Filtrer les éléments par date : vendredi, 02 août 2019
vendredi, 02 août 2019 18:36

Soarano: Hetsika Tosik'art

Notanterahana teny amin'ny café de la gare Soarano ny hetsika Tosik'art izay nokarakarain'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina.

Ity hetsika ity moa dia natao hampiroboroboina ny kolontsaina malagasy tafiditra ao anatin'izany ny hira, dihy, ny asa tanana sy ny maro hafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Hitohy ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana araka ny nambaran’ny Minisitra Volahaingo Marie Thérèse. Samy voakasik’izany na ny Fanabeazam-pirenena na ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa.

Hisy ny fametrahana vaomiera nasionaly hoy izy handinika ny fametrahana ny lamina mahakasika izany. « Recrutement » lavitry ny kolikoly no tanjona raha ny fanazavany hatrany, ka ho hentitra ny Fanjakana amin’ny fanaraha-maso.

(Jereo Sary Tohiny)

 
 
Publié dans Vaovao

Noraisin'ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ikalamavony, Rtoa Raharimampionona, ireo mpianatra telo mirahalahy izay avy amin'ny Lycée Ikalamavony solontenan'ny DREN Matsiatra Ambony hiatrika ny fifaninanana "Rallye Scientifique" izay tontonsaina eto Antananarivo ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena Anosy.

Fifaninanana maro no tsy maintsy nandalovan'ireto mpianatra avy amin'ny Lycée Ikalamavony ireto izay nandraisan'ny ny Cisco rehetra anjara manerana ny Nosy.

Publié dans Art et Culture

Hilalao ao amin’ny klioban’ny Al Khor Club any Qatar indray i Ibrahim Amada manomboka amin’ity taom-pilalaovana ho avy ity. Vita sonia ny fifarahany amin’ny klioba.

Irakiraka afovoany ao amin’ny Barea an’i Madagasikara i Ibrahim Amada, ary isan’ireo nampidi-baolina nandritra ny CAN tany Egypta farany teo. Nila ravinahitra tany Alzeria izy teo aloha, saingy tsy mampilalao mpila ravinahitra mihotra ny 27 taona ny any amin’ity firenena ity. Maro ireo klioba efa nitily an’i Ibrahim Amada dia ny Al Khor Club any Qatar no nosafidiany sy nandraisany fanapahan-kevitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 
 
 
Publié dans Sport

Nibata fandresena i Madagasikara tamin’ny lalao faharoa natrehiny ao amin’ny Vondrona A misy azy amin’ny COSAFA Women 2019 tanterahina atsy Afrika Atsimo. Nandresy an’i Comores tamin’ny isa 5 noho 1 i Madagasikara androany.

Voahosotra ho mpilalao mendrika sady nampidi-baolina roa (20', 51') nandritra ity fihaonana ity Rasoanandrasana Marie Sarah,  mpilalaon’ny Barea.

(Jereo Sary Tohiny)

 
 
Publié dans Sport

Hiatrika lalao faharoa ao amin’ny Vondrona A misy azy i Madagasikara anio. Hifandona amin’i Comores ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy amin’izany.

Teo amin’ny lalao voalohany dia niondrika tamin’ny isa 0 noho 2 nanoloana an’i Malawi i Madagasikara.

I Afrika Atsimo mpampiantrano ity COSAFA Cup 2019 ity no ekipa fahatelo hifandona amin’i Madagasikara rahampitso.

 
 
Publié dans Sport

Ho fanohizana ny vonjy aina maika ho an'ireo tsy manan-kialofana, dia tonga nanome sakafo sy bodofotsy ho azy ireo ny minisitry ny mponina Iramah Naharimamy.

Misy ireo tetikasa hitondrana vahaolana maharitra, izay efa karakaraina, nefa mitaky fotoana kely izany, ka tsy maintsy atao aloha ny mijery vonjy aina ho an'ireo tena mila izany. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Efa-dahy no ahiahiana fa nahavanon-doza nanafika ny fiaran’ny orinasa Ambatovy tany Tanandava-Toamasina ny faran'ny volana jolay, ary nosamborina.

Nosakanan’izy ireo tamin’ny vato sy vatan-kazo ny fiara 4x4 iray nitondra mpiasa 5. Rehefa nijanona ilay fiara dia notsenain'ireo olon-dratsy tamin'ny toraka vato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, tsy nisy fananana voaroba na aina nafoy ankoatrizay.

Publié dans Vaovao

« Tokony hiara-hiasa ny mpitantana ny tanàna sy ny mpitantana ny firenena, diso hevitra raha maka fahavalo ny mpitantana ny tanàna ny mpitondra. Tsy azo atao takalonaina Antananarivo ! », hoy ny fanehoan-kevitr’i Tahina Razafinjoelina raha nivahiny tao amin’ny onjam-peo tsy miankina Top Radio, eto Antananarivo omaly maraina.

Publié dans A la Une
vendredi, 02 août 2019 09:01

02 août:

Journée mondiale de la bière.

 

Publié dans Fil info