity farany.

Tsy afaka ny sady ho Senatera no Solombavambahoaka anefa Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle. Tsy mamela an’izany ny lalàna.

Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo tamin’ny 29 jolay 2019 hanendrena izay Senatera hisolo toerana an’i Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2